Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3


Fizarana 3

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana jolay 1828, momba ny fahaverezan’ny sora-tanana 116 takila, dikanteny ampahany voalohany avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nantsoina hoe ny bokin’i Lehia. Tamim-pahalainana no namelan’ny Mpaminany ny hifindran’ireo takila ireo avy eo am-pelatanany ho eo am-pelatanan’i Martin Harris izay efa nanompo toy ny mpitantsoratra nandritra ny fotoana fohy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nomena tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny fanambarana. (Jereo fizarana 10.)

1–4, Hodina mandrakizay ny lalan’ny Tompo; 5–15, Tsy maintsy mibebaka i Joseph Smith fa raha tsy izany dia mamery ny fanomezam-pahasoavana handika teny; 16–20, Mivoaka ny Bokin’i Môrmôna mba hamonjena ny taranak’i Lehia.

1 Ny aasa sy ny fikasana ary ny zava-kendren’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azo foanana.

2 Fa aAndriamanitra tsy mandeha amin’ny lalana miolikolika, ary tsy mitodika any ankavanana na any ankavia Izy ary tsy mivadika amin’izay efa nolazainy, koa mahitsy ny lalany ary hodina mandrakizay ny bdiany.

3 Tsarovy, tsarovy fa tsy ny aasan’ Andriamanitra no voasakana, fa ny asan’ny olona;

4 Fa na dia mety hahazo fanambarana maro aza ny olona iray ary hanan-kery hanaovana asa mahatalanjona maro, kanefa raha amirehareha amin’ny tanjaky ny tenany izy ary manao tsinontsinona ny btorohevitr’ Andriamanitra ka manaraka ny fibaikoan’ny sitrapony sy ny dfilan’ny nofony, dia tsy maintsy lavo izy ary iharan’ny efamalian’ilay Andriamanitra marina.

5 Indro, efa nankinina taminao ireny zavatra ireny, ary akory ny hahentitry ny didy nomena anao; ary tsarovy koa ireo fampanantenana izay efa natao taminao, raha tsy nodikainao izany.

6 Ary indro, impiry akory no efa anandikanao ny didy sy ny lalàn’ Andriamanitra ka efa nanekenao ny bfandresen-dahatry ny olona.

7 Fa indro, tsy tokony ho anatahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao. Na dia ataon’ny olona tsinontsinona aza ny torohevitr’ Andriamanitra ary bamavoiny ny teniny—

8 Dia tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny azanatsipika mirehitra rehetra an’ny bfahavalo; ary dia ho niaraka taminao Izy tamin’ny dfotoan-tsarotra rehetra.

9 Indro, ianao no Joseph, ary ianao dia nofinidy hanao ny asan’ny Tompo, saingy noho ny fandikan-dalàna, raha tsy mitandrina ianao dia ho lavo.

10 Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha amin’izay efa nataonao ka mifanohitra amin’ny didy izay nomeko anao, dia mbola voafidy ihany ianao ary antsoina indray ho amin’ny asa;

11 Raha tsy ataonao izany, dia hafoy tanteraka ianao ka ho tonga tahaka ireo olona hafa ary tsy hanana fanomezam-pahasoavana intsony.

12 Ary fony ianao nanolotra izay efa nanomezan’ Andriamanitra anao fahitana sy hery mba ahandikana teny, dia natolotrao izay masina ho eo an-tanan’ny blehilahy ratsy,

13 Izay efa nanao tsinontsinona ny torohevitr’ Andriamanitra sy efa nandrava ny voady masina indrindra izay natao teo anoloan’ Andriamanitra, ary efa niantehitra tamin’ny fandanjalanjany samirery sy anirehareha tamin’ny fahendreny samirery.

14 Ary izany no antony izay efa namerezanao ny tombontsoanao nandritra ny fotoana fohy—

15 Satria efa navelanao hohitsakitsahina hatrany am-piandohana ny torohevitry ny ampitarika anao.

16 Na dia izany aza anefa dia hitohy ny asako, fa tahaka ny efa nahatongavan’ny fahalalana ny aMpamonjy teo amin’izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny btenivavolombelon’ny Jiosy, dia tahaka izany koa no hahatongavan’ny dfahalalana ny Mpamonjy amin’ny oloko—

17 Ary amin’ny aNefita sy ny Jakôbita ary ny Jôsefita sy ny Zôramita amin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ireo razany—

18 Ary ity atenivavolombelona ity dia ho tonga amin’ny fahalalan’ny bLamanita sy ny Lemoelita ary ny Isimaelita izay dnihemotra tao amin’ny tsy finoana noho ny faharatsian’ny razany izay efa navelan’ny Tompo ehamongotra ireo Nefita rahalahiny noho ny helony sy ny fahavetavetany.

19 Ary noho izao aantony izao indrindra no itehirizana ireny btakelaka ireny izay mirakitra ireto rakitsoratra ireto—mba hahatanteraka ny dfampanantenan’ny Tompo izay nataony tamin’ny olony;

20 Ary mba hahatonga ny aLamanita amin’ny fahalalana ny razany, ary mba hahafahany mahafantatra ny fampanantenan’ny Tompo, ary mba hahafahany bmino ny filazantsara sy dmiantehitra amin’ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy ary ehomem-boninahitra amin’ny alalan’ny finoana ny anarany sy hovonjena amin’ny alalan’ny fibebahany. Amena.