Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30


Fizarana 30

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i David Whitmer, i Peter Whitmer zanany ary i John Whitmer tao Fayette, New York, ny volana septambra 1830, taorian’ny fihaonambe izay naharitra telo andro tao Fayette saingy talohan’ny niparitahan’ny loholon’ny Fiangonana. Tany am-piandohana dia navoaka ho fanambarana telo ity lahatsoratra ity; nakamban’ny mpaminany ho fizarana tokana izany ho an’ny fanontana tamin’ny taona 1835 ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

1–4, Voalevilevy i David Whitmer noho ny tsy fahavarany nanompo tamin’ny fahazotoana; 5–8, Tokony handeha hiaraka amin’i Oliver Cowdery, amin’ny asa fitoriana any amin’ny Lamanita i Peter Whitmer zanany; 9–11, Voantso hitory ny filazantsara i John Whitmer.

1 Indro, lazaiko aminao ry aDavid fa bnatahotra ny olona ianao ka tsy dniantehitra Tamiko araka ny tokony ho nataonao tamin’ny tanjaka.

2 Fa ny sainao dia nirona kokoa tamin’ny zavatry ny atany noho ny tamin’ny zavatra avy Tamiko, Mpanao anao, sy ny asa fanompoana izay efa niantsoana anao; ary tsy nampandry sofina tamin’ny Fanahiko sy tamin’ireo izay napetraka teo amboninao ianao, fa ireo izay tsy nodidiako kosa no naharesy lahatra anao.

3 Koa voatery ianao ihany no hanontany Ahy ary ahieritreritra ny amin’ny zavatra izay efa noraisinao.

4 Ary ao an-tranon-drainao no honenanao ambara-panomezako anao didy hafa. Ary ianao dia hifofotra amin’ny aasa fanompoana ao amin’ny fiangonana sy eo anoloan’izao tontolo izao ary amin’ny faritra manodidina. Amena.

5 Indro, lazaiko aminao ry aPeter fa ianao dia bhandeha hiaraka amin’i Oliver rahalahinao; fa efa tonga ny dfotoana ka ilaina Amiko ny hanokafanao ny vavanao hanambara ny filazantsarako, koa aza matahotra fa emampandria sofina amin’ny teniko sy ny torohevitry ny rahalahinao, izay homeny anao.

6 Ary aoka ianao ho ory amin’ny fahoriany rehetra, ka manandratra mandrakariva ny fonao Amiko amin’ny vavaka sy ny finoana ho fanafahana azy sy anao; fa efa nomeko hery izy hanorina ny afiangonako eo anivon’ny bLamanita.

7 Ary tsy nisy notendreko ho mpanolotsainy eo aamboniny momba ny raharaham-piangonana ao amin’ny fiangonana afa-tsy i Joseph Smith zanany, izay rahalahiny.

8 Koa mampandria sofina amin’ireto zavatra ireto ary mazotoa amin’ny fitandremana ny didiko, dia hotahina ianao mba handray ny fiainana mandrakizay. Amena.

9 Indro, lazaiko aminao ry John mpanompoko, fa hatramin’izao fotoana izao, dia hanomboka ahitory ny filazantsarako toy ny amin’ny bfeon’ny trompetra ianao.

10 Ary ny asanao dia ho ao amin’i Philip Burroughs rahalahinao; ary amin’io faritra manodidina io, eny, na aiza na aiza mety handrenesana anao ambara-pandidiako anao hiala eo.

11 Ary hatramin’izao dia ho ao Ziona ny asanao manontolo, amin’ny fanahinao rehetra; eny, hanoka-bava mandrakariva ho an’ny tombontsoako ianao ary tsy ahatahotra izay mety hataon’ny bolona, fa dmomba anao Aho. Amena.