Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78


Fizarana 78

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 1 martsa 1832. Tamin’io andro io dia nivory mba hiresaka momba ny raharahan’ny Fiangonana ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa. Ity fanambarana ity tamin’ny voalohany dia nanome torolalana ny Mpaminany, sy i Sidney Rigdon ary i Newel K. Whitney mba handeha any Missouri ka handrindra ny asa ahazoam-bola sy ny asa famoaham-boky an’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fananganana “orinasa” iray izay hanara-maso ireo ezaka atao ireo ka hamokatra vola mba hanorenana an’i Ziona sy ho tombontsoan’ny mahantra. Natsangana tamin’ny aprily 1832 io orinasa io izay nantsoina hoe Orinasa Miray ary noravana tamin’ny 1834 (jereo ny fizarana 82). Taorian’ny nandravana izany dia nosoloina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith ho lasa “raharahan’ny trano fitehirizana ho an’ny mahantra” ilay andian-teny hoe “orinasam-barotra sy orinasa mpamoaka boky” tao amin’ity fanambarana ity, ary nosoloina hoe “rafitra” ilay teny hoe “orinasa.”

1–4, Tokony hanangana sy hanorina trano fitehirizana ny Olomasina; 5–12, Ny fampiasany ny fananany amim-pahendrena dia hitondra azy any amin’ny famonjena; 13–14, Tokony tsy hiankina amin’ireo fahefana eto an-tany ny Fiangonana; 15–16, Nanompo teo ambany fahefan’ny Iray Masina (i Kristy) i Mikaela (i Adama); 17–22, Sambatra ny mahatoky fa izy no handova ny zava-drehetra.

1 Niteny tamin’i Joseph Smith zanany ny Tompo, nanao hoe: Mihainoa Ahy, hoy ny Tompo Andriamanitrareo, ianareo izay voatokana ho amin’ny afisoronana avo amin’ny fiangonako, izay efa niara-tafavory;

2 Ary henoy ny atorohevitr’ilay efa bnanokana anareo avy any ambony, izay hiteny eo an-tsofinareo ny tenin’ny fahendrena, mba hahazo famonjena ianareo amin’ity zavatra efa narosonareo ho eo anoloako ity, hoy ny Tompo Andriamanitra.

3 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, efa tonga ny fotoana ary efa antomotra izany; ary indro ka jereo, tsy maintsy ilaina ny hisian’ny afandaminana ny vahoakako amin’ny fandrindrana sy fiandraiketana ny raharahan’ny btrano fitehirizana ho an’ny dmahantra amin’ny vahoakako, na ao amin’ity toerana ity na any an-tanin’i eZiona

4 Ho fandaminana sy ho rafitra mateza sy maharitra mandrakizay ho an’ny fiangonako mba hampandroso ny foto-kevitra izay efa nirotsahanareo ho famonjena ny olona, sy ho voninahitry ny Rainareo izay any an-danitra;

5 Ka hahatonga anareo ahitovy amin’ny famatoran’ny zavatra any an-danitra, eny, ary ny zavatra ety an-tany koa, mba hahazoana ny zavatra any an-danitra.

6 Fa raha tsy mitovy ianareo amin’ny zavatra ety an-tany, dia tsy afaka ny hitovy ianareo amin’ny fahazoana ny zavatra any an-danitra;

7 Fa raha tianareo ny hanomezako anareo toerana ao amin’ny atontolo selestialy, dia tsy maintsy bmanomana ny tenananareo ianareo amin’ny dfanaovana ny zavatra izay efa nandidiako anareo ary notakiako taminareo.

8 Ary ankehitriny, dia toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo, ilaina ny hanaovana ny zava-drehetra ho avoninahitro, amin’ny alalanareo izay miara-mikambana ao amin’ity brafitra ity;

9 Na amin’ny teny hafa, aoka i Newel K. Whitney mpanompoko sy i Joseph Smith zanany mpanompoko ary i Sidney Rigdon mpanompoko hiara-midinika amin’ireo olomasina izay ao i Ziona;

10 Fa raha tsy izany, dia mikatsaka ny hampihodina ny fony hiala amin’ny fahamarinana i aSatana ka hahatonga azy ireo ho jamba ary tsy hahatakatra ny zavatra izay voaomana ho azy ireo.

11 Koa didy no omeko anareo mba hiomananareo sy handaminanareo ny tenanareo amin’ny alalan’ny fifamatorana na ny afanekempihavanana maharitra mandrakizay izay tsy azo ravana.

12 Ary izay mandrava izany dia hamery ny anjara fanompoany sy ny toerany ao amin’ny fiangonana ary hatolotra ho amin’ny afampijalian’i Satana mandra-pahatongan’ny andro fanavotana.

13 Indro izany no fanomanana izay anomanako anareo ary ny fanorenana sy ny fianarana izay omeko anareo, izay ahazoanareo manatontosa ny didy izay omena anareo;

14 Mba ho amin’ny alalan’ny fitondrako, na dia eo aza ny afahoriana izay hanjo anareo, no hahazoan’ny fiangonana mijoro ho mahaleo tena ambonin’ireo voary hafa rehetra ambanin’ny tontolo selestialy;

15 Mba hahatraranareo ny asatroboninahitra voaomana ho anareo ary hahatonga anareo ho bmpanapaka amin’ireo fanjakana maro, hoy ny Tompo Andriamanitra, ny Iray Masin’i Ziona izay efa nandatsaka ny fanorenana an’i dAdama-ondia-Amàna;

16 Izay efa nanendry an’i aMikaela ho printsinareo ary efa nampijoro ny tongony sy efa nametraka azy ho ambony ary nanome azy ny fanalahidin’ny famonjena, teo ambanin’ny torohevitra sy ny fitarihan’ny Iray Masina izay tsy misy fiandohan’andro na fiafaram-piainana.

17 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ianareo dia ankizy madinika ary tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana eo an-tanan’ny Ray ary nomaniny ho anareo;

18 Ary tsy amahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa bhitari-dalana anareo Aho. Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny dmandrakizay.

19 Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ny afankasitrahana dia hatao be voninahitra; ary ny zavatry ny tany dia hanampy ho azy, avo bzato heny, eny, mihoatra aza.

20 Koa ataovy ny zavatra izay efa nandidiako anareo, hoy ny Mpanavotra anareo, dia i aAmàna Zanaka izay manomana ny zava-drehetra mialoha ny bhakany anareo;

21 Fa ianareo no afiangonan’ny Lahimatoa, ary bhakariny ao amin’ny rahona ianareo ary homeny ny olona tsirairay ny anjarany.

22 Ary izay mahatoky sy ampitantan-draharaha bhendry dia handova ny dzava-drehetra. Amena.