Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19


Fizarana 19

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith tao Manchester, New York, tamin’ny fahavaratry taona 1829 angamba. Ao amin’ny tantarany, ny Mpaminany dia nampahafantatra izany hoe “didin’ Andriamanitra fa tsy an’olombelona, ho an’i Martin Harris, nomen’ilay Izy izay Mandrakizay.”

1–3, Manana ny fahefana rehetra i Kristy; 4–5, Tsy maintsy mibebaka na mijaly ny olon-drehetra; 6–12, Famaizana mandrakizay ny famaizan’ Andriamanitra; 13–20, Nijaly ho an’ny rehetra i Kristy mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; 21–28, Torio ny filazantsaran’ny fibebahana; 29–41, Ambarao ny vaovao mahafaly.

1 Izaho no aAlfa sy Omega, bKristy Tompo; eny, Izaho no Izy, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny Mpanavotra izao tontolo izao.

2 Izaho, rehefa nahatontosa sy anahavita ny sitrapon’ilay Izy izay Azy Aho, dia ny Ray, momba Ahy—nanao izany mba hahazoako bmampanoa ny zava-drehetra Amiko—

3 Dia mitana ny ahery rehetra, eny hatramin’ny bfamongorana an’i Satana sy ny asany amin’ny dfiafaran’izao tontolo izao, ary ilay androm-pitsarana lehibe sady farany izay hoentiko ho an’ny mponina eo aminy, ka ehitsara ny olona tsirairay araka ny fasany sy ny ataony izay efa vitany.

4 Ary marina fa ny olona tsirairay dia tsy maintsy amibebaka na bmijaly, fa Izaho Andriamanitra dia dtsisy fiafarana.

5 Koa tsy afoanako ny famaizana izay hampihariko, fa ho tonga ny loza, ny fitomaniana, ny bfidradradradrana ary ny fikitroha-nify, eny, ho an’ireo izay hita eo dankaviako.

6 Na dia izany aza, dia atsy voasoratra fa tsy hanam-pahataperana izany fijaliana izany, fa voasoratra fa bfijaliana tsisy fiafarana izany.

7 Voasoratra koa hoe afanamelohana mandrakizay; koa izany dia hentitra kokoa noho ireo soratra masina hafa, mba hahazoany miasa amin’ny fon’ny zanak’olombelona, mba ho voninahitry ny anarako tanteraka.

8 Koa hohazavaiko aminareo izany mistery izany, fa mety aminareo ny mahafantatra, tahaka ireo apôstôliko.

9 Miteny aminareo izay voafidy ao amin’ity zavatra ity Aho, izay iray ihany, mba hahazoanareo miditra ao amin’ny afitsaharako.

10 Fa indro, ny amisterin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, akory ny halehiben’izany! Fa indro, Izaho dia tsisy fiafarana ary ny famaizana izay omen’ny tanako dia famaizana tsisy fiafarana, satria bTsisy Fiafarana no anarako. Koa—

11 Ny afamaizana mandrakizay dia ny famaizan’ Andriamanitra.

12 Ny Famaizana tsisy fiafarana dia ny famaizan’ Andriamanitra.

13 Koa didiako ianao hibebaka sy hitandrina ireo adidy izay efa noraisinao tamin’ny tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, tamin’ny anarako;

14 Ary tamin’ny heriko tsitoha no efa nandraisanao ireo;

15 Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamely anao amin’ny tsorakazon’ny vavako sy amin’ny fisafoako ary amin’ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay ny afijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

16 Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa anijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy bhahatonga azy ireo hijaly raha dmibebaka;

17 Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy amijaly tahaka Ahy;

18 Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny amba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

19 Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary anovitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona.

20 Koa didiako indray ianao hibebaka, fandrao hanetry anao amin’ny heriko tsitoha Aho; ary ahiaiky ny fahotanao ianao fandrao hiharan’ireo famaizana izay efa noteneniko ireo, izay ny madinika indrindra, eny, ny faran’izay kely indrindra no efa nandramanao tamin’ny fotoana nisintonako ny Fanahiko.

21 Ary mandidy anao Aho ny tsy ahitorianao na inona na inona afa-tsy ny fibebahana, ary baza aseho izao tontolo izao ireto zavatra ireto, raha tsy fahendrena ao Amiko izany.

22 Fa tsy amahatanty hena izy ireo ankehitriny, fa bronono no tsy maintsy sotroiny; koa tsy tokony hahafantatra ireto zavatra ireto izy ireo fandrao ho faty.

23 Mianara Amiko ary henoy ny teniko; amandehana amin’ny bfahalemem-panahiko, dia hanana ny dfiadanana ao Amiko ianao.

24 Izaho no aJesoa Kristy; tonga Aho noho ny sitrapon’ny Raiko, ary ataoko ny sitrapony.

25 Ary koa, mandidy anao Aho ny tsy ahitsiriritanao ny bvadin’ny namanao; na ny hifofonao ny ain’ny namanao.

26 Ary koa, mandidy anao Aho ny tsy hitsiriritanao ny fanananao ihany, fa ny hanomezanao izany malalaka ho fanontana ny Bokin’i Môrmôna, izay mirakitra ny afahamarinana sy ny tenin’ Andriamanitra—

27 Dia ny teniko ho an’ny aJentilisa, mba hahafahan’izany mandeha tsy ho ela ho any amin’ny bJiosy, izay ny Lamanita no dsisa tavela, mba hahazoany mino ny filazantsara, ka tsy hiandrandrany ny hahatongavan’ny eMesia izay efa tonga.

28 Ary koa, mandidy anao Aho ny ahivavahanao bamim-peo avo, ary koa anakampo; eny, eo anoloan’izao tontolo izao ary koa ao amin’ny miafina, ampahibemaso ary koa mitokana.

29 Ary ahanambara vaovao mahafaly ianao, eny, torio eny an-tendrombohitra izany sy eny amin’ny toerana avo rehetra ary any anivon’ny vahoaka rehetra izay havela ho hitanao.

30 Ary hanao izany amim-panetren-tena tanteraka ianao, amitoky Amiko, tsy manebaka ireo mpanebaka.

31 Ary ny amin’ny afoto-pinoana, dia tsy hiteny ianao, fa hambaranao kosa ny fibebahana sy ny bfinoana ny Mpamonjy ary ny dfamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny ebatisa sy amin’ny alalan’ny fafo, eny, dia ny gFanahy Masina.

32 Indro, izany no adidy lehibe sady farany izay homeko anao momba ity raharaha ity; fa ho ampy ho an’ny dianao isan’andro izany, eny, hatrany amin’ny fiafaran’ny fiainanao.

33 Ary fahoriana no ho tojo anao raha ataonao an-tsirambina ireto atorohevitra ireto, eny, dia ny famongorana ny tenanao sy ny fanananao.

34 aOmeo ny ampahany amin’ny fanananao, eny, ny ampahany amin’ny taninao, dia ny rehetra afa-tsy izay ho famelomanao ny fianakavianao.

35 Aloavy ny atrosa izay efa bnaraikitrao tamin’ny mpanota printy. Afaho ny tenanao hiala amin’ny dfatorana.

36 aIlaozy ny tranonao sy ny tokantranonao, raha tsy hoe maniry ny hahita ny fianakavianao ianao;

37 Ary amiresaha malalaka amin’ny rehetra; eny, torio, entano, ambarao ny bmarina, dia amin’ny feo mahery, amin’ny feon’ny hiakam-piravoravoana hoe—Hôsanà, hôsanà, hotahina anie ny anaran’ny Tompo Andriamanitra!

38 aMivavaha mandrakariva, dia bhaidiko aminao ny Fanahiko, ary ho lehibe ny fitahiana anao—eny, mihoatra noho izay mety ho azonao amin’ny rakitsoan’ny tany mbamin’ny fahalovana mifametra aminy aza.

39 Indro, vitanao va ny mamaky ity ka tsy hifaly sy tsy hanandratra ny fonao noho ny hafaliana?

40 Sa vitanao ny mivezika etsy sy eroa toy ny mpitari-dalana jamba?

41 Sa vitanao ny amanetry tena sy ho malemy fanahy ary ny hitondra tena amim-pahendrena tokoa eo anoloako? Eny, bmanatòna Ahy Mpamonjy anao. Amena.