Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73


Fizarana 73

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Hiram, Ohio, ny 10 janoary 1832. Hatramin’ny tapany voalohan’ny volana desambra lasa teo, dia efa nirotsaka tamin’ny fitoriana ny Mpaminany sy i Sidney, ary tamin’izany dia be no vita ho fampihenana ireo fihetsika nisy tsy fankasitrahana izay nipoitra mba hanohitra ny Fiangonana (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 71).

1–2, Tokony hanohy ny fitoriana ireo loholona; 3–6, Tokony hanohy ny fandikana ny Baiboly mandra-pahavitany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

1 Fa izao marina tokoa hoy ny Tompo, ilaina Amiko ny ahanohizan’izy ireo ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanentanana ireo fiangonana eny amin’ny faritra manodidina mandra-pahatongan’ny fihaonambe;

2 Ary amin’izay, dia indro, hampahafantarina azy ireo amin’ny alalan’ny afeon’ny fihaonambe ny asa anirahana ny tsirairay.

3 Ankehitriny dia lazaiko aminareo marina tokoa ry mpanompoko isany, i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon, hoy ny Tompo, afa ilaina indray ny bhandikana teny;

4 Ary araka izay azo atao, ny hitoriana eny amin’ny faritra manodidina mandra-pahatongan’ny fihaonambe; ary aorian’izany dia ilaina ny hanohizana ny asa fandikan-teny mandra-pahavitany.

5 Ary aoka izany ho toromarika ho an’ireo loholona, ambara-pisian’ny fanampim-pahalalana, araka izay voasoratra.

6 Ankehitriny dia tsy omeko bebe kokoa ianareo amin’izao fotoana izao. aSikino ny valahanareo ary mahonòna tena. Izany tokoa. Amena.