Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60


Fizarana 60

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany, tao Independence Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny 8 aogositra 1831. Tamin’izay fotoana izay, ireo loholona izay nandeha tany amin’ny Fivondronan’i Jackson sy nandray anjara tamin’ny fanokanana ilay tany sy ny toerana ho an’ny tempoly dia naniry ny hahafantatra ny zavatra tokony hataony.

1–9, Tokony hitory ny filazantsara amin’ny fiangonan’ny olon-dratsy ireo loholona; 10–14, Tsy tokony holanilaniany foana ny fotoany na haleviny ny talentany; 15–17, Azony sasana ny tongony ho vavolombelona miampanga ireo izay mitsipaka ny filazantsara.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo amin’ireo loholon’ny fiangonany izay tokony hiverina faingana tokoa any amin’izay niaviany: Indro ankasitrahako ny efa niakaranareo etoana;

2 Saingy tsy mankasitraka ny sasany Aho, satria tsy tiany ny hanokatra ny avavany, fa bafeniny ny talenta izay efa nomeko azy noho ny dtahotra ny olona. Lozan’ny toy izany fa mirehitra aminy ny fahatezerako.

3 Ary izao no hitranga fa raha tsy mahatoky kokoa Amiko izy, dia ahalaina aminy na dia izay ananany aza.

4 Fa Izaho Tompo dia manapaka eny amin’ny lanitra ambony sy eny anivon’ny amiaramilan’ny tany; ary amin’ny andro izay hanangonako ny bvatosoako, dia ho fantatry ny olona rehetra izay mampiharihary ny herin’ Andriamanitra.

5 Fa hiteny aminareo marina tokoa momba ny dianareo mankany amin’ny tany izay niavianareo Aho. Aoka ianareo hanao na hividy sambo, araka izay heverinareo fa mety, tsy ahoako izany, dia mandehana faingana mankamin’ny toerana izay atao hoe St Louis.

6 Ary avy eo dia aoka ny mpanompoko isany, i Sidney Rigdon, i Joseph Smith zanany ary i Oliver Cowdery handeha ho any Cincinnati;

7 Ary amin’izany toerana izany, dia aoka izy ireo hanandratra ny feony ary hanambara ny teniko amin’ny feo mafy, tsy misy fisafoahana na fisalasalana, sady hanainga ny tanany masina eo amboniny. Fa haiko ny hahatonga anareo ho amasina, ary bvoavela ny fahotanareo.

8 Ary aoka ny ambiny handeha tsiroaroa avy ao St Louis hitory ny teny tsy an-kamehana amin’ireo fiangonan’ny olon-dratsy, ambara-piverin’izy ireo any amin’ny fiangonana izay niaviany.

9 Ary izany rehetra izany dia mba ho tombontsoan’ny fiangonana; satria noho izany antony izany no efa nandefasako azy ireo.

10 Ary aoka i aEdward Partridge mpanompoko hizara ny ampahany amin’ny vola izay efa nomeko azy amin’ireo loholona izay didina hiverina;

11 Ary izay afaka manao izany, dia aoka hamerina izany amin’ny alalan’ny mpandraharaha; ary izay tsy afaka dia tsy takiana aminy izany.

12 Ary ankehitriny Aho dia miteny amin’ny ambiny izay ho avy eo amin’ity toerana ity.

13 Indro, efa nirahina izy ireny hitory ny filazantsarako any anivon’ny fiangonan’ny olon-dratsy; koa omeko azy ireny izao didy izao: Tsy aholanilanianao foana ny fotoana, sady tsy halevinao ny btalentanao mba tsy hahazoana mahafantatra izany.

14 Ary rehefa tafakatra eo an-tanin’i Ziona ianao ary efa nanambara ny teniko, dia hiverina faingana ianao ka hanambara ny teniko any anivon’ny fiangonan’ny olon-dratsy, tsy an-kamehana, sady tsy aamim-pisafoahana no tsy amin’ny fifandirana.

15 Ary ahintsano ny avovoka amin’ny tongotrao hiampanga ireo izay tsy mandray anao, tsy eo imasony fandrao hihantsy azy ianao, fa any amin’ny miafina; ary sasao ny tongotrao ho vavolombelona hiampanga azy amin’ny andro fitsarana.

16 Indro, ampy ho anareo izany, ary izany no sitrapon’ilay efa naniraka anareo.

17 Ary amin’ny vavan’i Joseph Smith zanany mpanompoko no hampahafantarina ny momba an’i Sidney Rigdon sy i Oliver Cowdery. Ny ambiny, any aoriana. Izany tokoa. Amena.