Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65


Fizarana 65

Fanambarana mikasika ny vavaka nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany, tao Hiram, Ohio, ny 30 ôktôbra 1831.

1–2, Nankinina tamin’olona teto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ary handresy ny tombontsoan’ny filazantsara; 3–6, Ho avy ny fanjakan’ny lanitry ny arivotaona ary hikambana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

1 Henoy, ary indro, ny feo toy ny an’izay nirahina avy any ambony, izay matanjaka sy mahery, izay hatrany am-paran’ny tany ny alehany, eny, izay miantefa amin’ny olona ny feony—aOmaninareo ny lalan’ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.

2 Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny afanalahidin’ny bfanjakan’ Andriamanitra, ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny dvato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-epamenoany ny tany manontolo.

3 Eny, dia feo izay miantso hoe—Omaninareo ny lalan’ny Tompo, omaninareo ny afanasan’ny Zanakondry, mivonòna ho an’ny bMpampakatra.

4 Mivavaha amin’ny Tompo, antsoy ny anarany masina, ampahafantaro any anivon’ny olona ireo asany mahatalanjona.

5 Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy izay ahidinan’ny Zanak’Olona mbamin’ny lanitra, bmitafy ny famirapiratan’ny dvoninahiny ka hitsena ny efanjakan’ Andriamanitra, izay voaorina eto an-tany.

6 Koa enga anie ka handroso ny afanjakan’ Andriamanitra, mba hahatongavan’ny bfanjakan’ny lanitra, ka Ianao Andriamanitra ô dia homem-boninahitra any an-danitra tahaka ny ety an-tany, mba ho resy ny fahavalonao; fa danao ny haja, ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay mandrakizay. Amena.