Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81


Fizarana 81

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Hiram, Ohio, ny 15 martsa 1832. Voantso ho mpisorona avo sy ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana ny Fisoronana Avo i Frederick G. Williams. Ireo rakitsoratra ara-tantara dia mampiseho fa nony noraisina ity fanambarana ity ny volana martsa 1832, dia niantso an’i Jesse Gause ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpanolotsaina ho an’i Joseph Smith tao amin’ny Fiadidiana izany. Kanefa rehefa tsy nitozo ny fahavarany tamin’io antso io dia nomena an’i Frederick G. Williams ilay antso taty aoriana. Tokony horaisina ho toy ny dingana mankany amin’ny fananganana ny Fiadidiana Voalohany araka ny fitsipika ilay fanambarana (mitondra ny datin’ny volana martsa 1832) izay niantso manokana ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpanolotsaina eo amin’izany Fiadidiana izany, sady nanazava ny halehiben’ilay fanendrena. Nanompo nandritra ny fotoana fohy ny Rahalahy Gause saingy nesorina tsy ho mpikambana amin’ny Fiangonana izy ny volana desambra 1832. Natokana ho amin’io anjara fanompoana voalaza io ny Rahalahy Williams ny 18 martsa 1833.

1–2, Hazonin’ny Fiadidiana Voalohany mandrakariva ireo fanalahidin’ny fanjakana; 3–7, Raha mahatoky amin’ny asa fanompoany i Frederick G. Williams dia hanana ny fiainana mandrakizay.

1 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa ry Frederick G. Williams mpanompoko: Mihainoa ny feon’ilay miteny, ny tenin’ny Tompo Andriamanitrao, ka henoy ny antso izay iantsoana anao, dia ny ho ampisorona avo ao amin’ny Fiangonako sy ny ho mpanolotsaina ho an’i Joseph Smith zanany mpanompoko;

2 Izay efa nomeko ireo afanalahidin’ny fanjakana, izay an’ny bFiadidiana ny Fisoronana Avo mandrakariva.

3 Noho izany, dia manaiky azy Aho ary hitahy azy, ary ianao koa raha mahatoky amin’ny torohevitra, amin’ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao, amin’ny fivavahana mandrakariva na amim-peo avo na anakampo, na an-kalamanjana na mitokana, ary koa amin’ny asa fanompoanao, amin’ny fanambarana ny filazantsara amin’ny tanin’ny velona sy eo anivon’ny rahalahinao.

4 Ary amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, dia hanao ny soa lehibe indrindra amin’ny mpiarabelona aminao ianao ary hampitombo ny avoninahitr’Ilay Tomponao.

5 Koa aoka ho mahatoky; sahano ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao; avonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary bhatanjaho ny dlohalika malemy.

6 Ary raha mahatoky hatramin’ny farany ianao dia hanana ny satroboninahitry ny atsy fahafatesana sy ny bfiainana mandrakizay ao amin’ireo dfitoerana izay efa nomaniko ao an-tranon-dRaiko.

7 Indro ka jereo, ireo no tenin’ny Alfa sy ny Omega, dia i Jesoa Kristy. Amena.