Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132


Fizarana 132

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Nauvoo, Illinois, noraketina ny 12 jolay 1843, momba ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, ahitana ny maha-mandrakizay ny fanekempihavanan’ny fanambadiana, ary ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Na dia tamin’ny taona 1843 aza no noraketina an-tsoratra ity fanambarana ity, dia misy porofo maneho fa ny sasany amin’ireo fitsipika ao anatin’ity fanambarana ity dia efa tany amin’ny taona 1831 no nahafantaran’ny Mpaminany azy. Jereo ny Filazana Ôfisialy 1.

1–6, Azo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ny fisandratana; 7–14, Soritsoritana ireo teny sy fepetran’ilay fanekempihavanana; 15–20, ny fanambadiana selestialy sy ny fanohizana ny firaisan’ny fianakaviana dia hahatonga ny olona ho andriamanitra; 21–25, Ny lalana ety sy tery dia mitondra mankamin’ireo fiainana mandrakizay; 26–27, Omena ny lalàna mikasika ny fanevatevana ny Fanahy Masina; 28–39, Atao amin’ireo mpaminany sy Olomasina amin’ny vanim-potoana rehetra ireo fampanantenana ny hitombo mandrakizay sy ny hisandratra; 40–47, Omena an’i Joseph Smith ny fahefana hamatotra sy hifehy ety an-tany sy any an-danitra; 48–50, Fehezin’ny Tompo eo amboniny ny fisandratany; 51–57, Nanarina i Emma Smith mba ho mahatoky sy marina; 58–66, Soritsoritana ireo lalàna momba ny fampakarana vady maro.

1 Toy izao marina no lazain’ny Tompo aminao ry Joseph mpanompoko, satria efa nangatahinao Tamiko ny hahafantatra sy hahatakatra ny antony izay nanamarinako, Izaho Tompo, ireo mpanompoko isany, Abrahama, Isaka ary Jakoba, ary koa Mosesy, Davida ary Solomona, izay mpanompoko, raha ny mikasika ny fitsipika sy ny fotopampianarana tamin’ny nananany avady sy vaditsindrano maro—

2 Indro, ka jereo, Izaho dia Tompo Andriamanitrao ary hamaly anao momba ity resaka ity.

3 Koa aomano ny fonao handray sy hankatò ny torolalana izay efa homeko anao; fa ireo rehetra izay efa manana izany lalàna izany nambara taminy dia tsy maintsy mankatò izany.

4 Fa indro, ambarako aminareo ny afanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay; ary raha tsy mandray izany ianareo dia bvoaheloka; fa tsy misy afaka dmitsipaka izany fanekempihavanana izany nefa avela hiditra ao amin’ny voninahitro.

5 Fa izay rehetra te hahazo afitahiana eo an-tanako dia handray ny blalàna izay voatendry ho an’izany fitahiana izany sy ireo fepetrany izay najoro talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.

6 Ary raha ny mikasika ny afanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, izany dia najoro ho fahafenoan’ny bvoninahitro; ary izay mandray amin’ny fahafenoany dia tsy maintsy sy tokony handray ny lalàna, fa raha tsy izany dia hohelohina izy, hoy ny Tompo Andriamanitra.

7 Ary lazaiko aminareo marina tokoa fa ireo afepetran’izany lalàna izany dia izao: ireo fanekempihavanana rehetra, fifanekena, fifanarahana, adidy, bfianianana, voady, fanatanterahana, fifandraisana, fikambanana na fiandrasana, ka tsy atao sy tsy efaina ary tsy dfehezin’ny eFanahy Masin’ny fampanantenana ho amin’ny fotoana sy mandrakizay amin’ny alalan’ilay voahosotro, araka ny fomba masina indrindra, amin’ny alalan’ny ffanambarana sy ny didy, araka ny fanalalanan’ny voahosotro izay efa notendreko eto an-tany mba hihazona izany fahefana izany, (ary notendreko i Joseph mpanompoko mba hihazona izany fahefana izany amin’ny andro farany, ary tsy misy na oviana na oviana, afa-tsy olona iray ihany isaky ny mandeha eto an-tany, no omena izany fahefana izany sy ireo gfanalahidin’io fisoronana io) dia tsy mahefa, tsy manana ny hasiny na manan-kery amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny aoriany; fa ny fifanarahana rehetra izay tsy atao ho amin’io tanjona io dia mifarana rehefa maty ny olona.

8 Indro, ny tranoko dia tranon’ny filaminana, hoy ny Tompo Andriamanitra, fa tsy tranon’ny fifanjevoana.

9 Hoekeko va, hoy ny Tompo, ny afanatitra izay tsy atao amin’ny anarako?

10 Sa horaisiko eo an-tananareo izay tsy anotendreko?

11 Ary hanendry ho anareo va Aho, hoy ny Tompo, raha tsy amin’ny alalan’ny lalàna, dia tahaka Ahy sy ny Raiko ananendry ho anareo talohan’ny nisian’izao tontolo izao?

12 Izaho no Tompo Andriamanitrao; ary omeko anareo izao didy izao—fa tsy misy olona amankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako na amin’ny alalan’ny teniko, dia ny lalàko, hoy ny Tompo.

13 Ary ny zavatra rehetra izay eo amin’izao tontolo izao, na izay nodidin’ny olona, na ny fiandrianana, na ny fanapahana ny hery na ireo zavatra malaza, na inona na inona izany, fa tsy nodidiako na nodidian’ny teniko, hoy ny Tompo, dia hazera ka atsy ho tafajanona rehefa maty ny olona, na amin’ny fitsanganana amin’ny maty na aoriany, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

14 Fa na inona na inona zavatra tafajanona dia amin’ny alalako; ary na inona na inona zavatra tsy amin’ny alalako dia hohozongozonina sy horavana.

15 Koa raha misy lehilahy amanambady vehivavy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy manambady azy amin’ny alalako na amin’ny alalan’ny teniko, ary mifanaiky amin’ny vavy raha mbola eo amin’izao tontolo izao, ary ny vavy amin’ny lahy, ny fifanekeny sy ny fanambadiany dia tsy manan-kery rehefa maty izy ireo ary any ivelan’izao tontolo izao; koa tsy voafehin’ny lalàna izy ireo rehefa any ivelan’izao tontolo izao.

16 Koa rehefa any ivelan’izao tontolo izao izy ireo dia tsy mampaka-bady na avoaka ahampakarina; fa tendrena ho banjely any an-danitra, dia anjely izay mpanompo miahy, mba hiahy ireo izay mendrika ny hivesatra voninahitra tsara lavitra sy safononoka ary mandrakizay.

17 Fa tsy nandray ny lalàko ireny anjely ireny; koa tsy afaka ny hitombo izy ireny fa mitoetra mandrakizay ho manirery sy ho tokan-tena, tsy misy fisandratana, ao amin’ny toetrany voavonjy; ary hatramin’izao dia tsy andriamanitra izy ireny fa anjelin’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay.

18 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, raha manambady vehivavy iray ny lehilahy iray ary manao fifanekena haharitra ny fotoana sy mandrakizay aminy, raha toa izany fifanekena izany tsy amin’ny alalako, na amin’ny alalan’ny teniko, dia ny lalàko, ary tsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana amin’ny alalan’ilay efa nohosorako sy notendreko ho amin’izany hery izany, dia tsy mahefa izany sady tsy manan-kery, rehefa ivelan’izao tontolo izao izy ireo, satria tsy atambatro, na atambatry ny teniko, hoy ny Tompo; rehefa ivelan’izao tontolo izao izy ireo, dia tsy azo raisina any izany, satria misy anjely sy andriamanitra voatendry any, izay tsy azon’izy ireo andalovana; koa tsy afaka mandova ny voninahitro izy ireo; satria ny tranoko dia tranom-pilaminana, hoy ny Tompo Andriamanitra.

19 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, raha toa ny lehilahy iray manambady vehivavy iray amin’ny alalan’ny teniko, dia ny lalàko, ary amin’ny alalan’ny afanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, ary izany dia bfehezin’ny Fanahy Masin’ny dfampanantenana ho azy ireo, amin’ny alalan’ilay voahosotra izay efa notendreko ho amin’izany fahefana izany sy ireo efanalahidin’ity fisoronana ity; ka holazaina amin’izy ireo hoe—Ianareo dia hivoaka amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty, ary raha aorian’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty, dia amin’ny fitsanganana manaraka amin’ny maty; ary handova ireo ffiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery, fizakana, ny avo rehetra sy ny lalina—dia hosoratana ao amin’ny gBokin’ny Fiainana izay an’ny Zanakondry fa tsy hamono olona izy handatsahana ra tsy manan-tsiny, ary raha mitoetra ao amin’ny fanekempihavanako ianareo ary tsy mamono olona handatsahana ra tsy manan-tsiny, dia ho to amin’izy ireo ny zava-drehetra, na inona na inona efa nomen’ny mpanompoko azy ireo haharitra ny fotoana sy mandrakizay; ary hanan-kery tanteraka rehefa any ivelan’izao tontolo izao izy ireo; ary izy ireo dia handalo ireo anjely sy andriamanitra izay apetraka any, hankany amin’ny hfisandratany sy ny voninahiny amin’ny zava-drehetra, araka izay efa nofehezina teo ambonin’ny lohany, dia voninahitra izay ho fahafenoana sy ho fitohizan’ny taranaka mandrakizay mandrakizay.

20 Dia ho andriamanitra izy ireo satria tsy manam-pahataperana; koa izy ireo dia hatrizay ka haharitra mandrakizay satria mitohy; dia ho ambonin’ny rehetra izy ireo, satria hanoa azy ireo ny zava-drehetra. Dia ho aandriamanitra izy ireo satria manana ny bhery rehetra ary manoa azy ireo ny anjely.

21 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy mandray ny alalàko ianareo dia tsy mahatratra izany voninahitra izany.

22 Fa aety ny vavahady ary tery ny blalana izay mitondra mankany amin’ny fisandratana sy ny fitohizam-dpiainana, ary vitsy no mahita izany, satria tsy mandray Ahy ianareo eo amin’izao tontolo izao sady tsy mahafantatra Ahy.

23 Nefa raha mandray Ahy ianareo eo amin’izao tontolo izao dia hahafantatra Ahy, ary horaisinareo ny fisandratanareo; ka any aamin’izay misy Ahy no hisy anareo koa.

24 Izao no ireo afiainana mandrakizay—dia ny mahafantatra an’ilay hany Andriamanitra hendry sy marina sy i Jesoa Kristy izay efa bnirahiny. Izy Aho. Koa raisinareo ny lalàko.

25 aMalalaka ny vavahady ary migodàna ny lalana izay mitondra mankany amin’ny bfahafatesana; ary misy maro izay mandeha mankany satria tsy dmandray Ahy sady tsy mitoetra ao amin’ny lalàko.

26 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha manambady vehivavy iray araka ny teniko ny lehilahy iray ary fehezin’ny aFanahy Masin’ny fampanantenana izy ireo, araka ny tendriko, ary mahavita manota ny lahy na ny vavy ka mandika ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ary manao fanevatevana isan-karazany, ary raha tsy bmahavita vonoan’olona handatsahana ra tsy manan-tsiny izy ireo dia mbola hivoaka amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty ary hiditra ao amin’ny fisandratany; saingy horavana ao amin’ny nofo izy ireo ary dhatolotra ho amin’ny fampijalian’i eSatana mandra-pahatongan’ny andro fanavotana, hoy ny Tompo Andriamanitra.

27 Ny afanevatevana ny Fanahy Masina, izay btsy ho voavela eo amin’izao tontolo izao na ivelan’izao tontolo izao, dia ianareo mahavita mamono olona handatsahana ra tsy manan-tsiny ary manaiky ny fahafatesako rehefa avy nandray ny fanekempihavanako vaovao sy maharitra mandrakizay, hoy ny Tompo Andriamanitra; ary izay tsy mandray izany lalàna izany dia tsy afaka miditra mihitsy ao amin’ny voninahitro fa dhohelohina, hoy ny Tompo.

28 Izaho no Tompo Andriamanitrao ary hanome anao ny lalàn’ny Fisoronako Masina araka izay nandidiako sy nandidian’ny Raiko izany talohan’ny nisian’izao tontolo izao.

29 aAbrahama dia nandray ny zava-drehetra, na inona na inona noraisiny, tamin’ny alalan’ny fanambarana sy ny didy, tamin’ny alalan’ny teniko, hoy ny Tompo, ary efa niditra ao amin’ny fisandratany ka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany.

30 Abrahama dia nandray afampanantenana momba ny taranany sy ny amin’ny nateraky ny kibony—avy ao an-bkibony no niavianao, dia ianao ry Joseph mpanompoko—izay tokony hitohy raha mbola teo amin’izao tontolo izao izy ireo; ary raha ny mikasika an’i Abrahama sy ny taranany, ivelan’izao tontolo izao dia tokony hitohy izy ireo; na eo amin’izao tontolo izao na ivelan’izao tontolo izao, dia tokony hitohy izy ireo, tsy tambo isaina toy ny dkintana; na raha tokony hanisa ny fasiky ny moron-dranomasina ianareo, dia tsy hainareo isaina izany.

31 Izany fampanantenana izany koa dia anareo, satria taranak’i aAbrahama ianareo ary ny fampanantenana dia natao tamin’i Abrahama; ary amin’izany lalàna izany ny fitohizan’ny asan’ny Raiko izay ireharehan’ny tenany.

32 Koa mandehana ianareo ary ataovy ny aasan’i Abrahama; midira ao amin’ny lalàko ianareo dia hovonjena.

33 Fa raha tsy miditra ao amin’ny lalàko ianareo dia tsy afaka mandray ny fampanantenan’ny Raiko, izay nataony tamin’i Abrahama.

34 aNandidy an’i Abrahama Andriamanitra, dia nomen’i bSaraha an’i Abrahama i dHagara ho vadiny. Ary nahoana ravehivavy no nanao izany? Satria izany no lalàna; ary avy tamin’i Hagara no nipoiran’ny vahoaka maro. Koa izany dia anisan’ny nanatanteraka ireo fampanantenana.

35 Koa, moa va i Abrahama teo ambany fanamelohana? Lazaiko aminareo marina tokoa, Tsia; satria Izaho Tompo no anandidy izany.

36 aNodidina i Abrahama hanatitra an’i bIsaka zanakalahiny na dia voasoratra aza hoe: Tsy dhamono olona ianao. Tsy nandà anefa i Abrahama ary nisaina ho efahamarinana ho azy izany.

37 Nandray ireo avaditsindrano i Abrahama, ary ireo dia nanana anaka taminy; ary izany dia nisaina ho fahamarinana ho azy, satria ireo dia nomena azy, ary nitoetra tao amin’ny lalàko izy; dia tahaka an’i Isaka sy i bJakoba koa izay tsy nanao afa-tsy izay nandidiana azy ireo; ary satria izy ireo tsy nanao zavatra hafa afa-tsy izay nandidiana azy ireo dia efa niditra ao amin’ny dfisandratany izy, araka ireo fampanantenana, sy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ary tsy anjely fa andriamanitra.

38 aDavida koa dia nandray vady bmaro sy vaditsindrano, ary koa ireo mpanompoko isany Solomona sy Mosesy, tahaka ireo mpanompoko hafa maro, hatry ny fiandohan’ny fahariana ka hatramin’izao fotoana izao; ary tsy nanota na tamin’inona na tamin’inona izy ireo afa-tsy tamin’ireo zavatra izay tsy noraisiny Tamiko.

39 Ireo vady sy vaditsindranon’i Davida dia anomena azy avy Tamiko, tamin’ny alalan’ny tanan’i Natana mpanompoko sy ireo hafa tamin’ireo mpaminany izay nanana ireo bfanalahidin’ity fahefana ity; ary tsy nisy tamin’ireny zavatra ireny nanotany tamiko afa-tsy tamin’ny raharahan’i dOria sy ny vadiny; koa efa lavo tamin’ny fisandratany izy ary nandray ny anjarany; ary izy dia tsy handova azy ireny, ivelan’izao tontolo izao, fa enomeko ny iray hafa izy ireny, hoy ny Tompo.

40 Izaho no Tompo Andriamanitrao, ary nomeko anao, ry Joseph mpanompoko, ny fanendrena mba ahamerina indray ny zava-drehetra. Angataho izay tianao dia homena anao araka ny teniko izany.

41 Ary satria efa nanontany momba ny fanitsakitsaham-bady ianao, dia lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha mandray andefimandry ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ny lehilahy iray, ary raha miaraka amin’ny lehilahy iray hafa ilay vehivavy, ary tsy notendreko ho azy tamin’ny alalan’ny fanosorana masina izany, dia efa nahavita fanitsakitsaham-bady ravehivavy ary hofongorana.

42 Raha tsy ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ravehivavy ary miaraka amin’ny lehilahy iray hafa dia efa anahavita fanitsakitsaham-bady.

43 Ary raha miaraka amin’ny vehivavy iray hafa ny vadiny nefa efa nanao avoady, dia efa nandrava ny voadiny izy ary nahavita fanitsakitsaham-bady.

44 Ary raha tsy nahavita fanitsakitsaham-bady ravehivavy sady tsy manan-tsiny no tsy nandrava ny voadiny ary fantany izany, ary ambarako anao izany ry Joseph mpanompoko, dia hanana fahefana ianao, amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronako Masina, haka azy ary hanome azy ho an’izay tsy nahavita fanitsakitsaham-bady fa efa anahatoky kosa; fa hatao mpanapaka amin’ny maro izy.

45 Fa efa natolotro anao ireo afanalahidy sy herin’ny fisoronana izay bamerenako indray ny zava-drehetra sy ampahafantarako anao ny zava-drehetra amin’ny fotoana mahamety izany.

46 Ary lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa na inona na inona afehezinao ety an-tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona fatoranao ety an-tany amin’ny anarako sy amin’ny alalan’ny teniko, hoy ny Tompo, dia hofatorana mandrakizay any an-danitra; ary na fahotan’iza na fahotan’iza no bavelanao ety an-tany dia ho voavela mandrakizay any an-danitra; ary na fahotan’iza na fahotan’iza no tananao ety an-tany dia hotanana any an-danitra.

47 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa, na zovy na zovy no tsofinao rano dia hotahiko; ary na zovy na zovy no ozoninao dia ahozoniko, hoy ny Tompo; fa Izaho Tompo no Andriamanitrao.

48 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa ry Joseph mpanompoko, fa na inona na inona omenao ety an-tany, ary na zovy na zovy no nomenao olona ety an-tany, amin’ny alalan’ny teniko sy araka ny lalàko, dia harahina fitahiana fa tsy ozona izany, miaraka amin’ny heriko, hoy ny Tompo, ary tsy hisy fanamelohana ety an-tany sy any an-danitra.

49 Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao ary homba anao na dia hatrany amin’ny afiafaran’izao tontolo izao aza, ary mandrakizay doria; fa lazaiko aminao tokoa, bfeheziko eo amboninao ny dfisandratanao ary omaniko ho anao ao amin’ny fanjakan’ny Raiko ny seza fiandrianana, miaraka amin’i Abrahama erainao.

50 Indro, efa nahita ny afihafianao Aho ary hamela ny fahotanao rehetra; efa nahita ny fihafianao Aho tamin’ny fankatoavanao izay nolazaiko taminao. Koa mandehana ary manao lalana hahafahanao Aho, toy ny bnanekeko ny fanateran’i Abrahama an’i Isaka zanakalahiny.

51 Lazaiko aminao marina tokoa: Didy no omeko an’i Emma Smith mpanompovaviko vadinao, izay efa nomeko anao, mba hahalalany onona ka tsy hakany amin’izay nandidiako anao hatolotra azy; fa nataoko izany, hoy ny Tompo, hisedrana anareo rehetra, tahaka ny nataoko tamin’i Abrahama, mba hahazoako mitaky fanatitra eo an-tananareo, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny sorona.

52 Ary aoka i aEmma Smith mpanompovaviko handray ireo rehetra izay efa nomena an’i Joseph mpanompoko izay tsara toetra sy madio eo anoloako; ary ireo izay tsy madio nefa nilaza fa madio dia hofongorana, hoy ny Tompo Andriamanitra.

53 Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao ary hankatò ny feoko ianareo; ary omeko an’i Joseph mpanompoko ny hatao mpanapaka amin’ny zavatra maro; fa efa anahatoky tamin’ny zavatra vitsy izy ary hatramin’izao dia hampahery azy Aho.

54 Ary Izaho dia mandidy an’i Emma Smith mpanompovaviko handray sy hifikitra amin’i Joseph mpanompoko fa tsy amin’olon-kafa. Fa raha tsy mandray ity didy ity izy dia hofongorana, hoy ny Tompo; fa Izaho no Tompo Andriamanitrao ary hamongotra azy raha tsy mandray ny lalàko izy.

55 Fa raha tsy mandray ity didy ity izy dia i Joseph mpanompoko no hanao ny zavatra rehetra ho azy, toy izay efa nolazainy; ary hitahy azy Aho ka hahamaro azy ary hanome azy avo azato heny eo amin’izao tontolo izao, amin’ny ray sy reny, rahalahy sy anabavy, trano sy tany, andefimandry sy zanaka ary satroboninahitr’ireo bfiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo mandrakizay.

56 Ary ankoatra izany dia lazaiko marina tokoa, aoka ny mpanompovaviko ahamela ny helok’i Joseph mpanompoko; dia ho voavela ny helony izay efa nahameloka azy Tamiko; ary Izaho Tompo Andriamanitrao dia hitahy azy sy hahamaro azy ary hampiravoravo ny fony.

57 Ary ankoatra izany dia lazaiko, aoka tsy hoesorin’i Joseph mpanompoko hiala eo an-tanany ny fananany, fandrao ho avy ny fahavalo ary handrava azy; fa amikatsaka ny hamongotra i Satana; fa Izaho no Tompo Andriamanitrao ary izy dia mpanompoko; ary indro, ka jereo, momba azy Aho toy ny nombako an’i Abrahama rainao, hatrany amin’ny bfisandratany sy ny voninahiny.

58 Ankehitriny, raha ny momba ny lalàn’ny afisoronana, dia misy zavatra maro mikasika izany.

59 Marina tokoa fa raha antsoin’ny Raiko tahaka an’i aAharôna ny lehilahy iray, amin’ny alalan’ny feoko sy amin’ny alalan’ny feon’ilay efa naniraka Ahy, ka efa nanafy azy tamin’ireo bfanalahidin’ny herin’ity fisoronana ity Aho, raha manao zavatra amin’ny anarako sy araka ny lalàko ary araka ny teniko izy dia tsy hahavita fahotana, ary Izaho hanamarina azy.

60 Koa aoka tsy hisy olona haniny an’i Joseph mpanompoko; fa Izaho hanamarina azy; fa hanao ny sorona izay takiko eo an-tanany izy, noho ny fandikan-dalàna nataony, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

61 Ary ankoatra izany, mikasika ny lalàn’ny fisoronana—raha misy lehilahy manambady avirijiny ary maniry hanambady biray hafa, ary manaiky ilay voalohany, ary raha manambady ilay faharoa izy, ary virijiny izy ireo ary tsy nanao voady tamin’ny lehilahy iray hafa, dia voamarina izy; tsy afaka ny hanao fanitsakitsaham-bady izy, satria izy ireo dia omena ho azy; tsy afaka ny hanao fanitsakitsaham-bady amin’izay efa azy fa tsy an’olon-kafa izy.

62 Ary raha manana virijiny folo nomena ho azy tamin’ny alalan’ity lalàna ity izy dia tsy afaka ny hanao fanitsakitsaham-bady, satria izy ireo dia azy ary izy ireo dia omena ho azy; koa voamarina izy.

63 Fa raha misy iray na iray hafa amin’ireo virijiny folo, rehefa nanambady, ka miaraka amin’ny lehilahy iray hafa, dia efa nahavita fanitsakitsaham-bady izy ary hofongorana; fa izy ireo dia omena ho azy mba ahihamaro sy hameno ny tany araka ny didiko, ary mba hahatanteraka ny fampanantenana izay nomen’ny Raiko talohan’ny fanorenana izao tontolo izao sy ho fisandratany any amin’ny tontolo mandrakizay, mba hiterahany ireo fanahin’olombelona; fa ao amin’izany no itohizan’ny basan’ny Raiko, mba ho azo omem-boninahitra Izy.

64 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha misy lehilahy izay mihazona ireo fanalahidin’ity fahefana ity ka manana andefimandry ary mampianatra azy ny lalàn’ny fisoronako mikasika ireo zavatra ireo, dia hino sy hikarakara azy ravehivavy fa raha tsy izany dia hofongorana, hoy ny Tompo Andriamanitrareo; fa hofongorako izy; fa homeko voninahitra ny anarako miaraka amin’ireo rehetra izay mandray sy manaraka ny lalàko.

65 Koa ara-dalàna Amiko, raha tsy mandray izany lalàna izany ravehivavy, ny handraisan-dralehilahy ny zava-drehetra, na inona na inona homeko Izaho Tompo Andriamaniny azy, satria tsy nino ravehivavy sady tsy nikarakara azy araka ny teniko; ary dia manjary mpandika lalàna izy; ary ralehilahy dia afaka amin’ny lalàn’i Saraha izay nikarakara an’i Abrahama araka ny lalàna, fony Aho nandidy an’i Abrahama haka an’i Hagara ho vady.

66 Ary ankehitriny raha ny mikasika izany lalàna izany, dia lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanambara misimisy kokoa aminao aho rahatrizay; koa aoka ho ampy izay raha ny amin’izao fotoana izao. Indro, Izaho no Alfa sy Omega. Amena.