Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70


Fizarana 70

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny 12 nôvambra 1831. Ny tantaran’ny Mpaminany dia milaza fa fihaonambe manokana efatra no natao nanomboka ny 1 ka hatramin’ny 12 nôvambra iray manontolo. Nandritra ny fivoriana farany tamin’ireo fivoriana ireo no nandinihana ny maha-zava-dehibe ireo fanambarana izay aty aoriana havoaka hoe Book of Commandments (ny Bokin’ny Didy) ary avy eo hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Io fanambarana io dia nomena taorian’ny nandanian’ny fihaonambe fa “sarobidy mihoatra noho ny haren’ny Tany manontolo” ireo fanambarana ireo. Ny tantaran’i Joseph Smith dia niantso ireo fanambarana hoe “fototry ny Fiangonana amin’izao andro farany izao, sy tombontsoan’izao tontolo izao izay maneho fa ireo fanalahidin’ireo misterin’ny fanjakan’ny Mpamonjy antsika dia ankinina amin’olombelona indray.”

1–5, Notendrena ireo mpitantan-draharaha mba hamoaka ireo fanambarana; 6–13, Ireo izay miasa ao amin’ny zava-panahy dia mendrika ny karamany; 14–18, Tokony hitovy ny Olomasina eo amin’ny zavatr’izao fiainana izao.

1 Indro, ary mihainoa, ô ianareo Ry mponin’i Ziona, ary ianareo rehetra vahoakan’ny fiangonako izay any lavitra dia mandrenesa ny tenin’ny Tompo, izay omeko an’i Joseph Smith zanany mpanompoko, ary koa an’i Martin Harris mpanompoko, ary koa an’i Oliver Cowdery mpanompoko, ary koa an’i John Whitmer mpanompoko, ary koa an’i Sidney Rigdon mpanompoko ary an’i William W. Phelps mpanompoko amin’ny alalan’ny didy ho azy ireo.

2 Fa omeko azy ireo ny didy; koa mihainoa ary mandrenesa, fa izao no lazain’ny Tompo amin’izy ireo—

3 Izaho Tompo dia efa nanendry sy nanokana azy ireo ho ampitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana sy didy izay efa nomeko azy ireo ary izay homeko azy ireo, rahatrizay;

4 Ary ny tatitra ny amin’izany fitantanan-draharaha izany, dia hotakiako amin’izy ireo amin’ny andro fitsarana.

5 Koa efa notendreko izy ireo, ary izany no raharahany ao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra, mba hitantana izany sy ny momba izany, eny, ny tombontsoan’izany.

6 Koa didy no omeko ho azy ireo, tsy hanomezany ireo zavatra ireo ho an’ny fiangonana na ho an’izao tontolo izao;

7 Kanefa raha mandray mihoatra noho izay ilaina ho an’ny fahatereny sy ny tadiaviny izy ireo, dia homena ho an’ny atrano fitehirizako izany;

8 Ary ny tombontsoa dia hatokana ho an’ny mponin’i Ziona sy ho an’ny taranany, raha toa ireo ka lasa ampandova araka ny lalàn’ny fanjakana.

9 Indro, izany no takian’ny Tompo amin’ny olona tsirairay amin’ny afitantanan-draharahany, dia araka izay efa notendreko na izay hotendreko rahatrizay ho an’ny olon-drehetra.

10 Ary indro, tsy misy amin’ireo, izay isan’ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona, afaka amin’izany lalàna izany;

11 Eny, na ny eveka, na ny ampandraharaha izay mitantana ny trano fitehirizan’ny Tompo, na izay voatendry ho amin’ny fitantanan-draharaha momba ny zavatr’izao fiainana izao.

12 Izay voatendry hitantana ireo zavatra ara-panahy dia amendrika ny karamany, dia tahaka ireo izay voatendry ho amin’ny fitantanan-draharaha mba hitantana ny zavatr’izao fiainana izao;

13 Eny, be be kokoa aza, dia habetsahana izay ampitomboana ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanehoan’ny Fanahy.

14 Kanefa dia ahitovy ianareo raha ny amin’ny zavatrareo eo amin’izao fiainana izao, nefa tsy hoe noho ny tsy fidiny izany fa raha tsy izany dia hotanana ny habetsahan’ny fanehoan’ny Fanahy.

15 Ankehitriny izany adidy izany dia omeko ho an’ireo mpanompoko ho tombontsoany, raha mbola velona izy ireo, ho fanehoana ny fitahiako eo ambony lohany sy ho valisoany noho ny bfahazotoany ary ho fiarovana azy ireo;

16 Ho haniny sy ho afitafiany; ho lovany; ho trano sy ho tany, na inona na inona toe-javatra hametrahako Izaho Tompo azy ireo, ary na aiza na aiza toerana hanirahako Izaho Tompo azy ireo.

17 Fa efa nahatoky tamin’ny azavatra maro izy ireo ary efa nahefa tsara tokoa noho izy tsy nanota.

18 Indro, Izaho Tompo dia afeno famindram-po ka hitahy azy ireo, ary izy ireo dia hiditra ao amin’ny fifalian’ireo zavatra ireo. Izany tokoa. Amena.