Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50


Fizarana 50

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 9 mey 1831. Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa ny sasany tamin’ireo loholona dia tsy nahatakatra ny fisehoan’ireo fanahy samy hafa miely patrana eto an-tany, ka nomena ity fanambarana ity ho setrin’ny fanontaniany manokana ny amin’izany toe-javatra izany. Ireo fitrangana lazaina fa ara-panahy dia tsy vitsy teo anivon’ny mpikambana, izay nihambo ho nahazo fahitana sy fanambarana ny sasany taminy.

1–5, Miely patrana eto an-tany ireo fanahy sandoka maro; 6–9, Lozan’ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo izay sarahina hiala amin’ny Fiangonana; 10–14, Tokony hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy ireo loholona; 15–22, Samy ilaina hohazavaina amin’ny alalan’ny Fanahy na ny mpitory na ny mpihaino; 23–25, Izay tsy mampiorina dia tsy avy amin’ Andriamanitra; 26–28, Ireo mahatoky no tompon’ny zava-drehetra; 29–36, Valiana ny vavak’ireo nodiovina; 37–46, Kristy no Mpiandry Tsara sy Vatolampin’i Isiraely.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako ary mampandria sofina amin’ny feon’ilay Andriamanitra velona; ary tandremo ny teny fahendrena izay homena anareo, izay efa nangatahinareo sy nifanekenareo momba ny fiangonana sy ireo fanahy izay efa niely patrana ety an-tany.

2 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa misy ireo fanahy maro izay afanahy sandoka, izay efa naely patrana ety an-tany, mamitaka izao tontolo izao.

3 Ary i aSatana koa dia efa nikatsaka ny hamitaka anareo mba hahazoany mandresy anareo.

4 Indro, Izaho Tompo dia efa nizaha anareo ary efa nahita fahavetavetana ao amin’ny fiangonana izay amitondra ny anarako.

5 Nefa sambatra izay mahatoky sy amaharitra, na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, fa handova ny fiainana mandrakizay izy.

6 Fa lozan’ireo izay ampamitaka sy mpihatsaravelatsihy, fa izao no lazain’i Tompo, Izaho hitondra azy ho amin’ny fitsarana.

7 Indro lazaiko aminareo marina tokoa, misy ampihatsaravelatsihy eo anivonareo izay efa namitaka ny sasany, izay efa nanome bhery ny dfahavalo; nefa eindro haverina ireo;

8 Nefa haharihary ny mpihatsaravelatsihy ka ahosarahina hiala na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, araka ny sitrapoko; ary lozan’ireo izay hosarahina hiala amin’ny fiangonako, fa ireo dia resin’izao tontolo izao.

9 Koa aoka ny olona tsirairay hitandrina fandrao izy hanao izay tsy araka ny rariny sy ny hitsiny eo anoloako.

10 Ary ankehitriny avia hoy ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy, amin’ireo loholon’ny fiangonany, ary aoka ahifandahatra isika mba hahatakaranareo;

11 Aoka hifandahatra isika dia tahaka ny lehilahy iray mifandahatra amin’ny iray hafa, mifanatrika.

12 Ankehitriny, rehefa mandahatra ny lehilahy iray, dia azon’ny olona izy satria mandahatra tahaka ny olona; dia toy izany koa no handaharako Izaho Tompo aminareo mba ahahatakaranareo.

13 Koa Izaho Tompo no manao aminareo izao fanontaniana izao—ho amin’ny inona no efa ananokanana anareo?

14 Mba hitory ny filazantsarako, amin’ny alalan’ny aFanahy, dia ilay bMpampionona izay nalefa hampianatra ny fahamarinana.

15 Ary avy eo dia nandray afanahy izay tsy hainareo fantarina ianareo ary noraisinareo ho avy tamin’ Andriamanitra ireny; ary amin’izany moa va voamarina ianareo?

16 Indro, ny tenanareo ihany no hamaly izany fanontaniana izany; kanefa dia ho feno famindram-po aminareo Aho; izay osa ao aminareo dia ahohatanjahina rahatrizay.

17 Lazaiko aminareo marina tokoa, izay voatokako ary irahin’ny Mpampionona ahitory ny tenin’ny fahamarinana araka ny Fanahin’ny fahamarinana, moa mitory izany amin’ny bFanahin’ny fahamarinana va izy sa amin’ny fomba hafa?

18 Raha amin’ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

19 Ary ankoatra izany, izay mandray ny tenin’ny fahamarinana, moa va izy mandray izany amin’ny Fanahin’ny fahamarinana sa amin’ny fomba hafa?

20 Raha amin’ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

21 Koa nahoana no tsy hainareo takarina sy fantarina fa izay mandray ny teny amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia mandray izany araka izay itorian’ny Fanahin’ny fahamarinana izany?

22 Koa izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy amahazo hery sy bmiara-mifaly.

23 Ary izay tsy mankahery dia tsy avy amin’ Andriamanitra, sady ahaizina.

24 Izay avy amin’ Andriamanitra dia ahazavana; ary izay mandray hazavana sy bmitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana dmisimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.

25 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, ary lazaiko izao mba hahafantaranareo ny amarina ka hahazoanareo mandroaka ny haizina avy eo anivonareo;

26 Izay voatokan’ Andriamanitra ary irahina, dia izy no voatendry ho alehibe indrindra, na dia izy aza no kely indrindra sy bmpanompon’ny rehetra.

27 Koa atompon’ny zava-drehetra izy; fa manoa azy ny zava-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany, ny fiainana sy ny fahazavana, ny Fanahy sy ny bhery, izay alefan’ny sitrapon’ny Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany.

28 Saingy tsy misy olona tompon’ny zava-drehetra raha tsy efa anodiovina sy bnosasana tamin’ny fahotana rehetra izy.

29 Ary raha voadio sy voasasa amin’ny fahotana rehetra ianareo dia ahangataka izay rehetra tianareo amin’ny anaran’i Jesoa, ary ho to izany.

30 Fa izao no fantaro, homena anareo izay hangatahinareo; ary satria voatendry ho alohany ianareo, dia hanoa anareo ireo fanahy.

31 Koa izao no zavatra hitranga fa raha mahita afanahy iray maneho ny tenany izay tsy hainareo ianareo, ary tsy raisinareo io fanahy io, dia hangataka ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa ianareo; ary raha tsy omeny anareo io fanahy io, dia hahafantatra ianareo fa tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

32 Ary homeny anareo ny ahery handresy io fanahy io; ary holazainareo amin’ny feo mafy, hanoherana io fanahy io, fa tsy avy amin’ Andriamanitra izany—

33 Tsy amin’ny fiampangana amanevateva mba tsy ho resy ianareo, sady tsy amin’ny bfireharehana na amin’ny fifaliana, fandrao dia ho azony ianareo.

34 Izay mandray avy amin’ Andriamanitra, dia aoka izy hihevitra izany ho avy amin’ Andriamanitra; ary aoka izy hifaly fa isain’ Andriamanitra ho mendrika ny handray.

35 Ary amin’ny fitandremana sy ny fanaovana ireto zavatra izay efa noraisinareo ireto sy izay horaisinareo rahatrizay—ary omen’ny Ray anareo ny afanjakana ary koa ny bhery handresena ny zavatra rehetra izay tsy voatendriny—

36 Ary indro, lazaiko aminareo marina tokoa, sambatra ianareo izay mandre ankehitriny ireto teny ireto izay Ahy avy amin’ny vavan’ny mpanompoko, fa avoavela ny fahotanareo.

37 Aoka i Joseph Wakefield mpanompoko izay tena ankasitrahako sy i aParley P. Pratt mpanompoko handeha any anivon’ny fiangonana ka hampahery azy ireny amin’ny teny bfanentanana;

38 Ary koa i John Corrill mpanompoko, na rehefa mety ho mpanompoko ka efa voatokana ho amin’ity anjara fanompoana ity, ary aoka izy ireo hiasa ao amin’ny atanimboliko; ary aoka tsy hisy olona hisakana ny fanaovan’izy ireo izay efa voatendriko ho azy ireo—

39 Koa amin’ity zavatra ity dia tsy manana ny marina i aEdward Partridge mpanompoko; kanefa aoka izy hibebaka dia ho voavela.

40 Indro, ianareo dia ankizy madinika ka tsy amahazaka ny zavatra rehetra ankehitriny; tsy maintsy bmitombo ao amin’ny dfahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny emarina ianareo.

41 aAza matahotra brankizy madinika, fa Ahy ianareo, ary Izaho efa dnaharesy izao tontolo izao, ary ianareo dia avy amin’ireo izay efa enomen’ny Raiko ho Ahy;

42 Ary tsy hisy ho avery ireo izay efa nomen’ny Raiko ho Ahy.

43 Ary ny Raiko sy Izaho dia airay. Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko, ary raha efa nandray Ahy ianareo, dia ianareo ato Amiko ary Izaho ao aminareo.

44 Koa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no ampiandry tsara sy bvatolampin’i Isiraely. Izay manorina eo ambonin’ity dvatolampy ity dia etsy hianjera na oviana na oviana.

45 Ary avy ny andro izay handrenesanareo ny feoko sy ahahitanareo Ahy ary hahafantaranareo fa Izy Aho.

46 Koa amiambena mba ho bvonona ianareo. Izany tokoa. Amena.