Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18


Fizarana 18

Fanambarana ho an’i Joseph Smith Mpaminany, i Oliver Cowdery ary i David Whitmer, nomena tao Fayette, New York, ny volana jona 1829. Araka ny voalazan’ny Mpampinany ny Mpaminany, ity fanambarana ity dia nampahafantatra “ny fiantsoana ny apôstôly roa ambin’ny folo amin’izao andro farany izao ary koa torolalana momba ny fanorenana ny Fiangonana.”

1–5, Asehon’ny soratra masina ny fomba anorenana ny Fiangonana; 6–8, Mihamasaka ao amin’ny faharatsiana izao tontolo izao; 9–16, Lehibe ny hasarobidin’ny olona; 17–25, Tsy maintsy mitondra ny anaran’i Kristy ny olona mba hahazo famonjena; 26–36, Fanambarana ny antso sy ny asa fitorian’ny Roambinifololahy; 37–39, Tsy maintsy mitady ireo Roambinifololahy i Oliver Cowdery sy i David Whitmer; 40–47, Tsy maintsy mibebaka, atao batisa ary mitandrina ireo didy ny olona, mba hahazoany famonjena.

1 Ankehitriny indro, noho ny zavatra izay efa nirianao ho fantatra avy Amiko ry Oliver Cowdery mpanompoko, dia omeko anao ireto teny ireto:

2 Indro, efa nasehoko anao, tamin’ny alalan’ny Fanahiko, tamin’ny fotoana maro, fa amarina ny zavatra izay efa nosoratanao; koa fantatrao noho izany fa marina ireny.

3 Ary raha fantatrao fa marina ireny, dia indro, omeko anao ny didy mba hianteheranao amin’ny zavatra izay avoasoratra;

4 Fa ao amin’ireny no misy ny zava-drehetra voasoratra momba ny fanorenana ny fiangonako, ny afilazantsarako ary ny bvatolampiko.

5 Koa raha manangana ny fiangonako eo amin’ny fanorenan’ny filazantsarako sy ny vatolampiko ianao, dia tsy haharesy anao ny vavahadin’ny helo.

6 Indro, mihamasaka ao amin’ny faharatsiana aizao tontolo izao; ka tsy maintsy ilaina ny hanairana ny olona ho amin’ny fibebahana, na bJentilisa izy na mpianakavin’i Isiraely.

7 Koa satria efa natao abatisa ianao tamin’ny tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, araka izay efa nandidiako azy, dia efa nahatontosa ny zavatra izay nandidiako azy izy.

8 Ary ankehitriny aza gaga amin’ny efa niantsoako azy ho amin’ny zava-kinendriko, dia zava-kinendry efa fantatro; koa raha amazoto amin’ny bfitandremana ny didiko izy dia dhotahina ka hahazo ny fiainana mandrakizay; ary i eJoseph no anarany.

9 Ary ankehitriny ry Oliver Cowdery, miteny aminao Aho, ary koa amin’i David Whitmer ho fandidiana; fa, indro, mandidy ny olon-drehetra Aho, na aiza na aiza izany, hibebaka, ary miteny aminao Aho toy ny nitenenako tamin’i Paoly aapôstôliko, satria ianareo dia antsoina amin’ilay antso izay niantsoana azy ihany.

10 Tadidio fa lehibe ny ahasarobidin’ny bolona eo imason’ Andriamanitra;

11 Fa indro, ny Tompo aMpanavotra anao dia niaritra bfahafatesana tamin’ny nofo; koa dniaretany ny efangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.

12 Ary efa anitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka bmibebaka izy ireo.

13 Ary akory ny halehiben’ny afifaliany amin’ny olona izay mibebaka!

14 Koa antsoina ianareo ahitory fibebahana amin’ity vahoaka ity.

15 Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra aolona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

16 Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny afanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny bfifalianareo raha dmitondra fanahy maro ho Ahy!

17 Indro, manana ny filazantsarako sy ny vatolampiko ary ny afamonjeko eo anoloanareo ianareo.

18 aAngataho amin’ny banarako ny Ray amin’ny finoana, rehefa mino fa handray ianareo, dia hanana ny Fanahy Masina ianareo, izay maneho ny zavatra rehetra dilain’ny zanak’olombelona.

19 Ary raha tsy manana afinoana, bfanantenana ary dfiantrana ianareo dia tsy afaka manao na inona na inona.

20 aAza mifanditra amin’ireo fiangonana, afa-tsy amin’ny bfiangonan’ny devoly ihany.

21 Ento eo aminareo ny aanaran’i Kristy, ary blazao amin’ny dfahononan-tena ny marina.

22 Ary izay rehetra mibebaka sy aatao batisa amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ary bmaharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena.

23 Indro, Jesoa Kristy no aanarana izay omen’ny Ray, ary tsy misy anarana hafa nomena izay ahafahana mamonjy ny olona;

24 Koa ny olona rehetra dia tsy maintsy mitondra ilay anarana izay omen’ny Ray, satria amin’izany anarana izany no hiantsoana azy ireo amin’ny andro farany;

25 Koa raha tsy fantany ny aanarana izay iantsoana azy, dia tsy afaka ny hanana toerana ao amin’ny bfanjakan’ny Raiko izy.

26 Ary ankehitriny indro, misy hafa izay antsoina mba hanambara ny filazantsarako, na amin’ny aJentilisa na amin’ny Jiosy;

27 Eny, dia roa ambin’ny folo lahy; ary ho mpianatro ny aRoambinifololahy ary hitondra ny anarako izy ireo; ary ny Roambinifololahy dia ireo izay haniry ny hitondra ny banarako amin’ny fo feno finiavana.

28 Ary raha maniry ny hitondra ny anarako amin’ny fo feno finiavana izy ireo dia antsoina handeha aeran’izao tontolo izao hitory ny bfilazantsarako amin’ny dolona rehetra.

29 Ary izy ireo no ireo izay voatokako mba hanao abatisa amin’ny anarako araka izay voasoratra;

30 Ary efa anananareo eo anoloanareo izay voasoratra; koa tsy maintsy manatanteraka izany araka ny teny izay voasoratra ianareo.

31 Ary ankehitriny miteny aminareo Aho ry aRoambinifololahy—Indro, ampy ho anareo ny fahasoavako; tsy maintsy mandeha araka ny hitsiny eo anoloako ianareo ary tsy manota.

32 Ary indro, ianareo no ireo izay voatokako mba ahanokana mpisorona sy mpampianatra; mba hanambara ny filazantsarako baraka ny herin’ny Fanahy Masina izay ao aminareo, ary araka ny dantso sy ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra ho an’ny olona;

33 Ary Izaho Jesoa Kristy Tomponareo sy Andriamanitrareo no efa niteny izany.

34 Ireto ateny ireto dia tsy avy amin’olona na avy amin’ny olona fa avy Amiko; koa hijoro ho vavolombelona ianareo fa avy Amiko ireto fa tsy avy amin’olona;

35 Satria ny afeoko no miteny ireto aminareo; satria omena anareo amin’ny alalan’ny Fanahiko ireto, ary amin’ny heriko no ahafahanareo mifamaky azy ireto; ary raha tsy noho ny heriko dia tsy ho nanana azy ireto ianareo;

36 Koa afaka amijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko.

37 Ary ankehitriny indro, omeko ho anao ry Oliver Cowdery, ary koa ho anao ry David Whitmer, ny hitadiavanareo ny Roambinifololahy izay hanana ny faniriana izay efa noresahiko;

38 Ary amin’ny faniriany sy ny aasany no hahafantaranareo azy ireo.

39 Ary rehefa hitanareo izy ireo dia hasehonareo azy ireo ireto zavatra ireto.

40 Ary handohalika ianareo ka ahitsaoka ny Ray amin’ny anarako.

41 Ary tsy maintsy mitory amin’izao tontolo izao ianareo, manao hoe: Tsy maintsy mibebaka ianareo ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy;

42 Fa tsy maintsy mibebaka ny lehilahy rehetra ary atao batisa, ary tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy sy ny ankizy koa izay efa tonga eo amin’ny taona amaha-tompon’andraikitra.

43 Ary ankehitriny, rehefa avy nandray izao ianareo dia tsy maintsy mitandrina ny adidiko amin’ny zavatra rehetra;

44 Ary amin’ny tananareo no hanaovako asa amahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona, ho bfandresen-dahatra ny maro ny amin’ny fahotany, mba hahatongavany amin’ny fibebahana, mba hahatongavany ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.

45 Koa ny fitahiana izay omeko ho anareo dia aambonin’ny zava-drehetra.

46 Ary rehefa avy nandray izao ianareo, raha tsy atandremanareo ny didiko, dia tsy azo vonjena ao amin’ny fanjakan’ny Raiko ianareo.

47 Indro, Izaho Jesoa Kristy Tomponareo sy Andriamanitrareo ary Mpanavotra anareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, no efa niteny izany. Amena.