Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79


Fizarana 79

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny volana martsa 1832.

1–4, Nantsoin’ny Mpampionona i Jared Carter mba hitory ny filazantsara.

1 Lazaiko aminao marina tokoa fa sitrapoko ny handehanan’i Jared Carter mpanompoko indray ho any amin’ny tany atsinanana, isan-toerana sy isan-tanàna, amin’ny herin’ny afanokanana izay efa nanokanana azy, hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe, dia ny filazantsara maharitra mandrakizay.

2 Ary hirahiko ho eo aminy ny aMpampionona izay hampianatra azy ny fahamarinana sy ny lalana izay hizorany;

3 Ary raha mahatoky izy dia hosatrohako amboara indray.

4 Koa aoka hifaly ny fonao ry Jared Carter mpanompoko, ary aza amatahotra, hoy ny Tomponao, dia i Jesoa Kristy. Amena.