Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23


Fizarana 23

Fanambarana dimy mifanesy nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Manchester, New York, ny volana aprily 1830 ho an’i Oliver Cowdery, i Hyrum Smith, i Samuel H. Smith, i Joseph Smith rainy ary i Joseph Knight rainy. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ary nandray fanambarana iray ho an’ny olona tsirairay ho setrin’ny faniriana nivaivay nananan’ireo olona dimy voalaza anarana ireo hahafantatra ny andraikiny avy.

1–7, Nantsoina hitory, hanentana ary hampahery ny Fiangonana ireo mpianatra voalohany ireo.

1 Indro, milaza teny vitsivitsy aminao Aho ry Oliver. Indro, notahina ianao ary tsy eo ambany fanamelohana. Saingy tandremo ny afiavonavonana, fandrao hiditra ao amin’ny bfakam-panahy ianao.

2 Ampahafantaro ny fiangonana ary koa eo anoloan’izao tontolo izao ny antso anananao, dia hovohana ny fonao hitory ny fahamarinana hatramin’izao ka ho mandrakizay. Amena.

3 Indro, milaza teny vitsivitsy aminao Aho ry Hyrum; fa ianao koa dia tsy eo ambany fanamelohana, ary sokafana ny fonao sy vahana ny lelanao ka ny antso anananao dia ny fanentanana sy ny afampaherezana lalandava ny fiangonana. Koa ny andraikitrao dia ho amin’ny fiangonana mandrakizay, ary izany dia noho ny fianakavianao. Amena.

4 Indro, milaza teny vitsivitsy aminao Aho ry aSamuel; fa ianao koa dia tsy eo ambany fanamelohana, ary ny antso anananao dia ny fanentanana sy ny fampaherezana ny fiangonana; ary ianao dia tsy mbola antsoina hitory eo anoloan’izao tontolo izao. Amena.

5 Indro, milaza teny vitsivitsy aminao Aho ry Joseph; fa ianao koa dia tsy eo ambany fanamelohana, ary ny antso anananao dia ny fanentanana sy ny fampaherezana ny fiangonana; ary izany no andraikitrao hatramin’izao ka ho mandrakizay. Amena.

6 Indro, maneho ny tenako aminao amin’ny alalan’ireto teny ireto Aho ry Joseph Knight, fa tsy maintsy mitondra ny ahazofijalianao ianao, ka amin’izany dia tsy maintsy bmivavaka damim-peo avo eo anoloan’izao tontolo izao, ary koa any amin’ny miafina ianao, ary eo amin’ny fianakavianao sy eo anivon’ny namanao ary amin’ny toerana rehetra.

7 Ary indro, andraikitrao ny amikambana amin’ny fiangonana marina ary ny manome ny teninao ho fanentanana lalandava, mba hahazoanao mandray ny valisoan’ny mpiasa. Amena.