Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126


Fizarana 126

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao an-tranon’i Brigham Young tao Nauvoo, Illinois, ny 9 jolay 1841. Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo i Brigham Young tamin’izay fotoana izay.

1–3, Nomena sitraka i Brigham Young noho ny asany ary afaka tamin’ny fandehanana hatrizay any ivelany.

1 Ry aBrigham Young rahalahy malala sady tena ankamamiana, toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao: Ry Brigham mpanompoko, tsy takina eo an-tananao toy ny tamin’ny fotoan-dasa intsony ny handaozanao ny fianakavianao, satria ankasitrahana eo anoloako ny fanatitrao.

2 Efa hitako ny afilofosanao sy ny fikelezanao aina nitety faritra noho ny anarako.

3 Koa mandidy anao Aho handefa ny teniko any ivelany sy hikarakara manokana ny afianakavianao hatramin’izao fotoana izao, hatrizao ary mandrakizay. Amena.