Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71


Fizarana 71

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Hiram, Ohio ny 1 desambra 1831. Nanohy ny fandikana ny Baiboly ny Mpaminany, ka i Sidney Rigdon no mpitantsoratra, ambara-pandraisana ity fanambarana ity, ka namelany izany vetivety tamin’izay fotoana izay, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny toromarika nomena teo amin’izany. Ireo rahalahy dia tokony handeha hitory mba hampitony ny rivom-pankahalana izay efa nitombo nanohitra ny Fiangonana, vokatry ny famoahana taratasy maromaro nosoratan’i Ezra Booth izay efa nivadika.

1–4, Irahina hanambara ny filazantsara i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon; 5–11, Hatao mangaihay ireo fahavalon’ny Olomasina.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo aminareo ry mpanompoko isany, i Joseph Smith zanany sy i aSidney Rigdon, fa efa tonga marina tokoa ny fotoana ka ilaina sady mety Amiko ny hanokafanareo ny vavanareo bhanambara ny filazantsarako, ireo zavatry ny fanjakana’, hamelabelatra ny dmisteriny avy ao amin’ny soratra masina, araka ny ampahany amin’ny Fanahy sy ny hery izay homena anareo, dia araka izay sitrapoko.

2 Lazaiko aminareo marina tokoa, mitoria amin’izao tontolo izao sy amin’ny faritra manodidina ary amin’ny fiangonana koa, mandritra ny fotoana voafetra, ambara-pahatonga izany hampahafantarina anareo.

3 Marina tokoa fa izany dia asa fitoriana mandritra ny fotoana voafetra izay omeko anareo.

4 Koa miasà ao amin’ny tanimboaloboko ianareo. Antsoy ireo mponin’ny tany ka mijoroa ho vavolombelona ary omano ny lalana ho an’ireo didy sy fanambarana izay ho avy.

5 Ankehitriny, indro, fahendrena izany; na zovy na zovy mamaky dia aoka izy ahahatakatra sy bhandray koa;

6 Fa izay mandray no homena abe dia be kokoa, dia hery izany.

7 Koa, aataovy mangaihay ny fahavalonareo; antsoy izy ireo bhihaona aminareo na an-kalamanjana na any amin’ny toerana mitokana; ary raha mahatoky ianareo dia haharihary ny henany.

8 Koa aoka izy ireo hitondra ny fandaharan-teny maheriny hanoherana ny Tompo.

9 Marina tokoa fa izao no lazain’ny Tompo aminareo—tsy misy afiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo;

10 Ary raha misy olona manandratra ny feony manohitra anareo, dia hatao mangaihay izy amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

11 Koa tandremo ny didiko; marina sy mahatoky izany. Izany tokoa. Amena.