Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67


Fizarana 67

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny voalohandohan’ny volana nôvambra 1831. Izany dia tamin’ny fotoan’ny fihaonambe manokana izay nandinihina sy nanapahana ny famoahana ho boky ireo fanambarana efa noraisina tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 1). Vao nanorina ny fanontana printin’ny Fiangonana i William W. Phelps tany Independence, Missouri. Nanapa-kevitra ny fihaonambe fa hamoaka ireo fanambarana ao amin’ny Book of Commandments (ny Bokin’ireo Didy) ary hanonta boky 10.000 (izay noho ireo olana tsy nampoizina dia nahena ho 3000 taty aoriana). Maro tamin’ireo rahalahy no nijoro ho vavolombelona marina tokoa, fa ireo fanambarana voangona tamin’izany fotoana izany mba havoaka dia tena marina tokoa, araka izay nambaran’ny Fanahy Masina nilatsaka tamin’izy ireo. Voarakitra ao amin’ny tantaran’i Joseph Smith fa taorian’ny nandraisana ny fanambarana antsoina hoe fizarana 1, dia nandeha ny resaka nanakiana ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana. Nanaraka izany izao fanambarana izao.

1–3, Mandre ny vavaka sy miambina an’ireo loholony ny Tompo; 4–9, Manao fanamby amin’ny olona hendry indrindra Izy mba haka tahaka ny kely indrindra amin’ireo fanambarany; 10–14, Hovelomin’ny Fanahy ireo loholona mahatoky ary hahita ny tavan’ Andriamanitra.

1 Indro, ary mihainoa, ô ianareo ry aloholon’ny fiangonako, izay efa niara-tafavory, izay efa reko ny fivavany ary izay fantatro ny fony, ary izay efa niakatra eo anoloako ny faniriany.

2 Indro, ary jereo, mby eo aminareo ny amasoko, ary ny lanitra sy ny tany dia eo an-tanako, ary ny haren’ny mandrakizay dia Ahy ka omena.

3 Niezahanareo ny hino fa tokony horaisinareo ny fitahiana izay natolotra anareo; nefa indro, lazaiko aminareo marina tokoa, nisy atahotra tao am-ponareo ary izany marina tokoa no antony tsy nandraisanareo.

4 Ary ankehitriny, Izaho Tompo dia manome anareo ny atenivavolombelon’ny fahamarinan’ireto didy izay mipetraka eo anoloanareo ireto.

5 Efa nibanjina an’i Joseph Smith zanany mpanompoko ny masonareo, ary ny afiteniny dia efa fantatrareo ary ny tsy fahalavorariany dia efa fantatrareo; ary efa nikatsaka fahalalana tao am-ponareo ianareo mba hahazoanareo maneho mihoatra noho ny fiteniny; izany dia fantatrareo koa.

6 Ankehitriny, mitadiava ao amin’ny Bokin’ireo Didy ianareo, dia ny kely indrindra amin’ireo, ary tendreo izay aolona hendry indrindra eo anivonareo;

7 Koa raha misy eo anivonareo izay mahavita anankiray tahaka izany, dia hamarinina ianareo amin’ny filazana fa tsy fantatrareo fa marina ireo;

8 Fa raha tsy mahavita anankiray tahaka izany kosa ianareo dia eo ambany fanamelohana, raha tsy amijoro ho vavolombelona ianareo fa marina ireo.

9 Satria fantatrareo fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’ireo, ary izay amarina dia midina avy any ambony, avy amin’ny Rain’ny bhazavana.

10 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tombontsoanareo izany, ary fampanantenana iray no omeko anareo izay efa natokana ho amin’ity asa fanompoana ity, fa arakaraka ny anesoranareo ny afialonana sy ny btahotra hiala amin’ny tenanareo ary danetrenareo tena eo anoloako, fa tsy ampy firy ny fanetrentenanareo, no handrovitana ny evoaly ka fhahitanareo Ahy ary hahafantaranareo fa Izy Aho—tsy amin’ny saina ara-nofo na voajanahary, fa ara-panahy.

11 Fa tsy anisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana teo amin’ny nofo afa-tsy izay novelomin’ny Fanahin’ Andriamanitra.

12 Tsy afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra na ny aolona araka ny nofo, na ny saina araka ny nofo.

13 Tsy hainareo zakaina ankehitriny ny fanatrehana an’ Andriamanitra, na ny fanompoan’ny anjely; koa mitozoa ao amin’ny afaharetana mandra-pahatonga anareo ho btanteraka.

14 Aoka tsy hiherikerika ny sainareo; ary rehefa amendrika ianareo, amin’ny fotoana mahamety izany Amiko, dia ho hitanareo ary ho fantatrareo izay efa natolotra anareo tamin’ny alalan’ny tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko. Amena.