Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17


Fizarana 17

Fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery, i David Whitmer ary i Martin Harris tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana jona 1829, talohan’ny nahitan’izy ireo ny takelaka misy soratra voasikotra izay nitahiry ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna. Nianaran’i Joseph sy i Oliver Cowdery mpandika sorany avy tamin’ny fandikana ny takelaky ny Bokin’i Môrmôna fa hisy vavolombelona manokana telo hotendrena (jereo Etera 5:2–4; 2 Nefia 11:3; 27:12). Nentanin’ny faniriana avy tamin’ Andriamanitra i Oliver Cowdery, i David Whitmer ary i Martin Harris mba ho izy ireo no ho ireo vavolombelona manokana telo. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ka nomena ity fanambarana ity ho valin’izany tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima

1–4, Amin’ny finoana no hahitan’ny Vavolombelona Telo ireo takelaka sy ireo zavatra masina hafa; 5–9, Vavolombelona manambara ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna i Kristy.

1 Indro lazaiko aminareo fa tsy maintsy miantehitra amin’ny teniko ianareo, ary raha ataonareo amin’ny fo feno finiavana izany, dia ho ahitanareo ireo btakelaka, ary koa ny saron-tratra, ny dsabatr’i Labana, ny eOrima sy Tomima izay nomena ny frahalahin’i Jareda tao an-tendrombohitra, fony izy niresaka gnifanatri-tava tamin’ny Tompo ary ireo hmpanondro lalana mahagaga izay nomena an’i Lehia, fony izy tany an-tany foana tany amoron’ny iRanomasina Mena.

2 Ary amin’ny finoanareo no hahazoanareo mahita ireo, dia ilay finoana izay efa nananan’ireo mpaminany fahiny.

3 Ary rehefa nahazo ny finoana ianareo ary efa nahita azy ireo tamin’ny masonareo dia ahijoro ho vavolombelon’ireo ianareo amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra;

4 Ary izany no hataonareo dia ny mba tsy hahazoana mamongotra an’i Joseph Smith zanany mpanompoko, mba hahazoako manantontosa ny fikasako marina amin’ny zanak’olombelona amin’ity asa ity.

5 Ary hijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahita azy ireo, dia tahaka ny efa nahitan’i Joseph Smith zanany mpanompoko azy ireo; fa tamin’ny heriko no efa nahitany azy ireo ary izany dia noho ny nananany finoana.

6 Ary efa nandika ny aboky izy, dia ilay bampahany izay efa nandidiako azy, ary raha velona koa ny Tomponareo sy ny Andriamanitrareo dia marina izany.

7 Koa efa nahazo ny hery iray ihany sy ny finoana iray ihany ary ny fanomezam-pahasoavana iray ihany amin’ny azy ianareo;

8 Ary raha tanterahinareo ireto didiko farany ireto izay nomeko anareo, dia tsy haharesy anareo ny avavahadin’ny helo; fa ampy ho anareo ny bfahasoavako ary dhasandratra ianareo amin’ny andro farany.

9 Ary Izaho Jesoa Kristy aTomponareo sy Andriamanitrareo no efa niteny izany taminareo, mba hahazoako manantontosa ny fikasako marina amin’ny zanak’olombelona. Amena.