Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54


Fizarana 54

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Newel Knight tao Kirtland, Ohio, ny 10 jona 1831. Nisara-bazana ny mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao Thompson, Ohio, noho ireo raharaha mikasika ny fanokanana fananana. Niharihary ny fitiavan-tena sy ny fimatimatesan-karena. Taorian’ny asa nanirahana azy tany amin’ny Shakers (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 49), dia tsy notanan’i Leman Copley ny fanekeny hanokana ny toeram-piompiana sy fambolena midadasika nananany ho toerana lovain’ireo Olomasina tonga avy any Colesville, New York. Noho izany dia nanatona ny Mpaminany i Newel Knight (izay mpitarika ireo mpikambana nipetraka tao Thompson) sy ireo loholona hafa nanontany izay tokony hatao. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ary nandray izao fanambarana izao izay nandidy ireo mpikambana tao Thompson mba handao ny toeram-piompiana sy fambolen’i Leman Copley ary hanao dia mankany Missouri.

1–6, Tsy maintsy mitandrina ny fanekempihavanan’ny filazantsara ireo Olomasina mba hahazo famindram-po; 7–10, Tsy maintsy manam-paharetana ao amin’ny fahoriana izy ireo.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo, dia aAlfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, dia Ilay bnohomboana noho ny fahotan’izao tontolo izao—

2 Indro, lazaiko aminao marina dia marina tokoa ry Newel Knight mpanompoko, tomoera tsara ao amin’ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao.

3 Ary raha maniry ny hiala ny fahavalony ireo rahalahinao, dia aoka izy ireo hibebaka amin’ny fahotany rehetra ary ho tonga amanetry tena marina tokoa sy manenina eo anoloako.

4 Ary satria efa noravana ny afanekempihavanana izay nataony Tamiko, dia efa nanjary bfoana izany ary tsy manan-kery.

5 Ary lozan’izay mahatonga izany afahatafintohinana izany, fa ho tsaratsara kokoa ho azy raha nalentika tany amin’ny ranomasina lalina izy.

6 Fa sambatra ireo izay nitana ny fanekempihavanana sy nitandrina ny didy, fa hahazo afamindram-po izy ireo.

7 Koa andeha ankehitriny ka andosiro ny tany, fandrao hisovoka anareo ny fahavalonareo; dia mandehana ka manendre izay ho mpitondra anareo sy handoa vola ho anareo.

8 Ary dia toy izany no handehananareo mankamin’ny faritra andrefana, mankamin’ny tanin’ny aMissouri, ho any amin’ny sisintanin’ny Lamanita.

9 Ary rehefa mahavita ny dianareo ianareo, dia indro lazaiko aminareo hoe, mitadiava ianareo afivelomana tahaka ny olona ambara-panomanako toerana iray ho anareo.

10 Ary ankoatra izany, dia amiareta amin’ny fahoriana mandra-bpiaviko; ary indro, avy faingana Aho ary miaraka Amiko ny valisoako, ary ireo izay dnikatsaka Ahy fatratra dia hahita efitsaharana ho an’ny fanahiny. Izany tokoa. Amena.