Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32


Fizarana 32

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson tany Manchester, New York, ny fiandohan’ny volana ôktôbra 1830. Tsapan’ireo loholona ho nahaliana fatratra sady niteraka hetaheta ny momba ny Lamanita izay naminaniana ireo fitahiana nianaran’ny Fiangonana avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Noho izany dia nitalahoany ny hanambaran’ny Tompo ny sitrapony raha toa ka tokony hirahina ho any amin’ireo foko Indiana any Andrefana ireo loholona tamin’izay fotoana izay. Nanaraka izany izao fanambarana izao.

1–3, Voantso i Parley P. Pratt sy i Ziba Peterson hitory amin’ny Lamanita ary hiaraka amin’i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany; 4–5, Tokony hivavaka izy ireo mba hahazoany ny soratra masina.

1 Ary ankehitriny raha ny momba an’i aParley P. Pratt mpanompoko dia indro, lazaiko azy fa raha velona koa Aho, dia tiako hanambara ny filazantsarako izy ary bhianatra Amiko sy ho malemy fanahy ary tsy hiavona am-po.

2 Ary izao no efa notendreko ho azy dia ny ahandehanany miaraka amin’i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany mpanompoko, mankany an-tany foana, any anivon’ny bLamanita.

3 Ary handeha hiaraka amin’izy ireo koa i aZiba Peterson; ary Izaho mihitsy no handeha hiaraka amin’izy ireo ary ho eo bafovoany; ary Izaho no ho dmpisolovavan’izy ireo amin’ny Ray, ary tsy hisy na inona na inona haharesy azy ireo.

4 Ary ahampandry sofina amin’izay efa voasoratra izy ireo ka tsy hikatsaka bfanambarana hafa; ary hivavaka mandrakariva izy ireo mba hahazoako dmamelabelatra izay efa voasoratra amin’ny efahatakarany.

5 Ary hampandry sofina amin’ireto teny ireto izy ireo ka tsy hanamaivana azy, dia hitahy azy ireo Aho. Amena.