Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130


Fizarana 130

Ireo lafim-pampianarana nomen’i Joseph Smith Mpaminany tao Ramus, Illinois, ny 2 aprily 1843.

1–3, Mety hiseho manokana amin’ny olona ny Ray sy ny Zanaka; 4–7, Mitoetra any amin’ny tontolo selestialy ny anjely; 8–9, Ny tany selestialy dia ho Orima sy Tomima lehibe; 10–11, Omena vato fotsy ireo rehetra izay miditra ny tontolo selestialy; 12–17, Ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany dia notanana tsy ho fantatry ny Mpaminany; 18–19, Ny faharanitan-tsaina azontsika teo amin’izao fiainana izao dia hiara-hitsangana amintsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; 20–21, Ny fitahiana rehetra dia avy amin’ny fankatoavana ny lalàna; 22–23, Manana vatana nofo sy taolana ny Ray sy ny Zanaka.

1 Rehefa ahiseho ny Mpamonjy dia ho hitantsika araka ny maha-Izy Azy tokoa Izy. Ho hitantsika fa bolona tahaka antsika Izy.

2 Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ny avoninahitra mandrakizay, dia voninahitra izay tsy ananantsika ankehitriny.

3 Jaona 14:23—Ny fisehoan’ny aRay sy ny bZanaka eo amin’io andininy io dia dfisehoana mivantana; ary ny fiheverana fa ny Ray sy ny Zanaka dia ehonina ao am-pon’ny olona dia fiheveran’ny antokom-pivavahana tranainy sady diso.

4 Ho valin’ny fanontaniana hoe: Moa va ny fikajiana ny afotoanan’ Andriamanitra, ny fotoanan’ny anjely, ny fotoanan’ny mpaminany ary ny fotoanan’ny olona, miankina amin’ny planeta izay onenany?

5 Dia valiako hoe: Eny. Saingy tsy misy aanjely izay miahy ny tany afa-tsy ireo izay an’ny tany na efa tety an-tany.

6 Tsy monina amin’ny planeta toy ity tany ity ireo anjely;

7 Fa izy ireo dia monina eo anatrehan’ Andriamanitra, amin’ny bola toy ny aranomasina fitaratra sy bafo, izay eo amin’izany no aharihary ny zava-drehetra, ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy, ho voninahitr’izy ireo, ary eo anoloan’ny Tompo mandrakariva izany.

8 Ny toerana izay onenan’ Andriamanitra dia aOrima sy Tomima lehibe.

9 Ity atany ity, amin’ny toetrany nohamasinina sy tsy mety maty, dia hatao mitovy amin’ny vatomazava, ary izany dia ho Orima sy Tomima izay hampiharihariana amin’ireo izay monina eo aminy ny zava-drehetra mikasika ny fanjakana ambany na ireo fanjakana amin’ny lamina ambanimbany kokoa; ary ho fananan’i Kristy ity tany ity.

10 Amin’izay ny vato fotsy voalazan’ny Apôkalipsy 2:17, ho an’ny olona tsirairay izay mahazo anankiray, dia ho lasa Orima sy Tomima izay hampahafantarana ny zavatra mikasika ireo fanjakana ambony lamina kokoa;

11 Ary ny tsirairay amin’ireo izay tonga ao amin’ny fanjakana selestialy dia omena avato fotsy iray misy banarana vaovao voasoratra, izay tsy misy olona mahafantatra afa-tsy ilay mandray izany. Ilay anarana vaovao no teny fanalahidy.

12 Izaho dia mamin’ny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, fa ny fiandohan’ny afahasarotana izay hahatonga fandatsahan-dra be, mialoha ny fiavian’ny Zanak’Olona, dia hitranga ao bSouth Carolina.

13 Toa noho ny resaka fanandevozana hitrangan’izany. Izany no nolazain’ny feo tamiko fony aho nivavaka tamin-kafanam-po momba izany ny 25 desambra 1832.

14 Indray maka dia tena nivavaka tamin-kafanam-po tokoa aho mba hahafantatra ny fotoana ahiavian’ny Zanak’Olona raha nandre feo namerina izao manaraka izao:

15 Ry Joseph, zanakalahiko, raha velona hatrany amin’ny fahadimy amby valopolon’ny taonanao ianao dia hahita ny tavan’ny Zanak’Olona; koa aoka ho ampy izay ary aza manelingelina Ahy intsony momba izany raharaha izany.

16 Dia navela toy izany aho, tsy afaka namantatra raha toa io fiaviana io ka mifandray amin’ny fanombohan’ny arivotaona, na amin’ny fisehoana mialoha, na raha toa ho faty aho ary dia hahita ny tavany.

17 Mino aho fa tsy hitranga mialohan’izany fotoana izany ny fiavian’ny Zanak’Olona.

18 Na toy inona na toy inona ny afaharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny bfitsanganana amin’ny maty.

19 Ary raha mahazo afahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa noho ny iray hafa ny olona iray, eo amin’izao fiainana izao, noho ny bfahazotoany sy ny dfankatoavany, dia hanana etombony mifanentana amin’izany izy any amin’ny tontolo ho avy.

20 Misy alalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, btalohan’ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ny dfitahiana rehetra—

21 Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany.

22 Ny aRay dia manana bvatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny dFanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy, fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina.

23 Mety handray ny aFanahy Masina ny olona, ary mety hidina eo aminy izany fa tsy hiara-mitoetra aminy.