Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35


Fizarana 35

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao an-tanàna na tao akaikin’ny tanànan’i Fayette, New York, ny volana 7 desambra 1830. Nisahana ny fanaovana ny fandikana ny Baiboly saika isan’andro ny Mpaminany tamin’io fotoana io. Natomboka tany amin’ny volana jona 1830 ny fandikana ary samy natao mpitantsoratra na i Oliver Cowdery na i John Whitmer. Noho izy ireo efa nantsoina ho amin’ny andraikitra hafa ankehitriny dia nantsoina tamin’ny alalan’ny fanendren’ Andriamanitra i Sidney Rigdon mba hatao mpitantsoratry ny mpaminany tamin’io asa io (Jereo ny andininy 20). Tao amin’ny sasin-tenin’ny rakitsorany momba ity fanambarana ity dia milaza ny tantaran’i Joseph Smith hoe: “Tonga [avy tany Ohio] i Sidney Rigdon tamin’ny volana desambra mba hanontany ny Tompo, ary niara-tonga taminy i Edward Patridge. … Fotoana fohy taorian’ny fahatongavan’ireo rahalahy roa ireo, dia niteny toy izao ny Tompo.”

1–2, Ny fomba mety hahatonga ny olona ho zanak’ Andriamanitra; 3–7, Nantsoina mba hanao batisa sy hanolotra ny Fanahy Masina i Sidney Rigdon; 8–12, Tanterahina amin’ny finoana ireo famantarana sy fahagagana; 13–16, Hively ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahy ny mpanompon’ny Tompo; 17–19, Nihazona ny fanalahidin’ireo mistery i Joseph Smith; 20–21, Hahatanty ny andro hiavian’ny Tompo ny olom-boafidy; 22–27, Ho voavonjy i Isiraely.

1 Henoy ny feon’ny aTompo Andriamanitrao, dia ny bAlfa sy ny Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, izay hodina mandrakizay ny dlalany, etsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

2 Izaho no Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, izay anohomboana noho ny fahotan’izao tontolo izao, mba hahatonga izay rehetra bmino ny anarako ho dzanak’ Andriamanitra, ho eiray ato Amiko tahaka Ahy firay ao amin’ny Ray, tahaka ny Ray iray ato Amiko, mba hahatonga anay ho iray.

3 Indro, lazaiko amin’i Sidney mpanompoko marina tokoa, efa nozahako ianao sy ny asanao. Efa reko ny fivavakao ary efa nomaniko ho amin’ny asa lehibe kokoa ianao.

4 Hotahina ianao fa hanao asa lehibe. Indro, efa nalefa hialoha lalana tahaka an’i aJaona ianao, mba hanamboatra ny lalana eo anoloako, ary talohan’i bElia izay ho avy, ary tsy fantatrao izany.

5 Nanao batisa tamin’ny rano ho amin’ny fibebahana ianao, saingy tsy anandray ny Fanahy Masina izy ireo;

6 Nefa ankehitriny dia omeko anao ny didy hanaovanao abatisa amin’ny rano, dia handray ny bFanahy Masina amin’ny alalan’ny dfametrahan-tanana izy ireo, tahaka ireo apôstôly fahiny.

7 Ary ny zavatra hitranga dia hisy asa lehibe eo amin’ny tany, dia any anivon’ny aJentilisa, fa habaribary eo imason’ny olona rehetra ny fahadalany sy ny fahavetavetany.

8 Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy afohy ny tanako; ary haneho bfahagagana, dfamantarana ary zava-mahatalanjona amin’ireo rehetra izay emino ny anarako Aho.

9 Ary na zovy na zovy no hangataka izany amin’ny anarako amin’ny afinoana, dia bizy no handroaka ny ddevoly; ehanasitrana ny marary; hampahiratra ny jamba sy hampalady ny marenina, sy hampiteny ny moana ary hampandeha ny kilemaina.

10 Ary avy faingana tokoa ny fotoana izay hanehoana zava-dehibe amin’ny zanak’olombelona;

11 Nefa raha tsy amisy ny finoana, dia tsy hisy na inona na inona haseho afa-tsy ny bfaharavana tamin’i dBabylona, dia ilay efa nampisotro ny firenen-drehetra tamin’ny divain’ny fisafoahana ny efijangajangany.

12 Ary atsy misy olona izay manao ny tsara afa-tsy ireo izay vonona ny handray ny fahafenoan’ny filazantsarako, izay efa nalefako ho an’ity taranaka ity.

13 Koa antsoiko ireo amalemy amin’izao tontolo izao, ireo btsy mahay sy hamavoina mba hively ireo firenena amin’ny herin’ny Fanahiko;

14 Ary ny sandriny no ho sandriko, ary Izaho no ho aampingany sy ho fiarovany; ary hosikinako ny valahany, ka hiady amim-pahasahiana ho ahy ireo; ary ho eo ambanin’ny tongony ny bfahavalony; ary havelako dhianjera ny sabatra noho ny aminy, ary amin’ny eafon’ny fahavinirako no hiarovako azy ireo.

15 Ary hitoriana ny filazantsara ny amahantra sy ny bmalemy fanahy, ary dhiandrandra ny fotoana hiaviako izy ireo fa efa eantomotra izany—

16 Ary hianarany ny fanoharana momba ny aaviavy, fa ankehitriny sahady dia efa antomotra ny lohataona.

17 Ary efa nalefako tamin’ny tanan’i aJoseph mpanompoko ny bfahafenoan’ny filazantsarako; ary tao amin’ny fahalemena no efa nitahiako azy;

18 Ary efa nomeko azy ny afanalahidin’ireo misterin’ny zavatra izay efa bnotehirizina, dia ny zavatra izay nisy hatry ny dfanorenana izao tontolo izao sy ny zavatra izay ho avy hatramin’izao fotoana izao ka hatramin’ny fotoana hiaviako, raha mitoetra ao Amiko izy, fa raha tsy izany dia olona iray hafa no hapetrako eo amin’ny toerany.

19 Koa ambeno izy mba tsy ho lefy ny finoany, ary izany dia homen’ny aMpampionona, ny bFanahy Masina izay mahalala ny zava-drehetra.

20 Ary didy no omeko anao—dia ny ahanoratanao ho azy; ary ny soratra masina dia homena, araka ny maha-izy azy ao an-tratrako, ho famonjena ny bolom-boafidiko;

21 Fa ho reny ny afeoko ary ho hitany Aho, dia tsy hatory izy ireo ary bhahatanty ny andro dhiaviako; fa hodiovina izy ireo tahaka Ahy efa emadio.

22 Ary ankehitriny lazaiko aaminao, mitomoera miaraka aminy, dia handeha hiaraka aminao izy, aza mahafoy azy, dia ho tanteraka marina tokoa ireto zavatra ireto.

23 Ary araha mbola tsy manoratra ianareo dia indro, homena azy ny haminany ary hitory ny filazantsarako ianao sady hitanisa an’ireo bmpaminany masina mba hanamarina ny teniny araka ny hanomezana azy izany.

24 aTandremo avokoa ny didy sy ny fanekempihavanana izay amehezana anareo, dia bhampihorohoroiko ny lanitra ho tombontsoanareo, ka hangovitra i dSatana ary ehifaly eny an-tendrombohitra i Ziona ary hiroborobo;

25 Ary ho avoavonjy i bIsiraely amin’ny fotoana heveriko ho mahamety izany; ary amin’ny dfanalahidy izay efa nomeko no hitarihana azy, ka tsy hania intsony mihitsy izy.

26 Asandrato ny fonareo ary mifalia, fa manakaiky ny afanavotana anareo.

27 Aza matahotra ry ondry vitsy, fa anareo ny afanjakana mandra-piaviko. Indro, bavy faingana Aho. Izany tokoa. Amena.