Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36


Fizarana 36

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Edward Partridge tao akaikin’i Fayette, New York, ny 9 desambra 1830 (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 35). Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa i Edward Partridge no “ohatra ny amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ary anankiray amin’ireo lehilahy lehiben’ny Tompo.”

1–3, Nametra-tanana tamin’i Edward Partridge tamin’ny alalan’ny tanan’i Sidney Rigdon ny Tompo; 4–8, Ny lehilahy tsirairay izay mandray ny filazantsara sy ny fisoronana dia hantsoina handeha sy hitory.

1 Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra, Ilay aMaherin’i Isiraely: Indro, lazaiko aminao ry bEdward mpanompoko fa tahina ianao ary voavela ny fahotanao, ary antsoina ianao hitory ny filazantsarako tahaka ny amin’ny fanenon’ny trompetra;

2 Ary hametraka ny atanako aminao amin’ny alalan’ny tanan’i Sidney Rigdon Aho, dia horaisinao ny Fanahiko, ny Fanahy Masina, dia ny bMpampionona izay hampianatra anao ireo zavatra dmandry fehizay momba ny fanjakana;

3 Ary hotorianao amin’ny feo mafy izany, manao hoe: Hôsanà, hotahina anie ny anaran’ Andriamanitra avo indrindra.

4 Ary ankehitriny dia izao no antso sy didy omeko anao momba ny lehilahy rehetra—

5 Fa izay rehetra ho tonga eo anoloan’i Sidney Rigdon sy i Joseph Smith zanany mpanompoko, ka manaiky izao antso sy didy izao, dia ahatokana sy hirahina bhitory ny filazantsara maharitra mandrakizay any anivon’ireo firenena—

6 Hiantsoantso fibebahana, manao hoe: aVonjeo ny tenanareo hiala amin’ity taranaka maditra ity, ary mivoaha avy ao amin’ny afo, ka ankahalao hatramin’ny bfitafiana voapentina tamin’ny nofo.

7 Ary izany didy izany no homena ho an’ny loholon’ny fiangonako, ka ny lehilahy tsirairay izay hanaiky izany amin’ny fahatsoram-po dia mba ho azo atokana sy irahina araka izay efa noteneniko.

8 Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra; koa sikino ny valahanareo, ary ho avy tampoka ao amin’ny atempoliko Aho. Izany tokoa. Amena.