Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82


Fizarana 82

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Independence, Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny 26 aprily 1832. Izany dia nandritra ny filankevitry ny mpisorona avo sy ireo loholon’ny Fiangonana. Nandritra ilay filankevitra no nanohanana an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fisoronana Avo, dia anjara fanompoana izay efa nanokanana azy tany aloha, tamin’ny fihaonamben’ny mpisorona avo, sy ny loholona ary ny mpikambana tao Amherst, Ohio, ny 25 janoary 1832 (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 75). Io fanambarana io dia namerina ireo torolalana nomena tao anatin’ny fanambarana iray tany aloha (fizarana 78) mba hanorina orinasa—nantsoina hoe Orinasa Miray (nosoloina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith ho lasa hoe “rafitra” ilay teny hoe “orinasa” taty aoriana)—mba hitantana ilay asam-barotra sy asa famoahana boky sahanin’ny Fiangonana.

1–4, Be ny hotakiana amin’izay nomena be; 5–7, Manjaka eo amin’izao tontolo izao ny haizina; 8–13, Voafatotra ny Tompo rehefa ataontsika izay lazainy; 14–18, Tsy maintsy mitombo ao amin’ny hatsarana sy ny fahamasinana i Ziona; 19–24, Tokony hokatsahin’ny olona tsirairay ny tombontsoan’ny namany.

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa ry mpanompoko isany, fa araka ny aifamelanareo ny fahadisoanareo, dia tahaka izany koa no amelako Izaho Tompo anareo.

2 Kanefa dia misy ireo eo anivonareo izay efa nanota izaitsizy tokoa; eny, na dia ianareo arehetra aza dia samy efa nanota; nefa lazaiko aminareo marina tokoa, mitandrema hatramin’izao, ary fadio ny fahotana fandrao hianjera eo ambony lohanareo ny famaizana mafy.

3 Fa amin’izay omena abe no btakiana be; ary izay dmanota amin’ny ehazavana lehibe kokoa dia handray fanamelohana lehibe kokoa.

4 Miantso ny anarako ianareo mba hahazo afanambarana ary omeko anareo izany; ary raha toa ianareo ka tsy mitandrina ny teniko izay omeko anareo, dia manjary mpamadika lalàna ianareo; ary bfahamarinana sy fitsarana no famaizana izay mitovana amin’ny lalàko.

5 Koa izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra: aMiambena satria manitatra ny fanapahany ny bfahavalo ary manjaka ny dhaizina;

6 Ary mirehitra amin’ny mponin’ny tany ny fahatezeran’ Andriamanitra; ary tsy misy manao ny tsara, fa samy efa anania avokoa ny rehetra.

7 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho Tompo dia tsy hitana afahotana aminareo; zory ny lalanareo ary aza manota intsony; fa amin’ny fanahy izay manota no hiverenan’ny bfahotana taloha, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

8 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, omeko anareo ny adidy vaovao iray mba hahatakaranareo ny sitrapoko momba anareo;

9 Na amin’ny teny hafa, omeko anareo ireto toromarika momba ny fomba tokony ahitondranareo tena ao anoloako ireto, mba hahatonga izany ho famonjena anareo.

10 Izaho Tompo dia avoafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo.

11 Koa lazaiko aminareo marina tokoa fa ilaina ho an’ny mpanompoko isany Edward Partridge sy i Newel K. Whitney, i A. Sidney Gilbert sy i Sidney Rigdon, ary i Joseph Smith mpanompoko sy i John Whitmer, ary i Oliver Cowdery sy i William W. Phelps, ary i Martin Harris ny ahiara-hofehezina ao amin’ny fitantanan-draharahanareo samihafa, amin’ny alalan’ny famehezana sy ny fanekempihavanana izay tsy azo ravana noho ny fandikan-dalana fa raha tsy izany hanaraka avy hatrany ny famaizana—

12 Mba hitantana ny raharahan’ny mahantra sy ny zava-drehetra mikasika ny episkopà na any an-tanin’i Ziona na any an-tanin’i Kirtland;

13 Fa Izaho efa nanokana ny tanin’i Kirtland tamin’ny fotoana nahamety izany Tamiko, mba ho tombontsoan’ny Olomasin’ny Avo Indrindra sy ho atsatòka ho an’i Ziona.

14 Fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny hatsarana sy ao amin’ny fahamasinana i Ziona; tsy maintsy halalahina ny sisin-taniny, tsy maintsy hamafisina ny tsatòkany; eny, lazaiko aminareo marina tokoa, tsy maintsy mitsangana i aZiona ary manao ny bfitafiany tsara tarehy.

15 Koa omeko anareo ity didy ity hamehezanareo ny tenanareo amin’ity fanekempihavanana ity, ary izany dia hotanterahina araka ny lalàn’ny Tompo.

16 Indro, izany dia fahendrena ao Amiko koa ho tombontsoanareo.

17 Ary tsy maintsy amitovy ianareo, na amin’ny teny hafa, tsy maintsy manana zo mitovy ianareo amin’ireo fananana, ho tombontsoan’ny fitantanana ny raharahan’ny fiandraiketan-draharahanareo, ka ny olona tsirairay dia araka ny tadiaviny sy ny ilainy, raha toa ka marina ny tadiaviny—

18 Ary izany rehetra izany dia ho tombontsoan’ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona, mba hahazoan’ny olona tsirairay mampitombo ny atalentany, mba hahazoan’ny olona tsirairay mahazo talenta hafa, eny, na dia avo zato heny aza, izay hapetraka ao amin’ny btrano fitehirizan’ny Tompo ka hanjary ho fananana iombonan’ny fiangonana manontolo—

19 Ka ny olona tsirairay dia hikatsaka ny tombontsoan’ny namany sy hanao ny zava-drehetra amin’ny amaso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.

20 Izany alamina izany no efa notendreko ho lamina maharitra mandrakizay ho anareo sy ho an’ny mpandimby anareo, raha toa ka tsy manota ianareo.

21 Ary ny fanahy izay manota amin’ity fanekempihavanana ity sy manamafy ny fony aminy dia hoentina araka ny lalàn’ny fiangonako ary hatolotra ho amin’ny afampijalian’i Satana mandra-pahatongan’ny andro fanavotana.

22 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo marina tokoa, ary izao dia fahendrena, makà namana amin’ny mamônan’ny tsy fahamarinana, dia tsy hamongotra anareo ireo.

23 Aoka ho Ahy irery ny fitsarana, fa Ahy izany ary Izaho no ahamaly. Ho aminareo anie ny fiadanana; mitoetra aminareo ny fitahiako.

24 Fa efa anareo ny afanjakana ary ho anareo mandrakizay raha tsy miala amin’ny fiorenanareo tsara ianareo. Izany tokoa. Amena.