Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13


Fizarana 13

Notsongaina avy tamin’ny tantaran’i Joseph Smith izay mitantara ny fanosorana ny Mpaminany sy sy an’i Oliver Cowdery ho amin’ny Fisoronana Aharôna tany akaikin’i Harmony, Pennsylvania, ny 15 mey 1829. Ny fanosorana dia notanterahan’ny tanan’ny anjely iray izay nitono-tena ho i Jaona, dia ilay atao hoe Jaona Mpanao Batisa ihany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanazava ilay anjely, fa izy dia miasa eo ambany fitarihan’i Petera, i Jakoba ary i Jaona, ireo Apôstôly fahiny izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ambony kokoa, izay nantsoina hoe ny Fisoronana Melkizedeka. Nomena an’i Joseph sy i Oliver ny fampanantenana fa amin’ny fotoana mahamety izany dia hotolorana an’io fisoronana ambony kokoa izy ireo. (Jereo fizarana 27:7–8, 12.)

Fanazavana ny fanalahidy sy ny fahefana amin’ny Fisoronana Aharôna.

1 Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no atolorako ny bFisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny danjely sy ny an’ny filazantsaran’ny efibebahana ary ny an’ny fbatisa asitrika ho famelana ny fahotana; ary na oviana na oviana dia tsy hoesorina eto an-tany intsony izany, ambara-panatitry ny gzanakalahin’i Levy fanatitra amim-hpahamarinana ho an’ny Tompo indray.