Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47


Fizarana 47

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtand, Ohio, ny 8 martsa 1831. Nisalasala i John Whitmer tamin’ny voalohany, izay efa mpitambokin’ny Mpaminany rehefa nangatahina mba ho mpahay tantaran’ny Fiangonana sy ho mpitamboky ka handimby an’i Oliver Cowdery. Nanoratra izy hoe: “Aleoko tsy manao izany fa mandinika hoe aoka ho tanteraka izay sitrapon’ny Tompo, ka raha iriany izany dia iriako ny mba hanehoany izany amin’ny alalan’i Joseph ilay Mpahita.” Rehefa avy nandray izany fanambarana izany i Joseph Smith dia nanaiky i John Whitmer ary nanompo tao amin’ny andraikitra nanendrena azy.

1–4, Notendrena hirakitra ny tantaran’ny Fiangonana sy hanoratra ho an’ny Mpaminany i John Whitmer.

1 Indro, ilaina Amiko ny hanoratan’i John Mpanompoko ka hiraketany tsy miato ny atantara ary hanampiany anao Joseph mpanompoko amin’ny fandikana ny zavatra rehetra izay omena anao, ambara-piantso azy ho amin’ny andraikitra hafa.

2 Ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa fa afaka manandratra ny feony koa izy amin’ny fivoriana isaky ny ilana izany.

3 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao fa hotendrena izy hanoratra lalandava ny rakitsoratra sy ny tantaran’ny fiangonana; satria i Oliver Cowdery dia efa notendreko ho amin’ny anjara fanompoana hafa.

4 Koa homen’ny aMpampionona azy ny hanoratra ireo zavatra ireo raha mahatoky izy. Izany tokoa. Amena.