Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68


Fizarana 68

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny 1 nôvambra 1831, ho valin’ny vavaka hahafantarana ny hevitry ny Tompo mikasika an’i Orson Hyde, i Luke S. Johnson, i Lyman E. Johnson, ary i William E. McLellin. Na dia nivantana ho an’ireo lehilahy efatra ireo aza ny ampahany amin’ity fanambarana ity dia miantefa amin’ny Fiangonana manontolo ny ankamaroan’ny votoatiny. Novelabelarina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith io fanambarana io rehefa navoaka tao amin’ny edisiona 1835 tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekepihavanana.

1–5, Manjary soratra masina ny tenin’ireo loholona rehefa entanin’ny Fanahy Masina izy; 6–12, Tokony hitory sy hanao batisa ireo loholona ary hanaraka ireo tena mpino ny famantarana; 13–24, Ny lahimatoa amin’ireo zanakalahin’i Aharôna dia afaka manompo toy ny Eveka Mpiahy (izany hoe, mitana ny fanalahidin’ny fiadidiana amin’ny maha-eveka azy) eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany; 25–28, Didina ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ny filazantsara; 29–35, Ny Olomasina dia tokony hitandrina ny Sabata, hazoto miasa ary hivavaka.

1 Nantsoina tamin’ny alalan’ny fanokanana azy i Orson Hyde mpanompoko mba hanambara ny filazantsara maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny aFanahin’ilay Andriamanitra velona, amin’ny vahoaka tsirairay sy isam-paritra, any amin’ireo fiangonan’ny olon-dratsy, any amin’ny sinagogany, hifandahatra aminy ary hamelabelatra aminy ny soratra masina rehetra.

2 Ary indro, jereo, izany no fianarana ho an’ireo rehetra izay efa natokana ho amin’ity fisoronana ity, ka ny asa fitoriana voatendry ho azy ireo dia ny handeha—

3 Ary izao no famantarana ho azy ireo, fa izy ireo dia ahiteny araka izay anentanan’ny Fanahy Masina.

4 Ary na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny aFanahy Masina dia ho soratra masina, ho sitrapon’ny Tompo, ho sain’ny Tompo, ho tenin’ny Tompo, ho feon’ny Tompo, dia ny bherin’ Andriamanitra ho famonjena.

5 Indro, izany no fampanantenan’ny Tompo ho anareo, ô ianareo ry mpanompoko isany.

6 Koa mahereza, ary aza amatahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo; ary ianareo dia ho vavolombelona hanambara Ahy, Jesoa Kristy, fa Izaho no Zanak’ilay Andriamanitra velona, fa Izaho ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.

7 Izao no tenin’ny Tompo aminao ry aOrson Hyde mpanompoko, ary koa amin’i Luke Johnson mpanompoko, sy amin’i Lyman Johnson mpanompoko ary amin’i William E. McLellin mpanompoko sy amin’ny loholona mahatoky rehetra ao amin’ny fiangonako—

8 aMandehana ianareo eran’izao tontolo izao, bmitory ny filazantsara amin’ny dolona tsirairay, miasa amin’ny efahefana izay efa nomeko anareo sy fmanao batisa amin’ny anaran’ny Ray, sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina.

9 Ary aizay mino sy atao batisa no bhovonjena, ary izay tsy mino no dhohelohina.

10 Ary izay mino dia hotahina ka harahin’ireo afamantarana, araka izay efa voasoratra.

11 Ary ianareo no homena mba hahafantatra ireo afamantarana ny fotoana sy ireo famantarana ny amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona;

12 Ary amin’izay rehetra hijoroan’ny Ray ho vavolombelona no hanomezana anareo hery ahifehy azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay. Amena.

13 Ary ankehitriny momba ireo lafin-javatra fanampin’ireo fanekempihavanana sy didy, dia indreto izany—

14 Hisy any aoriana, amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo, ireo aeveka hatokana ho an’ny fiangonana mba hanompo tahaka ny voalohany;

15 Koa ho ampisorona avo mendrika izy ireo, ary izy ireo dia hotendren’ny bFiadidiana Voalohan’ny Fisoronana Melkizedeka afa-tsy ireo izay taranak’i dAharôna ara-bakiteny.

16 Ary raha taranak’i aAharôna ara-bakiteny izy ireo dia manana zo ara-dalàna amin’ny episkôpà, raha lahimatoa amin’ny zanakalahin’i Aharôna;

17 Fa ny lahimatoa dia mihazona ny zo amin’ny fiadidian’io fisoronana io sy ny afanalahidy na ny fahefana amin’izany.

18 Tsy misy olona manana zo ara-dalàna ho amin’izany anjara fanompoana izany ka hitana ireo fanalahidin’izany fisoronana izany, raha tsy taranak’i Aharôna aara-bakiteny izy sady lahimatoa.

19 Nefa, noho ny ampisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka manana fahefana hiadidy ireo anjara fanompoana ambany rehetra, dia azony iadidiana ny anjara fanompoan’ny beveka, rehefa tsy misy taranak’i Aharôna hita, raha toa ka antsoina sy atokana ary tendrena ho amin’izany hery izany izy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fisoronana Melkizedeka.

20 Ary ny taranak’i Aharôna ara-bakiteny dia tsy maintsy tondroin’io Fiadidiana io koa, sy hita fa mendrika ary ahosorana sy batokana eo ambany fahefan’ny tanan’io Fiadidiana io, fa raha tsy izany dia tsy omem-pahefana ara-dalàna izy hiadidy ao amin’ny fisoronany.

21 Nefa, noho ny fanapahana momba ny zony amin’ny fisoronana, izay midina avy amin’ny ray mankamin’ny zanaka, dia azony takiana ny fanosorana azy, raha vao afaka manaporofo ny rohim-pihavanany na manamarina izany amin’ny fanambarana avy amin’ny Tompo izy, eo ambany fahefan’ny tanan’ny Fiadidiana Voatonona anarana etsy ambony.

22 Ary ankoatra izany, ny eveka na ny mpisorona avo izay hatokana ho amin’izany asa fanompoana izany dia tsy hotsaraina na hohelohina noho ny fandikan-dalàna, raha tsy eo anoloan’ny aFiadidiana Voalohan’ny fiangonana;

23 Ary raha hita fa meloka izy eo anoloan’io Fiadidiana io, noho ny tenivavolombelona tsy azo lavina, dia hohelohina;

24 Ary raha mibebaka izy dia ho avoavela, araka ireo fanekempihavanana sy didin’ny fiangonana.

25 Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao i Ziona na any amin’ireo atsatòkany izay voatsangana ny bray aman-dreny ka tsy dmampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’i Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, rehefa feno evalo taona izy, dia mby eo amin’ny lohan’ny ray aman-dreny ny ffahotana.

26 Fa izany dia ho lalàna ho an’ny mponin’i aZiona, na any amin’ireo tsatòkany izay voatsangana.

27 Ary ny zanany dia ahatao batisa ho bfamelana ny fahotany rehefa feno dvalo taona ary handray ny fametrahan-tanana.

28 Ary hampianariny ny zanany ny ahivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo.

29 Ary ny mponina ao i Ziona dia hanaja koa ny andro aSabata mba hitandrina izany ho masina.

30 Ary ny mponina ao i Ziona dia hahatsiaro amim-pahatokiana tanteraka koa ny asany, raha voatendry hiasa izy ireo; fa ny kamo dia hotsarovana eo anoloan’ny Tompo.

31 Ankehitriny, Izaho Tompo dia tsy mankasitraka ny mponin’i Ziona fa misy akamo eo anivony; ary mitombo koa ao amin’ny bfaharatsiana ny zanany; tsy dkatsahiny amin-kafanam-po tokoa ny haren’ny mandrakizay, fa feno fimatimatesan-karena ny masony.

32 Tsy tokony hisy ireny zavatra ireny ary tsy maintsy foanana any anivony; koa aoka i Oliver Cowdery mpanompoko hitondra ireo teny ireo any an-tanin’i Ziona.

33 Ary didy no omeko azy ireo—fa izay tsy mitandrina ny afivavany eo anoloan’ny Tompo amin’ny fotoana mahamety izany, dia aoka izy bhotsarovana eo anoloan’ny mpitsaran’ny vahoakako.

34 Marina sy mahatoky ireto ateny ireto; koa aza mandika izany, na bmanaisotra amin’izany.

35 Indro, Izaho no aAlfa sy Omega, ary bavy faingana Aho. Amena.