Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72


Fizarana 72

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirland, Ohio, ny 4 desambra 1831. Niara-nivory ny loholona sy ny mpikambana maromaro mba hianatra ny andraikiny ary hiorina bebe kokoa ao amin’ny fampianaran’ny Fiangonana. Ity fizarana ity dia fanatambarana fanambarana telo voaray ny androtriny. Ny andininy 1 ka hatramin’ny 8 dia mampahafantatra ny fiantsoana an’i Newel K. Whitney ho eveka. Nantsoina izy tamin’izay ka nohosorana, ary voaray taorian’izay ny andininy 9 ka hatramin’ny 23, izay nanome fanampim-panazavana momba ny andraikitry ny eveka. Nomena taorian’izany ny andininy 24 ka hatramin’ny 26, izay nanome torolalana mikasika ny fanangonana ho any Ziona.

1–8, Tokony hanao tatitra amin’ny eveka momba ny fintantanan-draharahany ireo loholona; 9–15, Ny eveka no mitantana ny trano fitehirizana ary miahy ny mahantra sy ny sahirana; 16–26, Tokony hohamarinin’ny eveka ny fahamendrehan’ireo loholona.

1 Mihainoa sy mandrenesa ny feon’ny Tompo, ô ianareo izay efa niara-tafavory, izay ampisorona avon’ny fiangonako, izay efa nomena ny bfanjakana sy ny hery.

2 Fa izao marina tokoa no lazain’ny Tompo hoe, ilaina Amiko ny hanendrena aeveka ho anareo na avy aminareo ho an’ny fiangonana ao amin’ity faritry ny tanimboaloboky ny Tompo ity.

3 Ary marina tokoa fa efa nataonareo tamim-pahendrena ny momba ity zavatra ity, fa takian’ny Tompo amin’ny ampitantan-draharaha tsirairay ny hanaovany btatitra momba ny dfitantanan-draharahany, na amin’ny fotoam-pahavelomana na amin’ny mandrakizay.

4 Fa izay mahatoky sy ahendry amin’ny fotoana dia isaina ho mendrika ny handova ireo btrano nomanin’ny Raiko ho azy.

5 Lazaiko aminareo marina tokoa, ireo loholon’ny fiangonana ao amin’ity faritry ny atanimboaloboko ity dia hanao tatitra momba ny fitantanan-draharahany amin’ny eveka izay hotendreko ao amin’ity faritry ny tanimboaloboko ity.

6 Hotanana ao amin’ny rakitsoratra izany zavatra izany ka hatolotra ny evekan’i Ziona.

7 Ary ny andraikitry ny aeveka dia hampahafantarina amin’ny alalan’ireo didy izay efa nomena sy ny feon’ny fihaonambe.

8 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa i aNewel K. Whitney mpanompoko no ilay lehilahy izay hotendrena sy hatokana ho amin’izany hery izany. Izany no sitrapon’ny Tompo Andriamanitrareo, ny Mpanavotra anareo. Izany tokoa. Amena.

9 Ny tenin’ny Tompo, ho fanampin’ny lalàna izay efa nomena ka mampahafantatra ny andraikitry ny eveka izay efa natokana ho an’ny fiangonana ao amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity, dia toy izao marina tokoa—

10 Ny hitantana ny atrano fitehirizan’ny Tompo; ny handray ny tahirimbolan’ny fiangonana ao amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity;

11 Ny handray ny tatitr’ireo loholona araka izay nandidiana izany tetsy aloha; ary ny ahikarakara izay ilain’izy ireo, ary ny handoa izay horaisin’izy ireo raha toa ka manan-kandoavana izy ireo;

12 Mba hahazoana manokana izany koa ho an’ny tombontsoan’ny fiangonana, ho an’ny mahantra sy ny sahirana.

13 Ary izay tsy amanan-kandoavana dia handraisana tatitra hatolotra ny evekan’i Ziona izay handoa ny trosa amin’izay hapetraky ny Tompo eo an-tanany.

14 Ary ny asan’ny mahatoky izay miasa ao amin’ny zavatra ara-panahy, amin’ny fitondrana ny filazantsara sy ny zavatry ny fanjakana amin’ny fiangonana sy amin’izao tontolo izao, dia ny hanefa ny trosa amin’ny eveka ao Ziona;

15 Dia toy izany no ivoahan’izany avy ao amin’ny fiangonana, satria araka ny alalàna, ny olona tsirairay izay miakatra ao Ziona dia tsy maintsy mametraka ny zava-drehetra eo anoloan’ny eveka ao Ziona.

16 Ary ankehitriny, lazaiko aminareo marina tokoa, fa satria ny loholona tsirairay amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity dia tsy maintsy manome ny eveka ny tatitry ny fitantanan-draharahany ao amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity—

17 Ny ataratasy fanamarinana, avy amin’ny mpitsara na ny eveka ao amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity ho an’ny evekan’i Ziona, dia mahatonga ny lehilahy tsirairay ho mendrika sy mahafeno ny fepetra rehetra hahazoany lova, ary handraisana azy ho toy ny bmpitantan-draharaha hendry sy ho toy ny mpiasa mahatoky;

18 Raha tsy izany dia tsy hoeken’ny evekan’i Ziona izy.

19 Ary ankehitriny lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ny loholona tsirairay izay hanao tatitra amin’ny evekan’ny fiangonana ao amin’ity faritry ny tanimboaloboka ity hanana teny fankasitrahana momba ny tenany avy amin’ny fiangonana, na ireo fiangonana izay iasany, mba hahatonga ny tenany sy ny tatitra ataony hankatoavina amin’ny zava-drehetra.

20 Ary ankoatra izany, dia aoka ireo mpanompoko izay voatendry ho mpitantan-draharaha hiandraikitra ny aasa soratra momba ny fiangonako hanana zo hangataka fanampiana amin’ny eveka na ireo eveka amin’ny zava-drehetra—

21 Mba ho azo avoaka ireo afanambarana ka handeha hatrany am-paran’ny tany; mba hahazoany tahirim-bola koa izay ho tombontsoan’ny fiangonana amin’ny zava-drehetra;

22 Mba hahatonga azy ireo koa hankasitrahana amin’ny zava-drehetra ary hoheverina ho toy ny mpitantan-draharaha hendry.

23 Ary ankehitriny indro, izany dia ho fianarana ho an’ireo sampana midoroboka rehetra amin’ny fiangonako, na aiza na aiza tany hiorenany. Ary ankehitriny dia mamarana ny filazako Aho. Amena.

24 Teny vitsivitsy ho fanampin’ireo lalàn’ny fanjakana, momba ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana—ireo izay avoatendrin’ny Fanahy Masina mba handeha hiakatra ao Ziona—

25 Aoka izy ireo hitondra ho an’ny eveka fanamarinana avy amin’ny loholona telo ao amin’ny fiangonana, na fanamarinana avy amin’ny eveka;

26 Raha tsy izany dia tsy hoheverina ho toy ny mpitantan-draharaha hendry izay handeha hiakatra ao an-tanin’i Ziona. Izany koa dia ho fianarana. Amena.