Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41


Fizarana 41

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, ny 4 febroary 1831. Manome torolalana ny Mpaminany sy ny loholon’ny Fiangonana ity fanambarana ity mba hivavaka hahazoana ny “lalàn’” Andriamanitra (jereo fizarana 42). Vao tonga tao Kirtland avy tany New York i Joseph Smith ary i Leman Copley izay mpikamban’ny Fiangonana tao akaikin’i Thompson, Ohio, “dia nangataka ny Rahalahy Joseph sy i Sidney [Rigdon] … mba hipetraka any aminy dia homeny trano sy vatsy izy ireo.” Ity fanambarana ity dia manazava ny toerana tokony hipetrahan’i Joseph sy i Sidney sy miantso koa an’i Edward Partridge ho eveka voalohan’ny Fiangonana.

1–3, Hitondra ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana ireo loholona; 4–6, Handray sy hitandrina ny lalàn’ny Tompo ny mpianatra marina; 7–12, Notendrena ho evekan’ny Fiangonana i Edward Partridge.

1 Mihainoa sy mandrenesa, ô ianareo ry oloko, hoy ny Tompo sy Andriamanitrareo, finaritra Aho ny amitahy anareo amin’ny lehibe indrindra amin’ny fitahiana rehetra, ianareo izay mihaino Ahy; ary ianareo izay tsy mihaino Ahy, izay efa bnanaiky ny anarako, dia dhozoniko amin’ny mavesatra indrindra amin’ny ozona rehetra.

2 Mihainoa ianareo ry loholon’ny fiangonako, izay efa nantsoiko, indro, omeko anareo ny didy hiarahanareo mivory mba ahifanekenareo amin’ny teniko;

3 Ary amin’ny fivavaky ny finoanareo no handraisanareo ny alalàko, mba hahafantaranareo ny fomba hitondrana ny fiangonako ary hanananareo ny zavatra rehetra araka ny hitsiny eo anoloako.

4 Ary Izaho no ho ampanapaka anareo rehefa bho avy Aho; ary indro, avy faingana tokoa Aho, ary hataonareo izay hitandremana ny lalàko.

5 Izay amandray ny lalàko ary bmanao izany, dia izy no mpianatro; ary izay milaza ho mandray izany nefa tsy manao izany, dia tsy mpianatro izy ka dhoroahina hiala avy eo anivonareo;

6 Fa tsy mety raha ny zavatra izay an’ny zanaky ny fanjakana no homena ho an’ireo izay tsy mendrika, na ho an’ny aalika, na raha ny bvoahanginareo no hatsipy eo anoloan’ny kisoa.

7 Ary ankoatra izany, dia mety ny hampanorenan’i Joseph Smith zanany mpanompoko atrano izay hitoerany sy bhandikany ny teny.

8 Ary ankoatra izany dia mety ny hiveloman’i Sidney Rigdon araka izay hitany fa tsara, raha mbola tandremany ny didiko.

9 Ary ankoatra izany, dia efa niantso an’i aEdward Partridge mpanompoko Aho; ary omeko ny didy mba hatokan’ny feon’ny fiangonana izy ary hatokana ho bevekan’ny fiangonana ka hamela ny fivarotany sy dhandany ny fotoany rehetra amin’ny asan’ny fiangonana;

10 Ka hisahana ny zava-drehetra, araka izay hanendrena izany ho azy ao amin’ireo lalàko, amin’ny andro izay hanomezako azy ireo.

11 Ary izany, dia noho ny fony madio eo anoloako, fa izy dia tahaka an’i aNatanaela fahiny izay tsy misy bfitaka ao aminy.

12 Omena anao ireo teny ireo, ary madio ireo eo anoloako; koa tandremo ny fomba hiheveranao ireo, fa hovaliana amin’ny fanahinao ireo amin’ny andro fitsarana. Izany tokoa. Amena.