Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64


Fizarana 64

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ireo loholon’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, ny 11 septambra 1831. Teo am-piomanana ny hifindra monina any Hiram, Ohio, ny Mpaminany mba hanohy ny asany amin’ny fandikana ny Baiboly izay efa navela fony izy tany Missouri. Ny antokon’ireo rahalahy izay efa nodidina handeha ho any Ziona (Missouri) dia niolomay fatratra nanao ireo fiomanana mba hiaingana amin’ny volana ôktôbra. Tamin’io fotoana niheninkenenana io no nandraisana ny fanambarana.

1–11, Didina mba hifamela ireo Olomasina fandrao hitoetra aminy ny fahotana lehibe kokoa; 12–22, Tokony hoentina eo anoloan’ny Fiangonana ny tsy mibebaka; 23–25, Izay mandoa ny fahafolonkarena dia tsy hodorana amin’ny fiavian’ny Tompo; 26–32, Ampitandremana amin’ny trosa ny Olomasina; 33–36, Hoesorina hiala ao i Ziona ny mpikomy; 37–40, Hitsara ireo firenena ny Fiangonana; 41–43, Hiroborobo i Ziona.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitrareo aminareo, ô Ry loholon’ny Fiangonako, mihainoa ianareo ary mandrenesa ka raiso ny sitrapoko momba anareo.

2 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, tiako ny ahandresenareo izao tontolo izao; koa hanana bfangorahana anareo Aho.

3 Misy ireo eo anivonareo izay efa nanota; nefa lazaiko marina tokoa fa tamin’ity indray maka ity, mba ho avoninahitro sy ho famonjena fanahy, dia efa bnavelako ny fahotanareo.

4 Ho feno famindram-po aminareo Aho, satria efa nomeko anareo ny fanjakana.

5 Ary ny afanalahidin’ny misterin’ny fanjakana dia tsy hoesorina amin’i Joseph Smith zanany mpanompoko, amin’ny alalan’ireo fitaovana izay efa notendreko, raha mbola velona izy ka mankatò ny bôrdônansiko.

6 Misy ireo izay efa nitady hirika hiampangana azy tsy amin’ny antony;

7 Na dia izany aza dia efa nanota izy; nefa lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho Tompo dia amamela ny fahotan’ireo izay bmiaiky ny fahotany eo anoloako sy mangataka famelana, afa tsy ireo izay nanota ho amin’ny dfahafatesana.

8 Ireo mpianatro tamin’ny andro fahiny dia nitady ahirika hifampiampangana ka tsy nifamela tao am-pony; ary noho izany faharatsiana izany, dia nijaly izy ireo ary bnofaizina mafy tokoa.

9 Koa lazaiko aminareo, fa tokony ahifamela ianareo; fa izay btsy mamela ny fahadisoan’ny rahalahiny dia meloka eo anoloan’ny Tompo; fa mitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa.

10 Izaho Tompo dia ahamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny bhamela ny olon-drehetra.

11 Ary ianareo dia tokony hiteny ao am-ponareo hoe—aoka Andriamanitra ahitsara ahy sy ianao ary hamaly anao araka ny bataonao.

12 Ary izay tsy mibebaka amin’ny fahotany sady tsy miaiky izany, dia hoentinareo eo anoloan’ny afiangonana ary hataonareo aminy izay lazain’ny soratra masina aminareo, na amin’ny alalan’ny didy izany na amin’ny alalan’ny fanambarana.

13 Ary izany no hataonareo, dia ny mba hahazoana manome voninahitra an’ Andriamanitra—tsy noho ny tsy amelanareo, satria tsy manana fangorahana, fa ny mba hahazoana manamarina anareo eo imason’ny lalàna, mba tsy hanafintohinanareo an’ilay mpanome lalàna anareo—

14 Lazaiko marina tokoa fa noho izany antony izany dia hataonareo ireo zavatra ireo.

15 Indro, Izaho Tompo dia tezitra tamin’ilay mpanompoko, dia i Ezra Booth ary koa tamin’i Isaac Morley mpanompoko, satria tsy nitandrina ny lalàna na ny didy izy ireo;

16 Nokatsahiny tao am-pony ny ratsy, ary Izaho Tompo dia nihazona ny Fanahiko. aNohelohiny ho ratsy ny zavatra izay tsy nisy faharatsiana; na dia izany aza dia efa namela an’i Isaac Morley mpanompoko Aho.

17 Ary i aEdward Partridge mpanompoko koa dia indro efa nanota, ary mikatsaka ny handrava ny fanahiny i bSatana; nefa rehefa ampahafantarina azy ireo ireto zavatra ireto ka mibebaka amin’ny ratsy izy ireo dia ho voavela.

18 Ary ankehitriny dia lazaiko marina tokoa fa ilaina Amiko ny hiverenan’i Sidney Gilbert amin’ny raharahany sy amin’ny fitantanan-draharahany ao an-tanin’i Ziona, rehefa afaka herinandro vitsivitsy;

19 Ka izay efa hitany sy reny dia ho azo ampahafantarina ireo mpianatro, mba tsy hahafaty azy ireo. Ary noho izany antony izany no efa nitenenako ireto zavatra ireto.

20 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, mba tsy hahazoana amaka fanahy an’i Isaac Morley mpanompoko mihoatra noho izay azony zakaina, ka hanoroany vohony handratrana anareo, dia nomeko ny didy fa tokony hamidy ny toeram-pamboleny sy fiompiany.

21 Tsy tiako ny hivarotan’i Frederick G. Williams mpanompoko ny toeram-pamboleny sy fiompiany, satria Izaho Tompo dia te hitana toeram-pamaharana mafy ao Kirtland, mandritra ny dimy taona izay tsy hamongorako ny olon-dratsy, ka amin’izany dia ho azoko vonjena ny sasantsasany.

22 Ary aorian’izany andro izany, dia tsy hoheveriko Izaho Tompo ho ameloka izay handeha amin’ny fo manoa hiakatra ao an-tanin’i Ziona; fa Izaho Tompo dia mitaky ny bfon’ny zanak’olombelona.

23 Indro, izao fotoana izao no atao hoe aanio mandra-bpiavin’ny Zanak’Olona, ary marina tokoa fa andron’ny dfahafoizan-tena izany, ary andro fandoavana ny fahafolon-karen’ny oloko; fa izay emandoa fahafolonkarena dia tsy fhodorana amin’ny fiaviany.

24 Fa aorian’ny anio dia avy ny afandoroana—izany dia araka ny fomba fitenin’ny Tompo—fa lazaiko marina tokoa, rahampitso ny bmpiavonavona rehetra sy izay manao ratsy dia ho toy ny vodivary; ary hodorako ireo fa Izaho no Tompon’ny Maro; ary tsy hitsitsy izay mitoetra ao dBabylona Aho.

25 Koa raha mino Ahy ianareo dia hilofo raha mbola atao hoe anio izany.

26 Ary tsy mety ny hamarotan’ny mpanompoko isany aNewel K. Whitney sy Sidney Gilbert ny btranombarony sy ny fananany etoana, fa tsy fahendrena izany ambara-piakatry ny ambiny amin’ny fiangonana, izay mijanona eo amin’ity toerana ity, ho any an-tanin’i Ziona.

27 Indro, voalaza ao amin’ny lalàko, na voarara, ny mandraikitra atrosa amin’ny fahavalonareo;

28 Nefa indro, tsy voalaza, na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona fa ny Tompo dia tsy tokony haka rehefa sitrany ary handoa rehefa heveriny fa tsara.

29 Koa satria mpandraharaha ianareo, dia iraky ny Tompo ianareo; ary izay rehetra ataonareo araka ny sitrapon’ny Tompo dia raharahan’ny Tompo.

30 Ary efa notendreny ianareo mba hamatsy ny olomasiny amin’izao andro izao ka hahazoany alova ao an-tanin’i Ziona.

31 Ary indro, Izaho Tompo dia manambara aminareo, ary azo antoka sy tsy ahivaona ny bteniko, fa ho azony izany.

32 Saingy tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra.

33 Koa aza aketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny bzavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.

34 Indro, amitaky ny bfo sy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny dmpankatò no hihinana ny soa amin’ny tanin’i Ziona amin’izao andro farany izao.

35 Ary ahoesorina amin’ny tanin’i Ziona ny bmpikomy ka horoahina hiala ary tsy handova ny tany.

36 Fa lazaiko marina tokoa, fa tsy mba isan’ny ran’i aEfraima ny mpikomy, koa hongotana ireny hiala.

37 Indro, Izaho Tompo dia efa nanao ny fiangonako amin’izao andro farany izao ho toy ny mpitsara mipetraka eo amin’ny havoana na amin’ny toerana avo mba hitsara ireo firenena.

38 Fa ny zavatra hitranga, dia ny mponina ao Ziona no ahitsara ny zavatra rehetra mikasika an’i Ziona.

39 Ary hozahana toetra amin’ny alalany ny mpandainga sy ny mpihatsaravelatsihy, ary ireo izay tsy aapôstôly na mpaminany dia ho fantatra.

40 Ary na dia ny aeveka aza, izay bmpitsara, mbamin’ireo mpanolotsainy, raha tsy mahatoky amin’ny dfitantanan-draharahany dia hohelohina, ka hapetraka eo amin’ny toerany ny ehafa.

41 Fa indro, lazaiko aminareo fa hiroborobo i aZiona ary ho eo aminy ny bvoninahitry ny Tompo;

42 Ary ho afaneva ho an’ny vahoaka izy, ary ho tonga ao aminy ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra.

43 Ary ho avy ny andro izay ahangovitan’ny firenena eto an-tany noho ny aminy, ary hitebiteby ireo noho ny mponiny mahatahotra. Ny Tompo no efa niteny izany. Amena.