Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138


Fizarana 138

Fahitana nomena ny Filoha Joseph F. Smith tao Salt Lake City, Utah, ny 3 ôktôbra 1918. Tamin’ny lahateniny ho fanokafana ny Isanenimbolan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana faha 89 ny 4 ôktôbra 1918, dia nilaza ny Filoha Smith fa nanana fifandraisana maro tamin’ Andriamanitra izy nandritra ireo volana teo aloha. Anankiray tamin’ireny ilay noraisin’ny Filoha Smith, andro iray talohan’izany, momba ny famangian’ny Mpamonjy ireo fanahin’ny maty raha mbola tao am-pasana ny vatany. Nosoratana taorian’ny fifaranan’ny fihaonambe avy hatrany izany. Ny 31 ôktôbra 1918, dia natolotra hankatoavin’ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ny Filankevitry ny Roambinifololahy ary ny Patriarika izany ary nankatoavin’izy ireo tamin’ny alalan’ny faneken’ny daholobe.

1–10, Nisaintsaina ny asa soratr’i Petera sy ny famangian’ny Tompontsika ny tontolon’ny fanahy ny Filoha Joseph F. Smith; 11–24, Hitan’ny Filoha Smith ny nivorian’ireo olo-marina nodimandry tao amin’ny paradisa sy ny nampianaran’i Kristy azy ireo; 25–37, Hitany ny fomba nandaminana ny fitoriana ny filazantsara teo anivon’ireo fanahy; 38–52, Hitany tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Adama, i Eva ary ny maro tamin’ireo mpaminany masina izay nihevitra ny toetry ny fanahiny alohan’ny fitsanganana amin’ny maty ho toy ny fatorana; 53–60, Ny marina nodimandry amin’izao andro izao dia manohy ny asany ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

1 Ny fahatelon’ny volana ôktôbra, ny taona valo ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, dia nipetraka tao an’efitranoko aho anisaintsaina ny momba ny soratra masina;

2 Sady nieritreritra ny amin’ny asorompanavotana lehibe izay nataon’ny Zanak’ Andriamanitra ho bfanavotana izao tontolo izao;

3 Ary ny afitiavana lehibe sy mahagaga nasehon’ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny fiavian’ny bMpanavotra teo amin’izao tontolo izao;

4 Mba ho azo vonjena amin’ny alalan’ny asorompanavotany sy amin’ny bfankatoavana ny fitsipiky ny filazantsara ny olombelona.

5 Raha mbola revo toy izany aho, dia niverina tany amin’ny asa soratry ny apôstôly Petera ny saiko, tany amin’ireo aolomasina voalohany izay niely patrana eran’i bPonto, i Galatia, i Kapadokia ary ireo faritra hafa any Azia, izay efa nitoriana ny filazantsara taorian’ny fanomboana ny Tompo.

6 Nanokatra ny Baiboly aho ary namaky ny toko fahatelo sy fahefatry ny epistily voalohan’i Petera, ary raha namaky aho dia nampihetsi-po ahy fatratra noho ny teo aloha ireto andininy manaraka ireto:

7 “Fa i Kristy koa aza dia efa nijaly indray mandeha noho ny fahotana, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny Fanahy:

8 “Izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao aan-tranomaizina;

9 “Dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny faharipon’ Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, ka dia novonjena tamin’ny rano izy valo mianaka.” (1 Petera 3:18–20).

10 “Fa noho izao antony izao no nitoriana ny filazantsara koa na dia tamin’izay maty aza: mba hotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy, fa velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ny fanahy.” (1 Petera 4:6.)

11 Raha nisaintsaina ny amin’ireo zavatra izay avoasoratra ireo aho, dia nosokafana ny bmasom-pahatakarako ary dnitoetra tamiko ny Fanahin’ny Tompo, ka hitako ireo vahoakan’ny ematy, na ny kely na ny lehibe.

12 Ary niara-nangonina tamin’ny toerana iray ireo andiana fanahin’ny amarina tsy tambo isaina, izay efa bnahatoky tamin’ny tenivavolombelon’i Jesoa, fony izy ireo tao amin’ny toetry ny mety maty;

13 Izay efa nanao asorona, nitovy tamin’ny sorona lehibe nataon’ny Zanak’ Andriamanitra, ary efa bniaritra fahoriana tamin’ny anaran’ny Mpanavotra azy.

14 Ireo rehetra ireo dia efa nandao ny toetry ny mety maty, niorina tao amin’ny afanantenana ny bfitsanganana amin’ny maty be voninahitra, amin’ny alalan’ny dfahasoavan’ Andriamanitra eRay sy i Jesoa Kristy fZanaka Lahitokany.

15 Tazako fa heniky ny afifaliana sy ny haravoana izy ireo ary niara-nifaly, satria efa antomotra ny androm-panafahana azy ireo.

16 Nangonina izy ireo hiandry ny fiavian’ny Zanak’ Andriamanitra ao amin’ny atontolon’ny fanahy, mba hanambara ny fanavotana azy ireo amin’ny bfamatoran’ny fahafatesana.

17 Ny vovoka matoriny dia ahaverina indray amin’ny endriny tanteraka, ny btaolana amin’ny taolany, ary ny hozatra sy ny nofo amin’ny taolana, ny dfanahy sy ny vatana dia hatambatra ka tsy hosarahina na oviana na ovina intsony, mba hahazoany mandray ny fahafenoan’ny efifaliana.

18 Raha mbola niandry sy nitafa ity vahoaka sesehena ity, nifaly tamin’ny oran’ny fanafahana azy tamin’ny gadran’ny fahafatesana, dia niseho ny Zanak’ Andriamanitra, nitory afanafahana tamin’ireo babo izay efa nahatoky;

19 Ary tao Izy no anitory taminy ny bfilazantsara maharitra mandrakizay, ny fotopampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny dfanavotana ny olombelona amin’ny fahalavoana sy amin’ny fahotan’ny tsirairay raha toa ka emibebaka izy.

20 Fa tany amin’ny aolon-dratsy Izy no tsy nandeha, ary tany anivon’ireo tsy an’ Andriamanitra sy tsy nibebaka, izay bnandoto ny tenan’izy ireo fony tao amin’ny nofo, no tsy nanandratana ny feony;

21 Ary ireo mpikomy izay efa nitsipaka ireo tenivavolombelona sy fampitandreman’ireo mpaminany fahiny dia tsy nahita azy mifanatrika na nijery ny tavany.

22 Tany amin’izay nisy azy ireo dia nanjaka ny ahaizina, fa teo anivon’ny marina kosa dia nisy bfiadanana;

23 Ary ireo olomasina dia nifaly tamin’ny afanavotana azy ireo ka nampilefitra blohalika ary nanaiky ny Zanak’ Andriamanitra ho mpanavotra sy mpanafaka azy ireo amin’ny fahafatesana sy ny dgadran’ny helo.

24 Namirapiratra ny tavan’izy ireo, ary ny afamirapiratana avy amin’ny fanatrehana ny Tompo dia nitoetra tamin’izy ireo, ary izy ireo dia bnihira fiderana ho an’ny anarany masina.

25 Talanjona aho satria azoko fa ny Mpamonjy dia nandany sahabo ho telo taona tamin’ny asa fanompoany teo anivon’ny Jiosy sy ireo ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely, niezaka ny nampianatra azy ireo ny filazantsara maharitra mandrakizay sy ny hiantso azy ireo ho amin’ny fibebahana;

26 Kanefa, na dia teo aza ny asa maheriny sy ny fahagagany ary ny filazana ny marina tamin’ny ahery sy ny fahefana lehibe, dia tsy nisy afa-tsy olom-bitsy no nihaino ny feony sy nifaly teo anatrehany ary nandray teo an-tanany ny famonjena.

27 Fa ny asa fanompoany teo anivon’izay nodimandry dia voafetran’ny afotoana fohy nihelina teo anelanelan’ny fanomboana Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty;

28 Koa nahavelom-panontaniana ahy ny tenin’i Petera—izay nilazany fa ny Zanak’ Andriamanitra dia nitory tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny faharipon’ Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa—ka niriko ny hahalala ny fomba nahafahany nitory tamin’ireo fanahy ireo ary nahatontosa ny asa nilaina teo anivony tao anatin’ny fotoana fohy toy izany.

29 Ary raha mbola velom-panontaniana aho dia nosokafana ny masoko ary anovelomina ny fahatakarako, ka nahatakarako fa tsy Izy Tompo tenany no nandeha tany anivon’ny olon-dratsy sy ny tsy mpankatò izay efa nitsipaka ny fahamarinana mba hampianatra azy ireo;

30 Fa indro, avy teo anivon’ny olo-marina Izy no nandrindra ny heriny ka nanendry iraka nitafy ahery sy fahefana, ary nandidy azy ireo handeha sy hitondra ny fahazavan’ny filazantsara ho an’ireo izay tao amin’ny bhaizina, dia ho an’ny dfanahin’ny olona rehetra; ary dia toy izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ny maty.

31 Ary ireo iraka voafidy dia nandeha mba hanambara ny aandrom-pankasitrahan’ny Tompo ary hitory bfanafahana amin’ny babo izay voafatotra, dia amin’izay rehetra te hibebaka amin’ny fahotany sy handray ny filazantsara.

32 Dia toy izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay efa amaty tao amin’ny fahotany, btsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ireo mpaminany.

33 Ireo dia nampianarina ny afinoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny bbatisa isoloana tena ho dfamelana ny fahotana, ny efanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana,

34 Ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ny filazantsara, izay nilainy ho fantatra mba hahalany ny tenany, mba ahotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ny fanahy.

35 Ary dia nampahafantarina teo anivon’ny maty izao, na kely na lehibe, ny tsy marina ary koa ny nahatoky, fa ny fanavotana dia efa notontosaina tamin’ny alalan’ny afanaovana sorona ny Zanak’ Andriamanitra teo amin’ny bhazofijaliana.

36 Dia nampahafantarina tamin’izany fa ny Mpanavotra antsika dia nandany ny fotoany nandritra ny fipetrahany tany amin’ny tontolon’ny fanahy, nampianatra sy nanomana ireo fanahy mahatokin’ireo ampaminany izay efa nijoro ho vavolombelony tao amin’ny nofo;

37 Mba hahazoan’izy ireo mitondra ny hafatry ny fanavotana ho any amin’ny maty rehetra, any amin’izay tsy azon’izy tenany haleha noho afikomiany sy ny fandikan-dalàny, mba hahazoan’izy ireo mandre koa ny teniny amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo mpanompony.

38 Anisan’ireo olona lehibe sy mahery izay nivory tamin’ity fivorian-dehiben’ny olo-marina ity i aAdama Ray, ilay Fahagolan’ny Andro ary rain’ny rehetra,

39 Sy i aEva renintsika be voninahitra ary ny maro amin’ireo zanakavaviny mahatoky izay efa niaina nandritra ireo taon-tsamihafa ary nidera an’ Andriamanitra marina sy velona.

40 I aAbela, ilay bmaritiora voalohany, dia teo, ary i dSeta rahalahiny, anankiray amin’ireo mahery, izay nitovy eendrika tanteraka tamin’i Adama rainy.

41 I aNoa, izay nanome fampitandremana ny amin’ny safo-drano; i bSema, ilay dmpisorona avo lehibe; i eAbrahama, ilay rain’ny mpino; i fIsaka; i gJakoba, ary i hMosesy, ilay mpanome lalàna lehibe an’i Isiraely;

42 Ary i aIsaia, izay nanambara tamin’ny faminaniana fa nohosorana ny Mpanavotra mba hanasitrana ny fo torotoro, hitory fanafahana ho an’ny bbabo sy ny famoahana avy ao dan-tranomaizina ho an’ireo izay nifatotra, dia teo koa.

43 Ankoatra izany, i aEzekiela izay nanehoana tamin’ny fahitana ny lohasaha lehibe nisy btaola-maina izay hotafiana nofo ka hivoaka ho fanahy velona indray amin’ny dfitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty;

44 I aDaniela, izay nahita mialoha sy niteny mialoha ny amin’ny fanorenana ny bfanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany, ka tsy horavana na oviana na oviana intsony na homena vahoaka hafa;

45 I aElià, izay niaraka tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitry ny bFiovan-tarehy;

46 Ary i aMalakia, ilay mpaminany izay vavolombelona nanambara ny amin’ny fiavian’i bElia—izay nolazain’i Môrônia koa tamin’i Joseph Smith Mpaminany ny aminy sady nambarany fa tsy maintsy ho avy izy mialoha ny hahatongavan’ny dandro lehiben’ny Tompo, andro lehibe sady mahatahotra—dia teo koa.

47 I Elia Mpaminany dia hamboly ao aam-pon’ny zanaka ireo fampanantenana natao tamin’ny rainy,

48 Izay tandindon’ny aasa lehibe tokony hatao any amin’ireo btempolin’ny Tompo amin’ny dfitantanan’ny fotoam-pahafenoana, ho fanavotana ny maty sy ho efamehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany manontolo ary ho rava tanteraka amin’ny fiaviany.

49 Ireo rehetra ireo sy ny maro hafa, dia ireo ampaminany izay nitoetra teo anivon’ny Nefita ary vavolombelona nanambara ny amin’ny fiavian’ny Zanak’ Andriamanitra, dia nifangaro tamin’ny vahoaka sesehena ary niandry ny fanafahana azy ireo,

50 Satria ny maty dia nihevitra ny fisarahana maharitra eo amin’ny afanahiny sy ny vatany ho toy ny bfatorana.

51 Ireo no nampianarin’ny Tompo, ary nomeny ahery izy ireo mba hivoaka aorian’ny fitsanganany amin’ny maty ka hiditra ao amin’ny fanjakan’ny rainy, ary ao izy ireo no hosatrohina btsy fahafatesana sy dfiainana mandrakizay,

52 Ary hanohy hatrizao ny asany, toy izay efa nampanantenain’ny Tompo, ary ho mpandray anjara amin’ny afitahiana rehetra izay notanana ho fiandry ho an’ireo izay tia Azy.

53 I Joseph Smith Mpaminany sy ny raiko, i Hyrum Smith, i Brigham Young, i John Taylor, i Wilford Woodruff ary ireo fanahy nofinidy hafa izay notanana ho afiandry mba hivoaka amin’ny fotoam-pahafenoana handray anjara amin’ny bfandatsahana ny fototry ny asa lehiben’ny andro farany,

54 Ka anisan’izany ny fanorenana tempoly sy ny fanatontosana ireo ôrdônansy ao amin’izy ireny ho fanavotana ny amaty, dia tao amin’ny tontolon’ny fanahy ihany koa.

55 Hitako fa izy ireo koa dia teo anivon’ireo aolona ambony sy lehibe izay bnofinidy tany am-piandohana mba ho mpanapaka ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra.

56 Na dia talohan’ny nahaterahan’izy ireo aza, dia nandray ny lesona voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy niaraka tamin’ireo maro hafa izy ireo, ary anomanina mba hivoaka amin’ny bfotoana mahamety izany amin’ny Tompo mba hiasa ao amin’ny dtanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona.

57 Hitako fa ireo aloholona mahatoky amin’ity fotoampitantanana ity, rehefa miala amin’ny toetry ny mety maty, dia manohy ny asany amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny fanavotana, amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, eo anivon’ireo izay ao amin’ny bhaizina sy ao amin’ny famatoran’ny fahotana ao amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty.

58 Ny maty izay mibebaka dia ho avoavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo bôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra,

59 Ary rehefa voaloany ny sazin’ny fandikan-dalàny ary avoasasa madio izy ireo dia handray valisoa araka ny basany, fa izy ireo dia mpandova ny famonjena.

60 Dia toy izany ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty nambara ahy, ary mijoro ho vavolombelona aho sady mahalala fa amarina izany fanambarana izany noho ny fitahian’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, izany tokoa. Amena.