Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37


Fizarana 37

Fanambarana nomena ho an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao akaikin’i Fayette, New York, ny volana desambra 1830. Omena etoana ny didy voalohany momba ny fanangonana amin’ity fotoampitantanana ity.

1–4, Nantsoina ny Olomasina hiangona ao Ohio.

1 Indro, lazaiko aminareo fa tsy ilaina Amiko ny ahandikanareo teny misimisy kokoa mialoha ny handehananareo any Ohio, ary izany dia noho ny fahavalo sy noho ny aminareo.

2 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo fa tsy handeha ianareo raha tsy efa nitory ny filazantsarako tamin’ireo faritra ireo ary efa nampahery ny fiangonana, na aiza na aiza ahitana izany ary indrindra ao aColesville; fa indro, mivavaka amiko amin’ny finoana fatratra ireo.

3 Ary ankoatra izany dia didy no omeko ny fiangonana fa ilaina Amiko ny hiarahan’izy ireo mivory ao aOhio ho fiatrehana ny fotoana izay hiverenan’i Oliver Cowdery any aminy.

4 Indro, izany no fahendrena, ary aoka ny olona tsirairay ahifidy ho an’ny tenany mandra-piaviko. Izany tokoa. Amena.