Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42


Fizarana 42

Fanambarana nomena indroa miantoana tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 9 sy 23 febroary 1831. Ny ampahany voalohany izay ahitana ny andininy 1 ka hatramin’ny 72 dia noraisina teo anatrehan’ny loholona roa ambin’ny folo ary ho fanatanterahana ny fampanantenan’ny Tompo natao tany aloha, fa ny “lalàna” dia homena any Ohio (jereo ny fizarana 38:32). Ny ampahany faharoa dia ahitana ny andininy 73 ka hatramin’ny 93. Nomarihin’ny Mpaminany fa “mirakitra ny lalàn’ny Fiangonana” ity fanambarana ity.

1–10, Antsoina ireo loholona mba hitory ny filazantsara, hanao batisa an’ireo niova fo ary hanorina ny Fiangonana; 11–12, Tokony hantsoina sy hatokana izy ireo ary tokony hampianatra ny fitsipika ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina; 13–17, Tokony hampianatra sy haminany amin’ny herin’ny Fanahy izy ireo; 18–29, Didina ireo Olomasina tsy hamono olona, tsy hangalatra, tsy handainga, tsy hitsiriritra, tsy hanitsakitsa-bady na hiteny ratsy ny hafa; 30–39, Aroso etoana ny lalàna mifehy ny fanokanana fananana; 40–42, Melohina ny avonavona sy ny fidonanaham-poana; 43–52, Tokony hositranina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy ny finoana ny marary; 53–60, Mifehy ny Fiangonana ny soratra masina ary tokony hotoriana amin’izao tontolo izao; 61–69, Hambara ny toerana hisy an’i Jerosalema Vaovao sy ireo mistery momba ny fanjakana; 70–73, Tokony hampiasaina ho fanohanana ny mpitondra Fiangonana ireo fananana voatokana; 74–93, Aroso etoana ireo lalàna mifehy ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny famonoana olona, ny halatra ary ny fibabohana amin’ny fahotana.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako, izay miara-mivory amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona, ny Mpamonjy izao tontolo izao; satria mino ny anarako ianareo ary mitandrina ny didiko.

2 Lazaiko aminareo indray, mihainoa sy mandrenesa ary ankatoavy ny alalàna izay homeko anareo.

3 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, koa satria efa niara-nivory ianareo, araka ny adidy izay nandidiako anareo, ary mifanaiky bamin’ity zavatra iray ity sy efa nangataka ny Ray tamin’ny anarako, dia handray ianareo.

4 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, omeko anareo izao didy voalohany izao dia ny handehananareo amin’ny anarako, ny tsirairay avy aminareo, afa-tsy i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon mpanompoko.

5 Ary omeko azy ireo ny didy handehanany mandritra ny fotoana fohy, ary homen’ny herin’ny aFanahy ny fotoana hiverenany.

6 Ary handeha atsiroaroa amin’ny anarako ianareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, hitory ny filazantsarako, hanandratra ny feonareo toy ny amin’ny fanenon’ny trompetra, hanambara ny teniko toy ny anjelin’ Andriamanitra.

7 Ary handeha ianareo sady hanao batisa amin’ny rano, manao hoe: Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

8 Ary avy eo amin’ity toerana ity no hiainganareo mankamin’ny faritra andrefana; ary arakaraka ny hahitanareo ireo izay handray anareo no hanorenanareo ny fiangonako amin’ny faritra tsirairay—

9 Mandra-pahatongan’ny fotoana izay hanambarana, avy any ambony, aminareo ny fotoana izay hanomanana ny atananan’i bJerosalema Vaovao, mba hahazoana dmanangona anareo ho iray, mba hahatonga anareo ho eoloko ary Izaho ho Andriamanitrareo.

10 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa i aEdward Partridge mpanompoko dia hisahana ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy. Ary ny zavatra hitranga raha mandika lalàna izy, dia olona biray hafa no hotendrena eo amin’ny toerany. Izany tokoa. Amena.

11 Ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa tsy homena na iza na iza ny handeha ahitory ny filazantsarako na ny hanorina ny fiangonako, raha tsy bnatokan’ny olona izay manana dfahefana izy sady fantatry ny fiangonana fa manana fahefana ary efa natokan’ny lohan’ny fiangonana araka ny fitsipika.

12 Ary ankoatra izany, ny aloholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin’ity fiangonana ity dia bhampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny dBaiboly sy ny eBokin’i Môrmôna izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny ffilazantsara.

13 Ary hotandreman’izy ireo ny afanekempihavanana sy ny toromariky ny fiangonana ka harahiny, ary ireo no hampianariny araka izay hitarihan’ny Fanahy azy ireo.

14 Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny afivavaky ny finoana; ary raha tsy mandray ny bFanahy ianareo dia tsy hampianatra.

15 Ary izany rehetra izany no hotandremanareo mba hatao araka izay efa nandidiako momba ny fampianaranareo, ambara-panomezana ny fahafenoan’ny asoratra masina.

16 Ary rehefa hanandratra ny fonareo amin’ny alalan’ny aMpampionona ianareo dia hiteny sy haminany araka izay heveriko ho mety;

17 Fa indro, mahalala ny zava-drehetra ny Mpampionona sady vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka.

18 Ary ankehitriny indro, miteny amin’ny fiangonana Aho. Ianao dia tsy ahamono olona, ary izay bmamono olona dia tsy hahazo famelana eo amin’izao fiainana izao na any amin’ny fiainana ho avy.

19 Ary lazaiko indray, ianao dia tsy hamono olona; fa izay mamono olona dia ho afaty.

20 Ianao dia tsy ahangalatra; ary izay mangalatra ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

21 Ianao dia tsy ahandainga; izay mandainga ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

22 Ianao dia ho atia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka bhifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa.

23 Ary izay mijery vehivavy ka amitsiriritra azy dia handà ny finoana ka tsy hanana ny Fanahy; ary raha tsy mibebaka izy dia horoahina hiala.

24 Ianao dia tsy ahanitsakitsa-bady; ary izay manitsakitsa-bady ka tsy mibebaka dia horoahina hiala.

25 Nefa izay efa nanitsakitsa-bady ka amibebaka amin’ny fony manontolo, ary mahafoy izany ka tsy manao izany intsony, dia bhavelanao heloka;

26 Nefa raha manao izany aindray izy dia tsy ho voavela heloka fa horoahina kosa hiala.

27 Ianao dia tsy ahiteny ratsy ny namanao na hanisy ratsy azy.

28 Fantatrao fa ny lalàko momba ireo zavatra ireo dia omena ao amin’ny soratro masina; izay manota ka tsy mibebaka dia ahoroahina hiala.

29 Raha atia Ahy ianao dia bhanompo Ahy ary dhitandrina ny didiko rehetra.

30 Ary indro, hahatsiaro ny amahantra ianao ary bhanokana, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny soratra izay tsy azo ravana, ny ampahany amin’ny fanananao ka tokony hozarainao ho azy ho dfanohanana azy.

31 Ary rehefa amizara amin’ny fanananao ho an’ny bmahantra ianao, dia Amiko no hanaovanao izany; ary izany dia hapetraka eo anoloan’ny devekan’ny fiangonako sy ny mpanolotsainy, ny roa amin’ireo loholona na mpisorona avo, dia ireo izay hofidiany na efa nofidiany ary enotendrena ho amin’izany tanjona izany.

32 Ary ny zavatra hitranga, rehefa voapetraka eo anoloan’ny evekan’ny fiangonako izany ary rehefa noraisiny ireo tenivavolombelona momba ny afanokanana ny fananan’ny fiangonako ireo hany ka tsy azo esorina amin’ny fiangonana izany, araka ny didiko, dia ho tonga btompon’andraikitra Amiko ny olona tsirairay, ho dmpitandrina ny fananany ihany, na izay efa noraisiny tamin’ny alalan’ny fanokanana fananana, araka izay sahaza ho azy sy ho an’ny eankohonany.

33 Ary ankoatra izany, raha misy aorian’izany fanokanana fananana voalohany izany fananana eo an-tanan’ny fiangonana, na ny olona mpikambana ao aminy, ka mihoatra noho izay ilainy ho fivelomany sady aambiny tokony hatokana ho an’ny eveka, dia hotehirizina izany mba hozaraina ombieny ombieny amin’ireo izay tsy manana, ka ny olona tsirairay izay sahirana dia mba ho ampy vatsy sy handray araka izay ilainy.

34 Koa ny ambiny dia hotehirizina ao an-trano fitehirizako, mba hozaraina ho an’ny mahantra sy ny sahirana araka izay hotapahin’ny filankevitra avo ao amin’ny fiangonana, ary ny eveka sy ny filankeviny;

35 Ary mba hividianana tany ho an’ny tombontsoa iombonana ao am-piangonana, sy hanorenana trano fiderana ary hanorenana an’i aJerosalema Vaovao izay hambara rahatrizay—

36 Mba ho azo angonina ho iray ny olon’ny fanekempihavanako amin’ilay andro izay ahiaviako ao amin’ny btempoliko. Ary izany no ataoko dia ho famonjena ny oloko.

37 Ary izao no zavatra hitranga, fa izay manota ka tsy mibebaka dia ahoroahina hiala amin’ny fiangonana ary tsy hahazo intsony izay efa bnatokany ho an’ny mahantra sy ny sahirana ao amin’ny fiangonako, na amin’ny teny hafa, ho Ahy—

38 Fa araka izay aataonareo amin’ny kely indrindra amin’ireto no ataonareo Amiko.

39 Fa izao no zavatra hitranga, izay noteneniko tamin’ny vavan’ny mpamin’nyniko dia ho tanteraka; fa Izaho hanokana amin’ny haren’ireo izay manaiky ny filazantsarako any anivon’ny Jentilisa ho an’ny mahantra amin’ny oloko izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

40 Ary ankoatra izany, dia tsy ahiavonavona ao am-ponao ianao, aoka ny bfitafianao rehetra ho tsotra ary ny hatsarany dia ny hatsaran’ny asan’ny tananao ihany.

41 Ary aoka ny zava-drehetra hatao amin’ny fahadiovana eo anoloako.

42 Tsy ahidonanaha-poana ianao; fa izay midonanaha-poana dia tsy hihinana ny mofo na hanao ny fitafian’ny mpiasa.

43 Ary na zovy na zovy no amarary eo anivonareo ary tsy manam-pinoana ny ho sitrana, nefa mino, dia amin’ny fanambatambazana fatratra no hamahanana azy raokandro sy hani-maivana, ary izany dia tsy amin’ny tanan’ny fahavalo.

44 Ary loholon’ny fiangonana roa na telo no hantsoina ka hivavaka sy ahametra-tanana aminy amin’ny anarako; ary raha maty izy dia ho bfaty ho Ahy, ary raha velona izy dia ho velona ho Ahy.

45 Ianareo dia ahiara-honina bamim-pitiavana, ka dhitomany ny famoizana an’izay maty, ary indrindra indrindra an’ireo izay tsy manana efanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra.

46 Ary izao no hitranga, fa ireo izay maty ao Amiko dia tsy hanandrana afahafatesana fa ho bmamy aminy izany;

47 Ary ireo izay tsy maty ao Amiko dia lozany fa mangidy ny fahafatesany.

48 Ary ankoatra izany, dia izao no zavatra hitranga fa izay manam-apinoana Ahy mba ho bsitrana, ary tsy dvoatendry ny ho faty, dia ho sitrana.

49 Izay manam-pinoana ny hahita dia hahita.

50 Izay manam-pinoana ny handre dia handre.

51 Ny mandringa izay manam-pinoana ny hitsambikina dia hitsambikina.

52 Ary ireo izay tsy manam-pinoana ny hanao ireo zavatra ireo, nefa mino Ahy, dia manana hery ho tonga azanako; ary raha toa ka tsy dikainy ny lalàko, dia bhozakainao ny fahalemeny.

53 Ianao dia hifototra eo amin’ny toerana misy ny afitantanan-draharahanao.

54 Ianao dia tsy haka ny fitafian’ny rahalahinao; haloanao vola izay horaisinao avy any amin’ny rahalahinao.

55 Ary raha amahazo mihoatra noho izay tokony ho fivelomanao ianao, dia homenao ho an’ny btrano fitehirizako izany mba ho azo atao, araka izay efa nolazaiko, ny zava-drehetra.

56 Hangataka ianao, dia homena, araka izay efa notinendriko, ny asoratra masina, ary bhotehirizina amin’ny toerana azo antoka izany;

57 Ary ilaina ny tokony hanginanao momba izany ka tsy hampianaranao izany ambara-pahazoanao izany feno.

58 Ary omeko didy ianao fa amin’izay no hampianaranao izany ny olon-drehetra; fa izany dia hampianarina ny afirenen-drehetra, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina.

59 Ianao dia haka ny zavatra izay efa noraisinao, izay efa nomena anao ao amin’ny soratra masina ho lalàna, mba ho lalàko hitondrana ny fiangoanako.

60 Ary izay amanao araka ireo zavatra ireo dia ho voavonjy, ary izay tsy manao ireo dia bhohelohina raha manohy izany.

61 Raha mangataka ianao dia handray afanambarana miampy fanambarana, bfahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo dmistery sy ireo ezavatra mitondra fiadanana—izay mitondra ffifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay.

62 Hangataka ianao dia hambara aminao amin’ny fotoana mahamety izany Amiko ny toerana hanorenana an’i aJerosalema Vaovao.

63 Ary indro, izao no zavatra hitranga fa ireo mpanompoko dia hirahina ho any atsinanana sy ho any andrefana, ho any avaratra sy ho any atsimo.

64 Ary na dia ankehitriny aza, aoka izay mandeha ho any atsinanana hampianatra ireo izay hiova fo mba handositra mankany aandrefana, ary izany dia noho izay ho avy eto an-tany sy noho ny btsikombakomba miafina.

65 Indro, hotandremanareo ireo zavatra rehetra ireo, ary ho lehibe ny valisoanareo, fa ianareo no omena mba hahalala ny misterin’ny fanjakana, fa tsy omena ho an’izao tontolo izao ny hahalala izany.

66 Hotandremanareo ny lalàna izay efa noraisinareo ary ho mahatoky ianareo.

67 Ary horaisinareo rahatrizay ireo afanekempihavanan’ny fiangonana, dia izay ho ampy hampiorina anareo, na eto na any Jerosalema Vaovao.

68 Koa, izay tsy ampy afahendrena, aoka izy hangataka Amiko, ary Izaho hanome azy malalaka sady tsy handatsa.

69 Asandrato ny fonareo ary mifalia, fa ianareo no nanomezana ny afanjakana, na amin’ny teny hafa, ny bfanalahidin’ny fiangonana. Izany tokoa. Amena.

70 Ny ampisorona sy ny bmpampianatra dia hanana ny dfitantanan-draharahany tahaka ny mpikambana.

71 Ary ny fianakavian’ny loholona na ny mpisorona avo izay voatendry ho mpanolotsaina manampy ny eveka amin’ny zava-drehetra dia tokony hovelomina avy amin’ny fananana izay anatokana tamin’ny alalan’ny eveka ho an’ny tombontsoan’ny mahantra sy ho an’ireo tanjona hafa, toy izay voalaza teo aloha;

72 Na koa tokony handray tambiny sahaza izy amin’ny fanompoany rehetra, na fitantanan-draharaha izany na zavatra hafa, araka izay azo heverina ho tsara indrindra na araka izay notapahin’ireo mpanolotsaina sy ny eveka.

73 Ary ny eveka koa dia handray ny fivelomany na ny tamby sahaza azy amin’ireo fanompoany rehetra ao am-piangonana.

74 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa na zovy na zovy eo anivonareo no manary ny vadiny noho ny afijangajangana, na amin’ny teny hafa, raha mijoro ho vavolombelona eo anoloanareo amin’ny fietren’ny fo manontolo izy fa izay no mitranga, dia tsy horoahinareo hiala avy eo anivonareo izy;

75 Fa raha mahita olona nandao ny vadiny mba ahanitsakitsa-bady ianareo ary ny tenany mihitsy no fototry ny fahotana, nefa mbola velona ny vadiny, dia bhoroahinareo izy hiala avy eo anivonareo.

76 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa tokony ho amailo sy hitandrina ianareo amin’ny fanadihadiana rehetra, mba tsy handraisanareo ny olona toy izany eo anivonareo raha manambady izy;

77 Ary raha tsy manambady izy dia hibebaka amin’ny fahotany rehetra, fa raha tsy izany dia tsy horaisinareo izy.

78 Ary ankoatra izany, ny olona tsirairay izay ao anatin’ity fiangonan’i Kristy ity dia tokony hiezaka ny hitandrina ny didy rehetra sy ny fanekempihavanan’ny fiangonana.

79 Ary izao no zavatra hitranga fa raha misy olona eo anivonareo ka amamono olona, dia hatolotra sy hoentina araka ny lalàn’ny tany izy; satria tsarovy fa tsy mahazo famelan-keloka izy; ary hoporofoina araka ny lalàn’ny tany izany.

80 Ary izay lehilahy na vehivavy ka manitsakitsa-bady, dia hotsaraina eo anoloan’ny loholona roa na mihoatra avy amin’ny fiangonana izy, ary ny teny rehetra dia ho voaorin’ny vavolombelona roa avy amin’ny fiangonana fa tsy avy amin’ny fahavalo, hiampangana azy; nefa raha misy mihoatra ny roa ny vavolombelona, dia vao mainka tsara.

81 Saingy homelohin’ny vavan’ny vavolombelona roa izy; ary hoentin’ny loholona eo anoloan’ny fiangonana ny raharaha, ka hanangana ny tanany ny fiangonana hiampanga azy, mba ho azo entina araka ny lalàn’ Andriamanitra izy.

82 Ary raha azo atao, dia ilaina ny maha-eo koa ny eveka.

83 Ary dia toy izany no hataonareo amin’ny toe-javatra rehetra ho avy eo anoloanareo.

84 Ary raha misy lehilahy na vehivavy mandroba, dia hatolotra ny lalàn’ny tany izy.

85 Ary raha amangalatra izy dia hatolotra ny lalàn’ny tany.

86 Ary raha amandainga izy dia hatolotra ny lalàn’ny tany.

87 Ary raha manao izay mety ho faharatsiana izy dia hatolotra ny lalàna, dia ny an’ Andriamanitra.

88 Ary raha amanafintohina anao ny brahalahinao na ny anabavinao, dia halainao izy ary hitokana ianareo; ka raha dmibaboka izy, dia hiombona ianareo.

89 Ary raha tsy mibaboka izy dia hatolotrao ny fiangonana, tsy hatolotrao ny mpikambana fa ny loholona kosa. Ary hatao ao anaty fivoriana izany fa tsy eo anoloan’izao tontolo izao.

90 Ary raha manafintohina ny maro ny rahalahinao na ny anabavinao, dia ahanarina eo anoloan’ny maro izy.

91 Ary raha misy olona manafintohina ampahibemaso, dia hanarina ampahibemaso izy mba hahatonga azy ho menatra. Ary raha tsy mibaboka izy dia hatolotra ny lalàn’ Andriamanitra.

92 Raha misy olona manafintohina any amin’ny miafina, dia hanarina any amin’ny miafina izy mba hananany sehatra hibabohana any amin’ny miafina amin’ilay notafintohininy sy amin’ Andriamanitra, mba tsy hahazoan’ny fiangonana maniny azy.

93 Ary dia toy izany no hataonareo amin’ny zava-drehetra.