Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2


Fizarana 2

Ampahany nalaina tao amin’ny tantaran’i Joseph Smith izay mitantara ny tenin’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph Smith Mpaminany, raha mbola tao an-tranon-drainy tao Manchester, New York, ny Mpaminany, ny harivan’ny 21 septambra 1823. I Môrônia no farany tamin’ireo mpahay tantara maro nifandimby izay nanao ny rakitsoratra izay atolotra ankehitriny an’izao tontolo izao amin’ny anarana hoe ny Bokin’i Môrmôna. (Ampitahao amin’ny Malakia 3:23–24; ary koa ny fizarana 27:9; 110:13–16; sy 128:18.)

1, Hanambara ny fisoronana i Elia; 2–3, Ambolena ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenan’ny ray.

1 Indro, hambarako aminareo ny Fisoronana amin’ny tanan’i aElia mpaminany, mialoha ny fiavian’ny andron’ny Tompo, andro blehibe sy mahatahotra.

2 Ary ahamboleny ao am-pon’ny zanaka ny bfampanantenana natao tamin’ny ray, ary hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka.

3 Raha tsy izany dia hofongorana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.