Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52


Fizarana 52

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ny loholon’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, ny 6 jona 1831. Natao tao Kirtland ny fihaonambe izay nanomboka ny fahatelon’ny volana jona ary nifarana ny fahenina. Tamin’io fihaonambe io no nanaovana voalohany ny fanokanana manokana ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo, ary tsikaritra ny fisehoan’ireo fanahy sandoka sy mpamitaka vitsivitsy ka noroahina.

1–2, Voatondro hatao any Missouri ny fihaonambe manaraka; 3–8, Natao ny fanendrena ireo loholona sasany izay hiara-dalana; 9–11, Tokony hampianatra izay efa nosoratan’ireo apôstôly sy mpaminany ny loholona; 12–21, Ireo nohazavain’ny Fanahy dia mamoa ny voan’ny fiderana sy ny fahendrena; 22–44, Notendrena ny loholona maromaro mba hitory ny filazantsara mandritra ny diany mankany Missouri hamonjy fihaonambe.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo amin’ireo loholona izay efa anantsoiny sy nofinidiny amin’izao andro farany izao tamin’ny feon’ny Fanahiny—

2 Manao hoe: Izaho Tompo dia hampahafantatra anareo izay tiako hataonareo hatramin’ity fotoana ity ka hatramin’ny fihaonambe manaraka izay hatao any Missouri, eo amin’ny atany izay bhatokako ho an’ny vahoakako izay dsisa tavela amin’i Jakoba, ary ireo izay mpandova araka ny efanekempihavanana.

3 Koa lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ny mpanompoko isany, i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon handeha raha vantany vao azony atao ny fiomanany handao ny tokantranony, ary hizotra ho any an-tanin’i Missouri.

4 Ary raha mahatoky Amiko izy ireo, dia hampahafantarina azy ireo izay tokony hataony;

5 Ary hampahafantarina azy ireo koa, raha mahatoky izy ireo, ny atany lovanareo.

6 Ary raha tsy mahatoky izy ireo dia hosarahina hiala, araka izay tiako sady heveriko ho tsara.

7 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Lyman Wight mpanompoko sy i John Corrill mpanompoko handeha faingana tokoa;

8 Ary aoka koa i John Murdock mpanompoko sy i Hyrum Smith mpanompoko handeha hankamin’izany tany izany ihany koa ka handalo an’i Detroit.

9 Ary aoka izy ireo hiainga avy ao, hitory ny teny eny an-dalana, ka atsy hilaza zavatra hafa afa-tsy izay efa nosoratan’ireo bmpaminany sy apôstôly ary izay efa ampianarin’ny dMpampionona azy ireo amin’ny alalan’ny fivavaky ny finoana.

10 Aoka izy ireo handeha atsiroaroa, ary dia toy izany no aoka hitoriany eny an-dalana any amin’ny fiangonana rehetra, ka hanao batisa amin’ny brano ary dhametra-tanana eo amoron’ny rano.

11 Fa izao no lazain’ny Tompo: Hohafoheziko faingana ny asako amin’ny afahamarinana, fa avy ny andro izay handefasako fitsarana ho fandresena.

12 Ary aoka i Lyman Wight mpanompoko hitandrina, fa i Satana dia maniry ny ahikororoka azy tahaka ny akofa.

13 Ary indro, izay amahatoky dia hatao mpanapaka ny zavatra maro.

14 Ary ankoatra izany, dia homeko anareo ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra, mba tsy ho azo fitahina ianareo; fa mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izy hamitaka ireo firenena—

15 Koa izay mivavaka, ka amanenina ny fanahiny, dia izy no bekeko raha mankatò ny dôrdônansiko.

16 Izay miteny, ka manenina ny fanahiny, ka feno fanetrentena ny fiteniny sady mampiorina, dia izy no avy amin’ Andriamanitra raha mankatò ny ôrdônansiko.

17 Ary ankoatra izany, izay mangovitra noho ny heriko dia ahohatanjahina ary hamoa ny voan’ny fiderana sy ny bfahendrena araka ny fanambarana sy ny fahamarinana izay efa nomeko anareo.

18 Ary ankoatra izany, izay resy ary atsy mamoa voa araka izany toromarika izany dia tsy avy Amiko.

19 Koa araka izany toromarika izany no ahahafantaranareo ireo fanahy amin’ny toe-javatra rehetra, ambanin’ny lanitra manontolo.

20 Ary efa avy ny andro; ahotovina amin’ny olona araka ny finoany.

21 Indro izany didy izany dia omena ho an’ireo loholona rehetra izay efa nofinidiko.

22 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i aThomas B. Marsh mpanompoko sy i Ezra Thayre mpanompoko handeha hankamin’izany tany izany ihany koa sady hitory ny teny eny an-dalana.

23 Ary ankoatra izany, dia aoka i Isaac Morley mpanompoko sy i Ezra Booth mpanompoko handeha hankamin’izany tany izany sady hitory ny teny koa eny an-dalana.

24 Ary ankoatra izany, dia aoka ny mpanompoko isany, i aEdward Partridge sy i Martin Harris, handeha miaraka amin’ny mpanompoko isany, i Sidney Rigdon sy i Joseph Smith zanany.

25 Ary aoka ny mpanompoko isany, i David Whitmer sy i Harvey Whitlock, handeha koa ho amin’izany tany izany ihany ary hitory eny an-dalana.

26 Ary aoka ny mpanompoko isany, i aParley P. Pratt sy i bOrson Pratt, handeha ho any amin’izany tany izany ihany ary hitory eny an-dalana.

27 Ary aoka ny mpanompoko isany, i Solomon Hancock sy i Simeon Carter, handeha koa ho amin’izany tany izany ihany ary hitory eny an-dalana.

28 Aoka ny mpanompoko isany, i Edson Fuller sy i Jacob Scott, handeha koa.

29 Aoka ny mpanompoko isany, i Levi W. Hancock sy i Zebedee Coltrin, handeha koa.

30 Aoka ny mpanompoko isany, i Reynolds Cahoon sy i Samuel H. Smith, handeha koa.

31 Aoka ny mpanompoko isany, i Wheeler Baldwin sy i William Carter, handeha koa.

32 Ary aoka ny mpanompoko isany, i aNewel Knight sy i Selah J. Griffin, samy hatokana ary handeha koa.

33 Eny, lazaiko marina tokoa, aoka ireo rehetra ireo handeha hankamin’ny toerana iray ihany, amin’ny lalana samy hafa, ary ny olona iray tsy hanorina eo amin’ny afanorenan’ny iray hafa sady tsy hanaraka ny dian’ny iray hafa.

34 Izay mahatoky, dia izy no hotehirizina ary hotahina amin’ny avokatra be.

35 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, aoka ny mpanompoko isany, i Joseph Wakefield sy i Solomon Humphrey handeha, ho any amin’ny tany atsinanana.

36 Aoka izy ireo hiara-hiasa ao amin’ny fianakaviany, ka tsy ahanambara zavatra afa-tsy ireo mpaminany sy apôstôly izay efa bhitany sy reny ary dinoany marina tokoa, mba hahatanteraka ireo faminaniana;

37 Ho setrin’ny fandikan-dalàna, dia aoka izay efa natolotra an’i Heman Basset ahalaina aminy ary hapetraka eo ambony lohan’i Simonds Ryder.

38 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Jared Carter ahatokana ho mpisorona, ary aoka koa i Georges James hatokana ho bmpisorona.

39 Aoka ny ambiny amin’ireo loholona ahiandry ireo sampan’ny fiangonana ary hanambara ny teny amin’ireo faritra manodidina azy; ary aoka izy ireo hiasa amin’ny tanany ihany mba tsy hisy bfanompoan-tsampy na faharatsiana hatao.

40 Ary tsarovy amin’ny zavatra rehetra ny amahantra sy ny bsahirana, ny marary sy ny ory, fa izay tsy manao ireo zavatra ireo dia tsy mpianatro.

41 Ary ankoatra izany, dia aoka ny mpanompoko isany, i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon ary i Edward Partridge, hitondra afanamarinana avy amin’ny fiangonana. Ary aoka hakana anankiray ihany koa i Oliver Cowdery mpanompoko.

42 Ary dia toy izany, araka izay efa nolazaiko, raha mahatoky ianareo dia hiara-mivory mba hifaly eo amin’ny tanin’i aMissouri, izay tany blovanareo, izay tanin’ny fahavalonareo ankehitriny.

43 Nefa indro, Izaho Tompo dia hanafaingana ny tanàna amin’ny fotoany ary hosatrohako amin’ny satroboninahitry ny afifaliana sy ny firavoravoana ny mahatoky.

44 Indro Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, ary Izaho ahanandratra azy ireo amin’ny andro farany. Izany tokoa. Amena.