Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80


Fizarana 80

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Stephen Burnett, tao Hiram, Ohio, ny 7 martsa 1832.

1–5, Nantsoina i Stephen Burnett sy i Eden Smith hitory amin’ny toerana rehetra nofinidin’izy ireo.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Stephen Burnett mpanompoko: Mandehana ianao, mandehana ianao mankany amin’izao tontolo izao ary amitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra izay manatona ka takatry ny feonao.

2 Ary satria mitady namana ianao, dia homeko anao i Eden Smith mpanompoko.

3 Koa mandehana ianareo ary mitoria ny filazantsarako, na any avaratra, na any atsimo, na any atsinanana, na any andrefana, tsy maninona izany fa tsy mety ho diso lalana ianareo.

4 Koa ambarao ny zavatra izay efa renareo sy inoanareo marina tokoa ary afantatrareo fa marina.

5 Indro izany no sitrapon’ilay efa aniantso anareo, ny Mpanavotra anareo, dia i Jesoa Kristy. Amena.