Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29


Fizarana 29

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany teo anatrehan’ny loholona enina tao Fayette, New York, ny volana septambra 1830. Ity fanambarana ity dia nomena andro vitsivitsy talohan’ny fihaonambe izay nanomboka ny 26 septambra 1830.

1–8, Manangona ny olom-boafidiny i Kristy; 9–11, Mampiditra ny arivotaona ny fiaviany; 12–13, Hitsara an’i Isiraely rehetra ny Roambinifololahy; 14–21, Hialoha lalana ny Fiaviany Fanindroany ny famantarana, ny areti-mandringana ary ny fandravana; 22–28, Handimby ny Arivotaona ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany; 29–35, Ara-panahy ny zava-drehetra ho an’ny Tompo; 36–39, Noroahina hiala avy tany an-danitra ny devoly sy ny miaramilany mba haka fanahy ny olona; 40–45, Nitondra famonjena ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana; 46–50, Voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ny zaza.

1 Henoy ny feon’i Jesoa Kristy Mpanavotra anao, ilay aIzy Aho, lehibe, izay efa bnanonitra ho an’ny fahotanareo ny sandrin’ny dfamindram-pony;

2 Izay ahanangona ny vahoakany toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, dia ireo rehetra izay hihaino ny feoko sy bhanetry ny tenany eo anoloako ary hiantso Ahy amin’ny faherezana mivavaka.

3 Indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa avoavela ny fahotanareo amin’izao fotoana izao, noho izany dia mandray ireto zavatra ireto ianareo; saingy tsarovy ny tsy hanota intsony, fandrao ho avy aminareo ny loza.

4 Lazaiko aminareo marina tokoa fa voafidy avy tamin’izao tontolo izao ianareo mba hanambara ny filazantsarako amin’ny feom-pifaliana, tahaka ny amin’ny afeon’ny trompetra.

5 Asandrato ny fonareo, ary mifalia fa eo aafovoanareo Aho, ary Izaho no bmpisolovavanareo amin’ny Ray; ary efa sitrapony ny hanome anareo ny dfanjakana.

6 Ary araka ny voasoratra hoe—Na inona na inona ahangatahinareo amin’ny bfinoana, amin’ny dfiombonam-bavaka araka ny didiko, dia ho azonareo izany.

7 Ary antsoina ianareo mba hanatanteraka ny afanangonana ny bolom-boafidiko; fa ny olomboafidiko dia dmihaino ny feoko ary tsy manamafy ny efony;

8 Koa efa navoaka ny didy avy amin’ny Ray, fa ahangonina ho amin’ny toerana iray eo ambonin’ity tany ity izy ireo, mba bhanomanana ny fony sy hiomana ho amin’ny zava-drehetra, ho fiatrehana ny andro izay andefasana ny dfahoriana sy ny fandravana amin’ny olon-dratsy.

9 Fa efa akaiky ny ora ary efa antomotra ny andro izay mahamasaka ny tany; ary ny ampirehareha rehetra sy ireo izay manao ratsy dia ho toy ny bvodivary; ary dhodorako ho levona ireo, hoy ny Tompon’ny Maro, mba tsy hisy faharatsiana eto ambonin’ny tany;

10 Fa efa akaiky ny ora, ary izay efa anotenenin’ny apôstôliko dia tsy maintsy tanteraka fa araka izay nolazainy no hahatanteraka izany;

11 Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho, miaraka amin’ny amiaramilany rehetra, ka hitoetra bamim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany darivo taona, ary ny olon-dratsy tsy hahatanty.

12 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ary efa navoaka ho didy hentitra izao, noho ny sitrapon’ny Ray, fa ny aapôstôliko, ny Roambinifololahy izay niaraka tamiko tamin’ny asa fanompoako tao Jerosalema, dia hijoro eo an-tanana ankavanako amin’ny andro fiaviako ao amin’ny andry bafo, miakanjo ny akanjon’ny fahamarinana, misatroka diadema, ao amin’ny dvoninahitra toa Ahy, mba ehitsara ny mpianakavin’i Isiraely iray manontolo, dia izay rehetra efa tia Ahy sy nitandrina ny didiko, fa tsy olon-kafa.

13 Fa haneno maharitra sady mafy ny atrompetra, dia toy ny teo an-tendrombohitra Sinay, ary hihorohoro ny tany manontolo, ary bhivoaka izy ireo—eny, dia ireo dnodimandry izay nodimandry tao Amiko, mba handray ny esatroboninahitry ny fahamarinana sy mba hotafiana ftoa Ahy, mba hiaraka Amiko, ka hahatonga anay ho iray.

14 Nefa indro, lazaiko aminareo fa mialoha ny fahatongavan’izany aandro lehibe izany, dia hohamaizinina ny bmasoandro, ary ny volana hampodiana ho ra, ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary hisy dfamantarana lehibe kokoa eny amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany;

15 Ary hisy fitomaniana sy afidradradradrana eo anivon’ny sarambabem-bahoaka;

16 Ary hisy ahavandra vaventy halatsaka hanimba ny vokatry ny tany.

17 Ary ny zavatra hitranga noho ny faharatsian’izao tontolo izao dia ahamaly faty amin’ny bolon-dratsy Aho, satria tsy te hibebaka izy; satria feno ny kapoaky ny fahavinirako; fa indro, tsy hodiovin’ny drako izy raha tsy mihaino Ahy.

18 Koa Izaho Tompo Andriamanitra dia handefa lalitra eny ambonin’ny tany, izay hifikitra amin’ny mponiny sy hihinana ny nofony ary hahatonga ny olitra hiditra ao aminy;

19 Ary hifatotra ny lelany mba tsy ahitenenany manohitra Ahy; ary ny nofony dia hihintsana hiala amin’ny taolany, ary ny masony amin’ny lohany;

20 Ary ny zavatra hitranga dia ny abiby an’ala sy ny voromanidin’ny habakabaka no hambosibosika azy.

21 Ary ilay fiangonana makadiry sy amaharikoriko, izay bvehivavy janga amin’ny tany manontolo, dia hazeran’ny afo dmidedadeda, araka izay voalazan’ny vavan’i Ezekiela mpaminany izay niteny ny amin’ireto zavatra ireto izay tsy mbola nitranga saingy etsy maintsy mitranga marina tokoa, raha velona koa Aho, satria tsy hanjaka ny fahavetavetana.

22 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa rehefa hifarana ny aarivo taona ary hanomboka indray handà an’ Andriamaniny ny olona, amin’izany dia tsy hamindra fo amin’ny tany afa-tsy bfotoana fohy Aho;

23 Ary ho tonga ny afarany, ary ny lanitra sy ny tany ho foana sy ho blevona, ary hisy lanitra vaovao sy dtany vaovao.

24 Fa ho afoana ny zavatra tranainy, ary ny zava-drehetra dia ho tonga vaovao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy, na ny olona na ny biby, ny voromanidin’ny habakabaka sy ny hazandranon-dranomasina;

25 Ary na dia ny asingam-bolo iray aza, na ny zava-bitika, dia tsy hisy ho very, fa asan’ny tanako izany.

26 Nefa indro, lazaiko aminareo marina tokoa, mialoha ny hahafoana ny tany, dia hitsoka ny atrompetrany i bMikaela darikanjeliko, ary amin’izay dia ehifoha avokoa ireo nodimandry, fa hovohana avokoa ny fasany, ary fhivoaka izy ireo—eny, izy rehetra.

27 Ary ny amarina dia hangonina eo an-tanana bankavanako ho amin’ny fiainana mandrakizay; ary hahamenatra Ahy ny hanana ny ratsy eo an-tanana ankaviako eo anoloan’ny Ray;

28 Koa hoy Aho aminy—aMialà Amiko ianareo voaozona ho any amin’ny bafo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny ddevoly sy ny anjeliny.

29 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminareo fa na oviana na oviana, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, dia tsy nanambara ny vavako fa hiverina izy ireo, fa aizay misy Ahy dia tsy azony aleha satria tsy ananany ny hery.

30 Nefa tsarovy fa tsy omena ny fitsarako rehetra ny olona; ary tahaka ny efa nivoahan’ny teny ny vavako, dia tahaka izany no hahatanteraka azy, ka ny avoalohany ho farany ary ny farany ho voalohany amin’izay zavatra rehetra nohariako tamin’ny herin’ny teniko, dia ny herin’ny Fanahiko.

31 Fa tamin’ny herin’ny Fanahiko no anohariako ireo; eny, ny zava-drehetra na bara-panahy na ara-nofo—

32 Voalohany aara-panahy, faharoa ara-nofo, izay fiandohan’ny asako; ary koa voalohany ara-nofo ary faharoa ara-panahy, izay fiafaran’ny asako—

33 Miteny izany aminareo Aho mba hahatakaranareo mora foana; saingy ho Ahy ny asako dia sady tsy amanam-pahataperana no tsy manam-piandohana; nefa omena anareo izany mba hahatakaranareo, satria nangatahinareo Tamiko izany ary nifanekenareo.

34 Koa lazaiko aminareo marina tokoa fa ho Ahy ny zavatra rehetra dia ara-panahy, ary tsy nisy fotoana nanomezako ho anareo ny lalàna izay ara-nofo; na ho an’ny olona, na ho an’ny zanak’olombelona; na ho an’i Adama rainareo izay nohariako.

35 Indro, nomeko ho azy ny ahisafidy ho an’ny tenany; ary nomeko ho azy ny didy, saingy tsy ara-nofo ny didy nomeko azy, satria ny bdidiko dia ara-panahy fa tsy araka ny toe-tena na ny vatana, na ny nofo na ny filàna.

36 Ary ny zava-nitranga, noho i Adama nalain’ny devoly fanahy—fa indro talohan’i Adama ny adevoly, fa bnikomy Tamiko izy nanao hoe: Omeo ahy ny dvoninahitrao, dia ny eheriko, ary ny fampahatelon’ny gmiaramilan’ny lanitra koa dia naodiny hiala Tamiko noho ny hsafidin’izy ireo;

37 Ary nazera izy ireo ka dia tonga adevoly sy ny banjeliny;

38 Ary indro, misy toerana voavoatra ho azy ireo hatrany am-piandohana, izany toerana izany dia ny ahelo.

39 Ary tsy maintsy ilaina ny ahakan’ny devoly fanahy ny zanak’olombelona, fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hisafidy ho an’ny tenany izy ireo; fa raha tsy manana na oviana na oviana ny bmangidy izy ireo, dia tsy ho hainy ny hahafantatra ny mamy—

40 Koa ny zava-nitranga dia naka fanahy an’i Adama ny devoly, ary nandray tamin’ny avoankazo voarara izy ka nandika ny didy izay nahatonga azy ho eo bambany fifehezan’ny sitrapon’ny devoly, satria nilefitra tamin’ny fakam-panahy izy.

41 Koa Izaho Tompo Andriamanitra dia nanao izay ahandroahana azy hiala ny Saha bEdena, avy teo anatrehako, noho ny fandikan-dalàna nataony izay nahatonga ny dfahafatesana ara-panahiny, dia ny fahafatesana voalohany, dia ilay fahafatesana izay ny efahafatesana farany ihany koa, izay ao amin’ny fanahy, izay hotononina amin’ny olon-dratsy rehefa hiteny Aho hoe: Mialà Amiko ianareo fvoaozona.

42 Nefa indro, lazaiko aminareo fa Izaho Tompo Andriamanitra dia nanome ho an’i Adama sy ho an’ny taranany ny tsy ahahafatesany, raha ny amin’ny fahafatesam-batana, raha tsy efa nirahiko, Izaho Tompo Andriamanitra, ny banjely mba hanambara dfibebahana sy efanavotana aminy amin’ny alalan’ny finoana ny anaran’ny fZanako Lahitokana.

43 Ary dia toy izany no nanendreko, Izaho Tompo Andriamanitra, ny andron’ny afizahan-toetra ho an’ny olona—mba hahazoana, amin’ny alalan’ny fahafatesan’ny nofo, bmanangana azy ao amin’ny dtsy fahafatesana ho amin’ny efiainana mandrakizay, dia izay rehetra hino;

44 Ary ireo izay tsy mino ho amin’ny afanamelohana mandrakizay, fa tsy afaka avotana amin’ny fahalavoam-panahiny izy satria tsy mibebaka;

45 Fa tiany ny haizina noho ny hazavana, ary ratsy ny aasany ka mandray ny bvalin-kasasarany amin’izay tiany hankatoavina izy.

46 Nefa indro, lazaiko aminareo fa aavotana amin’ny alalan’ny Lahitokako ny bankizy madinika hatry ny fanorenana izao tontolo izao.

47 Koa tsy afaka manota izy ireo fa tsy nomena an’i Satana ny hery ahakana fanahy ny ankizy madinika ambara-panombohan’izy ireo ho lasa btompon’andraikitra eo anoloako;

48 Fa omena azy ireo araka izay tiako izany, araka ny sitrapoko, mba hahazoana mitaky zava-dehibe amin’ny arainy.

49 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa na zovy na zovy no manam-pahalalana, moa tsy efa nodidiako hibebaka va?

50 Ary izay tsy manana afahazavan-tsaina, dia andraikitro ny manao araka izay voasoratra. Ary ankehitriny dia tsy hanambara firy aminareo Aho amin’izao fotoana izao. Amena.