Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125


Fizarana 125

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Nauvoo Illinois, ny volana martsa 1841, momba ireo Olomasina tao amin’ny faritanin’i Iowa.

1–4, Tokony hanorina tanàna ireo Olomasina ary hivondrona any amin’ireo tsatòkan’i Ziona.

1 Inona no sitrapon’ny Tompo momba ireo Olomasina ao amin’ny faritanin’i Iowa?

2 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: lazaiko aminareo, raha ta hanao ny sitrapoko ireo izay amiantso ny tenany amin’ny anarako sy miezaka ny ho lasa olomasiko, ka mitandrina ny didiko momba azy ireo, dia aoka izy ireo hiara-hivondrona amin’ireo toerana izay hotendreko ho azy ireo, amin’ny alalan’i Joseph mpanompoko, ary hanorina tanàna ho an’ny anarako mba ho voaomana ho amin’ny fotoana ho avy izy ireo.

3 Aoka izy ireo hanorina tanàna eo amin’ny tany tandrifin’ny tanànan’i Nauvoo, ho an’ny anarako, ary aoka i aZarahemla no anarana hampitondrainy azy.

4 Ary aoka ireo rehetra izay tonga avy any atsinanana sy andrefana ary avaratra sy atsimo, izay manam-paniriana ny honina eo, handray ny lovany eo, ary koa any an-tanànan’i aNashville, na any an-tanànan’i Nauvoo ary any amin’ireo btsatòka rehetra izay efa notendreko, hoy ny Tompo.