Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44


Fizarana 44

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Kirtland, Ohio, tamin’ny faramparan’ny volana febroary 1831. Ho fanarahana ny toromarika aroso etoana, dia notapahin’ny Fiangonana ny hisian’ny fihaonambe amin’ny fiandohan’ny volana jona manaraka.

1–3, Tokony hivory amin’ny fihaonambe ny loholona; 4–6, Tokony hiorina araka ny lalàn’ny tany izy ireo ary hikarakara ny mahantra.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo aminareo ry mpanompoko, ilaina Amiko ny hiantsoana miaraka ireo loholon’ny fiangonako avy any atsinanana sy avy any andrefana, ary avy any avaratra sy avy any atsimo, amin’ny taratasy na amin’ny fomba hafa.

2 Ary izao no hitranga fa raha mahatoky izy ireo ary mampihatra ny finoana Ahy, dia halatsako aminy ny aFanahiko amin’ny andro izay hiarahany mivory.

3 Ary izao no hitranga fa handeha hankamin’ny faritra manodidina izy ireo ary ahitory fibebahana amin’ny olona.

4 Ary maro no ahiova fo, hany ka hahazo hery ianareo mba hiorenanareo baraka ny lalàn’olombelona;

5 Mba tsy hananan’ny afahavalonareo hery aminareo; mba ho azo tsimbinina ianareo amin’ny zava-drehetra; mba hahaizanareo mitandrina ny lalàko; mba ho azo tapatapahina ny fatorana tsirairay izay itadiavan’ny fahavalo hamongorana ny oloko.

6 Indro, lazaiko aminareo fa tsy maintsy amamangy ny mahantra sy ny sahirana ianareo ary manamaivana ny fahoriany, mba ho voakarakara izy ireo ambara-pahatongan’ny zavatra rehetra ho vita araka ny lalàko izay efa noraisinareo. Amena.