Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26


Fizarana 26

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany, i Oliver Cowdery ary i John Whitmer tao Harmony, Pennsylvania, ny volana jolay 1830 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 24).

1, Nodidiana izy ireo handinika sy hitory ny soratra masina; 2, Nambara ny lalàn’ny faneken’ny rehetra.

1 Indro, lazaiko aminareo fa tsy maintsy atokanareo ny fotoanareo ahandinihina ny soratra masina sy hitoriana ary hampaherezana ny fiangonana ao bColesville sy hanatontosana ny lahasanareo amin’ny tany araka izay ilaina mandra-pandehananareo miankandrefana mba hanao ny fihaonambe manaraka; ary amin’izay dia hampahafantarina anareo izay hataonareo.

2 Ary ny zavatra rehetra ao amin’ny fiangonana dia hotontosaina amin’ny afaneken’ny rehetra, amin’ny vavaka sy ny finoana betsaka, fa ny zavatra rehetra dia horaisinareo amin’ny finoana. Amena.