Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69


Fizarana 69

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, 11 nôvambra 1831. Ny fitambaran’ireo fanambarana izay natao havoaka mialoha dia efa nankatoavin’ny fihaonambe manokana ny 1–2 nôvambra. Ny 3 nôvambra dia nampidirina ilay fanambarana izay miseho etoana ho fizarana 133, izay nantsoina hoe Tovana taty aoriana. Efa voatendry tany aloha i Oliver Cowdery hitondra ny dika tanan’ireo fanambarana sy didy natambatra ho any Independence, Missouri mba hanonta izany. Tokony hoentiny miaraka aminy koa ny vola izay efa narotsaka mba ho fananganana ny Fiangonana any Missouri. Ity fanambarana ity dia nanome torolalana an’i John Whitmer handeha hiaraka amin’i Oliver Cowdery ary koa nanendry an’i Whitmer mba hanao dia hanangonany ny tantara noho ny antsony izay amin’ny maha-mpahay tantara sy mpitambokin’ny Fiangonana.

1–2, Tokony hiaraka amin’i Oliver Cowdery ho any Missouri i John Whitmer; 3–8, Tokony hitory sy hanangona, hirakitra sy hanoratra ireo toe-javatra ara-tantara koa izy.

1 Mihainoa Ahy noho ny amin’i aOliver Cowdery mpanompoko, hoy ny Tompo Andriamanitrareo. Tsy fahendrena Amiko ny tokony hanakinana aminy ireo didy sy vola izay hoentiny ho any an-tanin’i Ziona, raha tsy misy anankiray izay ho marina sy ho mahatoky handeha hiaraka aminy.

2 Koa sitrako, Izaho Tompo, ny handehanan’i aJohn Whitmer mpanompoko hiaraka amin’i Oliver Cowdery;

3 Ary koa ny hanohizany ny fanoratana sy ny fanaovana ny atantaran’ireo zavatra manan-danja izay hodinihiny sy ho fantany momba ny fiangonako;

4 Ary koa ny handraisany atorohevitra sy fanampiana avy amin’i Oliver Cowdery mpanompoko sy ny hafa.

5 Ary ireo mpanompoko koa izay miely any amin’ny vazan-tany dia tokony handefa ny tatitry ny afitantanan-draharahany any an-tanin’i Ziona;

6 Fa ny tanin’i Ziona dia ho foibe sy ho toerana handraisana sy hanaovana ireny zavatra rehetra ireny.

7 Kanefa, aoka i John Whitmer mpanompoko handeha isan-toerana sy isam-piangonana matetika, mba hahazoany fahalalana moramora kokoa—

8 Ka hitory sy hamelabelatra, hanoratra, handika, hifantina ary hahazo ny zava-drehetra izay ho tombontsoan’ny fiangonana sy ny taranaka vao misondrotra, izay hitombo ao an-tanin’i aZiona ka hizaka izany hatramin’ny taranaka faramandimby ary mandrakizay mandrakizay. Amena.