Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4


Fizarana 4

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an-drainy, i Joseph Smith rainy tao Harmony, Pennsylvania ny volana febroary 1829.

1–4, Mamonjy ny mpanompon’ny Tompo ny fanompoana amin-kafanam-po; 5–6, Ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahalany azy ireo ho amin’ny asa fanompoana; 7, Tokony hokatsahina ny zavatr’ Andriamanitra.

1 Ankehitriny indro, asa iray amahatalanjona no efa akaiky hitranga eo anivon’ny zanak’olombelona.

2 Koa, Ô ianareo izay mirotsaka amin’ny afanompoana an’ Andriamanitra, ataovy izay bhanompoanareo Azy amin’ny dfo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra, mba hahazoanareo mijoro etsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

3 Koa raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia aantsoina ho amin’ny asa;

4 Fa indro, efa masaka sahady ny aeny an-tsaha mba bhojinjaina. Ary indro, izay mandroso ny antsimbilony amin’ny heriny dia izy no mihary ho amin’ny dho avy mba tsy hahafaty ny tenany, fa mitondra famonjena kosa ho an’ny fanahiny;

5 Ary ny afinoana, ny bfanantenana, ny dfiantrana ary ny efitiavana mbamin’ny fmaso tsy mibanjina afa-tsy ny gvoninahitr’ Andriamanitra no mahalany azy ho amin’ny asa.

6 Tsarovy ny finoana, ny afahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny bfaharetana, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fiantrana, ny dfanetrentena ary ny ezotom-po.

7 aMangataha dia hahazo ianareo; dondony dia hovohana ianareo. Amena.