Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57


Fizarana 57

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Ziona, Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny 20 jolay 1831. Ho fankatoavana ny didin’ny Tompo handeha ho any Missouri izay toerana hanambarany “ny tany lovanareo” (fizarana 52), dia nandeha avy tany Ohio nankany amin’ny sisintany andrefan’i Missouri ireo loholona. Nisaintsaina ny toe-piainan’ny Lamanita i Joseph Smith ary nanontany tena hoe: “Rahoviana ny tany foana no hamony tahaka ny raozy? Rahoviana i Ziona no haorina ao amin’ny voninahiny, ary aiza no hatsangana ny Tempolinao izay any no handehanan’ireo firenena rehetra amin’ny andro farany?” Taorian’izany dia nandray ity fanambarana ity izy.

1–3, Independence, Missouri no toerana ho an’ny Tanànan’i Ziona sy ny tempoly; 4–7, Tokony hividy tany sy handray lova amin’io faritra io ny Olomasina; 8–16, Tokony hanangana tranombarotra iray i Sidney Gilbert, tokony ho mpanonta printy i William W. Phelps ary tokony hanomana rakitsoratra mba havoaka ho boky i Oliver Cowdery.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako, hoy ny Tompo Andriamanitrareo, dia ianareo izay miara-mivory araka ny didiko, eo amin’ity tany ity, dia ny tanin’i aMissouri, dia btany izay efa notondroiko sy dnatokako ho efanangonana ny Olomasina.

2 Koa ity no tanin’ny fampanantenana sy atoeran’ny tanànan’i bZiona.

3 Ary izao no lazain’ny Tompo Andriamanitrareo, raha te handray fahendrena ianareo, dia izao no fahendrena. Indro, ny toerana izay antsoina ankehitriny hoe Independence no toerana afovoany; ary ny faritra ho an’ny atempoly dia ao andrefana, eo amin’ny sombin-tany izay tsy lavitra ny trano fitsarana.

4 Koa fahendrena ny tokony ahividianan’ny olomasina ny tany, ary koa ny sombin-tany rehetra ao andrefana, ka hatramin’ny soritra mandalo mivantana eo anelanelan’ny bJiosy sy ny Jentilisa;

5 Ary koa ny sombin-tany tsirairay manemitra ny kijana raha tahiny ka afaka amividy ny tany ireo mpianatro. Indro izao no fahendrena, dia ny bhahazoany izany ho lova maharitra mandrakizay.

6 Ary aoka i Sidney Gilbert mpanompoko hanefa ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy, mba handray ny vola, ho ampandraharahan’ny fiangonana, hividy ny tany eo amin’ny faritra rehetra manodidina, araka izay azo anaovana izany amin’ny fahamarinana, ary araka izay hitarihan’ny fahendrena.

7 Ary aoka i aEdward Partridge mpanompoko hanefa ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy ary bhizara amin’ny olomasina ny lovany, dia araka izay efa nodidiako; ary koa ireo izay efa notendreny mba hanampy azy.

8 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Sidney Gilbert mpanompoko hiorim-ponenana eo amin’ity toerana ity ary hanangana tranombarotra iray mba hahazoany mivarotra entana tsy misy fanambakana, mba hahazoany vola hividianana ireo tany ho tombontsoan’ny olomasina ary mba hahazoany ireo zavatra rehetra mety ilain’ny mpianatra hanorenan’izy ireo fonenana eo amin’ny lovany.

9 Ary koa, aoka i Sidney Gilbert mpanompoko hahazo fahazoan-dalana—indro izao no fahendrena, ary na zovy na zovy no mamaky, dia aoka izy hahatakatra—mba hahazoany mandefa entana koa ho an’ny olona, amin’ny alalan’ireo izay tiany hampiasaina ho mpitantsoratra eo amin’ny raharahany;

10 Ary mamatsy toy izany an’ireo olomasiko, mba hahafahana mitory ny filazantsarako amin’ireo izay mipetraka ao amin’ny ahaizina ary ao amin’ny faritra sy baloky ny fahafatesana.

11 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i aWilliam W. Phelps mpanompoko honina eo amin’ity toerana ity ary hiorina eo toy ny bmpanonta printy ho an’ny fiangonana.

12 Ary indro, raha mandray ny asa sorany izao tontolo izao—indro izao no fahendrena—aoka izy haka izay rehetra azony alaina amin’ny fahamarinana, ho tombontsoan’ny olomasina.

13 Ary aoka i aOliver Cowdery mpanompoko hanampy azy araka izay efa nodidiako, na aiza na aiza toerana hanendreko azy, ka handika sy hanitsy ary hifantina mba ho marina eo anoloako ny zavatra rehetra, araka izay hanamarinan’ny fanahy azy amin’ny alalany.

14 Ary toy izany koa, aoka ireo izay efa noteneniko mba hiorim-ponenana eo amin’ny tanin’i Ziona faingana araka izay tratra, miaraka amin’ny fianakaviany, ka hanao ireo zavatra ireo, araka izay efa noteneniko.

15 Ary ankehitriny momba ny fanangonana—Aoka ny eveka sy ny mpandraharaha hanao fanomanana faingana araka izay azo atao ho an’ireo fianakaviana izay efa nodidina ho tonga eo amin’ity tany ity, ary hampiorina azy ireo eo amin’ny lovany.

16 Ary ho an’ny ambiny amin’ny loholona sy ny mpikambana dia homena any aoriana ireo toromarika hafa. Izany tokoa. Amena.