Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59


Fizarana 59

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Ziona, Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny 7 aogositra 1831. Talohan’ity fanambarana ity dia notokanana ilay tany araka izay efa nandidian’ny Tompo, ary natokana ny toerana ho an’ny tempoly any aoriana. Nodimandry tamin’ny andro nandraisana ity fanambarana ity i Polly Knight, vadin’i Joseph Knight rainy, izay mpikambana voalohany maty tao Ziona. Noraisin’ny mpikambana tany am-piandohana ho toy ny “fanomezana torolalana ny Olomasina mikasika ny fomba hanajana ny sabata sy ny fomba fifadian-kanina sy fivavahana” ity fanambarana ity.

1–4, Hotahina ireo Olomasina mahatoky ao Ziona; 5–8, Tokony ho tia sy hanompo ny Tompo izy ireo ary hitandrina ny didiny; 9–19, Tahina ara-nofo sy ara-panahy ny Olomasina amin’ny alalan’ny fitandremana ny andron’ny Tompo ho masina; 20–24, Ampanantenaina fiadanana eo amin’izao tontolo izao ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy ny marina.

1 Indro, hoy ny Tompo, sambatra ireo izay efa niakatra teo amin’ity tany ity, amin’ny amaso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro, araka ny didiko.

2 Fa ireo izay velona dia ahandova ny tany, ary ireo izay bmaty dia hitsahatra amin’ny asany rehetra, ary ny asany hanaraka azy; ary horaisiny ny dsatro-boninahitra ao amin’ny efitoeran’ny Raiko, izay efa nomaniko ho azy.

3 Eny, sambatra ireo izay mijoro eo amin’ny tanin’i Ziona ny tongony, izay efa nankatò ny filazantsarako, fa horaisiny ho valisoany ny zava-tsoan’ny tany, ary hahavokatra amin’ny atanjany rehetra izany.

4 Ary hosatrohina koa ny satro-boninahi-pitahiana avy any ambony izy ireo, eny, ary koa didy izay tsy vitsy, ary ireo afanambarana amin’ny fotoany—dia ireo izay bmahatoky sy dmazoto eo anoloako.

5 Koa omeko azy ireo ny didy izay manao hoe: Ho atia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny bfonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary dhanompo Azy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

6 Ho tia ny anamanao tahaka ny tenanao ianao. Tsy bhangalatra ianao; na dhanitsakitsa-bady, na ehamono olona, na hanao zavatra toy izany.

7 aHisaotra ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ny zavatra rehetra.

8 Hanatitra afanatitra bamim-pahamarinana ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao, dia ny fo torotoro sy ny dfanahy manenina.

9 Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao atsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny bandroko masina;

10 Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ny asanao ary ahanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra;

11 Kanefa dia haterina amim-pahamarinana amin’ny andro rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ny voadinao;

12 Nefa tsarovy fa amin’io andron’ny Tompo io, dia hanatitra ny afanatitrao sy ny fanati-pisaoranao ho an’ny Avo Indrindra ianao, ary bhibaboka ny fahotanao amin’ny rahalahinao sy eo anoloan’ny Tompo.

13 Ary amin’io andro io, dia tsy hanao zavatra hafa ianao afa-tsy ny hanomana ny haninao amin’ny fahatsoram-po, mba hahatonga ny afifadianao ho fanaperana, na amin’ny teny hafa, mba ho feno ny bfifalianao.

14 Marina tokoa, izany no fifadiana sy vavaka, na amin’ny teny hafa, firavoravoana sy vavaka.

15 Ary raha ataonareo amin’ny afankasitrahana, amin’ny bfo sy ny tarehy dfalifaly ireo zavatra ireo, tsy amin’ny etokelaka be, fa fahotana izany, saingy amin’ny fo falifaly sy ny tarehy miramirana—

16 Lazaiko marina tokoa, fa raha ataonareo izany, dia anareo ny fahafenoan’ny tany, ny biby eny an-tsaha ary ny voron’ny habakabaka, ary izay mianika eny amin’ny hazo sy mandeha amin’ny tany;

17 Eny, ary ny raokandro sy ny zavatra tsara izay avy amin’ny tany, na ho hanina, na ho fitafiana, na ho trano, na ho sompitra, na ho saha, na ho tanin’anana, na ho tanimboaloboka;

18 Eny, ny zavatra rehetra izay avy amin’ny atany, amin’ny fotoany avy, dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona, sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo;

19 Eny, ho hanina sy ho fitafiana, ho fankafizana sy ho fanamboloana, hampahery ny vatana sy hamelombelona ny fanahy.

20 Ary ankasitrahan’ Andriamanitra ny efa nanomezany ireo zava-drehetra ireo ho an’ny olona; fa ho an’izany tanjona izany no nanaovana azy ireo, mba hampiasaina amin’ny fandanjalanjana, fa tsy mihoa-pampana sady tsy an-keriny.

21 Ary tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka amanafitohina an’ Andriamanitra na mandrehitra ny fisafoahany afa-tsy ireo izay btsy miaiky ny tanany amin’ny zava-drehetra ary tsy mankatò ny didiny.

22 Indro, izany dia araka ny lalàna sy ny mpaminany; koa aza manelingelina Ahy intsony momba izany raharaha izany.

23 Nefa ianaro fa izay manao ny asan’ny afahamarinana dia handray ny bvalisoany, dia dfiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary, efiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.

24 Izaho Tompo no efa niteny izany, ary ny Fanahy dia vavolombelona manambara. Amena.