Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74


Fizarana 74

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao amin’ny Fivondronan’i Wayne, New York, tamin’ny 1830. Na dia talohan’ny niorenan’ny Fiangonana aza dia efa nipoitra ny fanontaniana mikasika ny tena fomba fanaovana batisa, ka nitarika ny mpaminany hikatsaka valiny momba izany lohahevitra izany. Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa io fanambarana io dia fanazavana ny 1 Korintiana 7:14, soratra masina iray izay nampiasaina matetika mba hanamarinana ny fanaovana batisan’ny zaza.

1–5, Notaomin’i Paoly ny Fiangonana tamin’ny androny tsy hitandrina ny lalàn’i Mosesy; 6–7, Masina sy voadio amin’ny alalan’ny sorompanavotana ny ankizy madinika.

1 Fa ny lahy atsy mino dia efa masina amin’ny alalan’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa masina amin’ny alalan’ny lahy; raha tsy izany dia tsy madio ny zanakareo, saingy masina izy ireo ankehitriny.

2 Ankehitriny, tamin’ny andron’ireo apôstôly, dia nampiharina tany anivon’ny Jiosy rehetra izay tsy nino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny lalàn’ny famorana.

3 Ary ny zava-nitranga dia teraka ny afifandirana lehibe tany anivon’ny vahoaka momba ny lalàn’ny bfamorana, fa ny lahy tsy nino dia naniry ny zanany ho foràna sy ho eo ambany fifehezan’ny dlalàn’i Mosesy, lalàna izay efa tanteraka.

4 Ary ny zava-nitranga dia nanaraka ny afomban-drazany ireo zanany izay nobeazina tao amin’ny fanoavana ny lalàn’i Mosesy, ka tsy nino ny filazantsaran’i Kristy, noho izany dia nanjary tsy masina izy ireo.

5 Koa noho izany antony izany, dia nanoratra ho an’ny fiangonana ny apôstôly nanome azy ireo didy, tsy avy amin’ny Tompo fa avy amin’ny tenany, fa ny mino dia tsy tokony ahiray amin’ny tsy mino, raha tsy foanana eo anivony ny blalàn’i Mosesy,

6 Ka ny zanany dia tsy handalo famoràna; ary hofoanana ny fomba izay milaza fa tsy masina ny ankizy madinika; fa nampiharina tany anivon’ny Jiosy izany;

7 Saingy ny aankizy madinika dia bmasina, satria dvoadio tamin’ny alalan’ny esorompanavotan’i Jesoa Kristy; ary izany no tian’ny soratra masina holazaina.