Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 16


Fizarana 16

Fanambarana nomena an’i Peter Whitmer zanany tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana jona 1829 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 14). Nanjary anankiray tamin’ireo Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna i Peter Whitmer zanany taty aoriana.

1–2, Manerana izao tontolo izao ny sandrin’ny Tompo; 3–6, Ny fitoriana ny filazantsara sy ny famonjena fanahy no zavatra manan-danja indrindra.

1 aMihainoa ry Peter mpanompoko, ary henoy ny tenin’i Jesoa Kristy Tomponao sy Mpanavotra anao.

2 Fa indro miteny aminao mivantana sy amin-kery Aho, fa manerana izao tontolo izao ny sandriko.

3 Ary holazaiko anao izay tsy misy olona mahalala afa-tsy Izaho sy ianao irery—

4 Efa imbetsaka ianao no naniry hahalala Tamiko ny zavatra izay ho manan-danja indrindra aminao.

5 Indro, sambatra ianao noho izany zavatra izany sy noho ny filazana ny teniko izay efa nomeko ho anao araka ny didiko.

6 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao fa ny zavatra izay ho manan-danja indrindra aminao dia ny fitoriana fibebahana amin’ity vahoaka ity, mba hahazoanao mitondra fanahy ho Ahy, mba hahazoanao miara-miala sasatra aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko. Amena.

      • Jereo F&F 15 ho an’ny andininy mitovy.