Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6


Fizarana 6

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao Harmony, Pennsylvania ny volana aprily 1829. Natombok’i Oliver Cowdery ny asan’ny mpitantsoratra tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny 7 aprily 1829. Efa avy nandray ny fanehoana avy amin’ Andriamanitra ny amin’ny fahamarinan’ny tenivavolombelon’ny Mpaminany momba ireo takelaka izay nisokirana ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna izy. Nanontany ny Tompo tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny Mpaminany ary nandray izao valinteny izao.

1–6, Mahazo ny famonjena ireo mpiasa ao amin’ny sahan’ny Tompo; 7–13, Tsy misy fanomezam-pahasoavana lehibe kokoa noho ny fanomezana ny famonjena; 14–27, Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny fanahy ny vavolombelon’ny fahamarinana; 28–37, Banjino i Kristy ary manaova soa lalandava.

1 Asa lehibe sy amahatalanjona no efa akaiky hitranga ho an’ny zanak’olombelona.

2 Indro, Izaho no Andriamanitra; mampandria sofina amin’ny ateniko izay mailaka sy mahery, bmaranitra kokoa noho ny sabatra roa lela ka manasaraka ny famavany sy ny tsoka; koa mampandria sofina amin’ny teniko.

3 Indro, efa masaka sahady ny aeny an-tsaha mba hojinjaina; koa na zovy na zovy no maniry hijinja, dia aoka izy handroso ny antsimbilony amin’ny heriny ary hijinja raha mbola maharitra ny andro, mba hahazoany mirakitra famonjena maharitra mandrakizay ho an’ny fanahiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

4 Eny, na zovy na zovy no ahandroso ny antsimbilony sy hijinja, dia izy no antsoin’ Andriamanitra.

5 Koa raha amangataka Amiko ianareo dia hahazo; raha mandondona ianareo dia hovohana.

6 Ankehitriny, satria efa nangataka ianareo, dia indro, lazaiko aminareo, tandremo ny didiko ary akatsaho ny hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i bZiona;

7 Aza amikatsaka bharena fa dfahendrena kosa, dia indro, hovelarina aminareo ny emisterin’ Andriamanitra ary amin’izany dia hatao manan-karena ianareo. Indro, izay manana ny ffiainana mandrakizay no manan-karena.

8 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, hatao aminareo araka izay irinareo Amiko; ary raha irinareo, dia ianareo no ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be amin’ity taranaka ity.

9 Aza milaza na inona na inona afa-tsy afibebahana amin’ity taranaka ity; tandremo ny didiko, ary ampio mba hiroborobo ny asako, araka ny didiko, dia hotahiana ianareo.

10 Indro manana fanomezam-pahasoavana ianao, ary tahiana ianao noho ny fanomezam-pahasoavana anananao. Tsarovy fa amasina sy avy any ambony izany—

11 Ary raha amanontany ianao, dia ho fantatrao ireo bmistery izay lehibe sy mahatalanjona; koa hampiasa ny dfanomezam-pahasoavana izay anananao ianao, mba hahazoanao mahita ireo mistery ka hahazoanao mitondra ny maro ho amin’ny fahalalana ny marina, eny, emandresy lahatra azy ireo ny amin’ny hadisoan’ny lalany.

12 Aza ampahafantarina na iza na iza ny fanomezam-pahasoavana anananao afa-tsy ireo izay iray finoana aminao. Aza hamaivanina ireo azava-masina.

13 Raha manao ny tsara ianao, eny, ary amijanona ho bmahatoky hatramin’ny dfarany dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, izay lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra; fa tsy misy fanomezana lehibe kokoa noho ny fanomezana ny efamonjena.

14 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, sambatra ianao noho izay efa nataonao; fa efa ananontany Ahy ianao, ary indro, isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ny Fanahiko. Raha tsy izany dia tsy ho tonga teo amin’ny toerana izay misy anao amin’izao fotoana izao ianao.

15 Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny asainao Aho; Ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra ireto mba hahafantaranao fa efa nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana ianao;

16 Eny, lazaiko aminao mba hahafantaranao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no amahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ny bfonao.

17 Lazaiko aminao ireto zavatra ireto ho vavolombelona aminao—fa ny teny na ny asa izay efa nosoratanao dia amarina.

18 Koa amazotoa, btohano amim-pahatokiana tokoa i Joseph mpanompoko, na toa inona na toa inona toe-javatra sarotra mety hisy azy noho ny teny.

19 Anaro izy noho ny hadisoany, ary raiso koa ny fananarana avy aminy. Mahareta; manàna fahamaotinana; mahonona tena; manàna faharetana, finoana, fanantenana ary fiantrana.

20 Indro, ianao no Oliver, ary efa niteny taminao Aho noho ny fanirianao; koa araketo ao am-ponao ireto teny ireto. Aoka ho mahatoky sy ho mazoto amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ianao dia hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavako Aho.

21 Indro, Izaho no Jesoa Kristy, Ilay aZanak’ Andriamanitra. Izaho Ilay tonga tany amin’ny bAhy, ary ny Ahy tsy nandray Ahy. Izaho no dfahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny ehaizina, ary ny haizina tsy mahazo izany.

22 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba ahahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ireto zavatra ireto.

23 Tsy nilaza afiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no bvavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?

24 Ary ankehitriny indro, efa nahazo vavolombelona ianao; fa raha efa nolazaiko anao ireo zavatra izay tsy misy olona mahafantatra, tsy efa nahazo vavolombelona va ianao?

25 Ary indro, toviko aminao ny fanomezam-pahasoavana handikana teny, toa an’i Joseph ampanompoko, raha irinao Amiko izany.

26 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa misy ireo arakitsoratra izay mirakitra ny ankabeazan’ny filazantsarako izay efa nafenina noho ny bfaharatsian’ny olona;

27 Ary ankehitriny mandidy anao Aho, fa raha manana faniriana tsara ianao—faniriana hihary rakitsoa ho an’ny tenanao any an-danitra—dia hanampy amin’ny fitondrana ho amin’ny mazava ireo ampahany amin’ny asoratro masina izay nafenina noho ny faharatsiana ianao, amin’ny fanomezam-pahasoavana anananao.

28 Ary ankehitriny, indro omeko anao, ary koa an’i Joseph mpanompoko, ny fanalahidin’io fanomezam-pahasoavana io izay hitondra ity asa fanompoana ity ho amin’ny hazavana; ary amin’ny tenin’ny avavolombelona roa na telo no hanorenana ny teny rehetra.

29 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha laviny ny teniko sy ity ampahany amin’ny filazantsarako ary ny asa fonompoako ity, dia sambatra ianareo, satria tsy afaka manao misimisy kokoa aminareo mihoatra noho ny Amiko izy.

30 Ary raha aataony aminareo aza ny toy izay efa nataony Tamiko, dia sambatra ianareo fa bhiara-mitoetra Amiko ao amin’ny dvoninahitra.

31 Fa raha tsy alaviny kosa ny teniko izay haorin’ny btenivavolombelona izay homena, dia sambatra izy, ary amin’izany ianareo dia hanam-pifaliana amin’ny vokatry ny asanareo.

32 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, toy izay nolazaiko tamin’ny mpianatro, fa na aiza na aiza no iarahan’ny roa na telo amiangona amin’ny anarako, ary na inona na inona antony, dia indro, ho eo bafovoany Aho—tahaka izany koa dia eo afovoanareo Aho.

33 aAza matahotra ny hanao soa, anaka, fa izay bafafinareo no hojinjainareo; koa noho izany, raha mamafy soa ianareo dia hijinja ihany koa ny soa ho valiny.

34 Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ny avatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.

35 Indro, tsy manameloka anareo Aho; mandehana ary aza amanota intsony; tontosao amin’ny fahamaotinana ny asa izay efa nandidiako anareo.

36 aBanjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

37 aIndro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ny bfantsika amin’ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia dhandova ny efanjakan’ny lanitra ianareo. Amena.