Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84


Fizarana 84

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio ny 22 sy 23 septambra 1832. Efa nanomboka niverina avy tamin’ny asa fitoriana tamin’ny faritra atsinanana ireo loholona nandritra ny volana septambra ary nanao tatitra momba ny asany. Tamin’izany fotoam-pifaliana izany, raha mbola tafangona izy ireo, no nandraisana ity fanambarana ity. Niantso izany ho fanambarana momba ny fisoronana ny Mpaminany.

1–5, Haorina any Missouri ilay Jerosalema Vaovao sy ny Tempoly; 6–17, Fanomezana ny fitohizan’ny fisoronana, hatramin’i Mosesy ka hatramin’i Adama; 18–25, Ny fihazonan’ny fisoronana ambony ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra; 26–32, Ny fihazonan’ny fisoronana ambany ny fanalahidin’ny asa fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsara fiomanana; 33–44, Ny fahazoan’ny olona ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana; 45–53, Fanazavan’ny Fanahin’i Kristy ny olona sy ny fitoeran’izao tontolo izao ao amin’ny fahotana; 54–61, Tsy maintsy mijoro ho vavolombelon’ireo zavatra izay efa noraisiny ireo ny Olomasina; 62–76, Tokony hotoriany ny filazantsara dia hanaraka ireo famantarana; 77–91, Tokony handeha hitory, tsy mitondra kitapom-bola na kitapom-batsy ireo loholona ary ny Tompo no hamatsy izay ilainy; 92–97, Miandry ireo izay mitsipaka ny filazantsara ny areti-mandringana sy ny ozona; 98–102, Fanomezana ny hira vaovao momba ny fanavotana an’i Ziona; 103–110, Aoka ny olona tsirairay hanefa ny anjara fanompoany sy hifofotra amin’ny antso ananany; 111–120, Tokony hitory ny fahavetavetan’ny fandravana amin’ny andro farany ireo mpanompon’ny Tompo.

1 Fanambarana avy amin’i Jesoa Kristy ho an’i Joseph Smith zanany mpanompony sy ireo loholona enina, raha nanambatra ny fony izy ireo ary ananandratra avo ny feony.

2 Eny, ny tenin’ny Tompo momba ny fiangonany voaorina amin’ny andro farany, ho afampodiana amin’ny laoniny ny vahoakany, toy izay efa noteneniny tamin’ny vavan’ireo bmpaminaniny sy ho fanangonana ny dolomasiny mba hitsangana eo an-eTendrombohitra Ziona izay ho tanànan’i fJerosalema Vaovao.

3 Dia tanàna izay haorina, manomboka eo amin’ny faritry ny atempoly izay voatondron’ny rantsantanan’ny Tompo, ao amin’ny sisin-tany andrefana amin’ny Faritanin’i Missouri, ary atokana amin’ny alalan’ny tanan’i Joseph Smith zanany sy ireo izay nankasitrahan’ny Tompo tokoa.

4 Izao marina tokoa no tenin’ny Tompo, fa ny tanànan’i aJerosalema Vaovao dia haorina amin’ny alalan’ny fanangonana ireo olomasina, manomboka eo amin’ity toerana ity, dia ny toeran’ny btempoly, dia tempoly izay hatsangana ao amin’ity taranaka ity.

5 Fa tsy ho lany marina tokoa ity taranaka ity raha tsy efa miorina ho an’ny Tompo ny trano ka hitoetra eo aminy ny rahona, dia rahona izay ho avoninahitry ny Tompo, izay hameno ny trano.

6 Ary ireo zanakalahin’i Mosesy, araka ny Fisoronana Masina izay noraisiny tamin’ny atanan’i bJetro rafozandahiny;

7 Ary i Jetro nandray izany tamin’ny tanan’i Kaleba;

8 Ary i Kaleba nandray izany tamin’ny tanan’i Eliho;

9 Ary i Eliho tamin’ny tanan’i Jeremia;

10 Ary i Jeremia tamin’ny tanan’i Gada;

11 Ary i Gada tamin’ny tanan’i Esaia;

12 Ary i Esaia nandray izany tamin’ny tanan’ Andriamanitra.

13 Esaia dia niaina koa tamin’ny andron’i Abrahama ary notsofiny rano—

14 Dia i aAbrahama izay nandray ny fisoronana tamin’i bMelkizedeka izay nandray izany tamin’ny firazanan’ireo rainy, dia hatrany amin’i dNoa;

15 Ary hatramin’i Noa ka hatrany amin’i aEnoka, tamin’ny alalan’ny firazanan’ireo rainy;

16 Ary hatramin’i Enoka ka hatrany amin’i aAbela, izay novonoin’ny bfiokoan’ny rahalahiny, izay dnandray ny fisoronana tamin’ny alalan’ny didin’ Andriamanitra, avy tamin’i eAdama rainy izay lehilahy voalohany—

17 Dia afisoronana izay mitohy ao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra ao amin’ireo taranaka rehetra sady tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona.

18 Ary ny Tompo dia nanamafy koa ny afisoronana tamin’i bAharôna sy ny taranany, tamin’ireo taranany rehetra, dia fisoronana izay mitohy koa sy dmitoetra mandrakizay miaraka amin’ny fisoronana izay araka ny lamina masina indrindra an’ Andriamanitra.

19 Ary ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny amisterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny bfahalalana an’ Andriamanitra.

20 Koa miharihary ao amin’ny aôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.

21 Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny afahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra;

22 Fa raha tsy misy izany, dia tsy misy aolona afaka mahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona.

23 Ankehitriny dia izany no nampianarin’i aMosesy mazava tsara ny zanak’i Isiraely tany an-tany foana ary nikatsahany tamin’ny fahazotoana tokoa bhanamasinana ny vahoakany, ka hahazoan’izy ireo dmahita ny tavan’ Andriamanitra;

24 Nefa anohamafisin’izy ireo ny fony ka tsy tantin’izy ireo ny fanatrehana Azy; koa ny Tompo, tao amin’ny bfisafoahany, satria nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerany, dia nianiana fa tsy dhiditra ao amin’ny fitsaharany izy ireo raha mbola any an-tany foana, dia fitsaharana izay fahafenoan’ny voninahiny.

25 Koa nalainy avy teo anivon’izy ireo i aMosesy, ary koa ny bFisoronana Masina;

26 Ary nitohy ny afisoronana ambany, dia fisoronana izay nihazona ny bfanalahidin’ny dfanompoan’ny anjely sy ny filazantsara fiomanana;

27 Dia filazantsara izay filazantsaran’ny afibebahana sy ny bbatisa sy ny dfamelana ny fahotana ary ny elalàn’ny didy fara-nofo, izay tao amin’ny fisafoahany, dia nasain’ny Tompo notohizana tao an-tranon’i Aharôna, tany anivon’ny zanak’i Isiraely, ambara-pahatongan’i gJaona izay natsangan’ Andriamanitra rehefa hheniky ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.

28 Fa natao batisa izy fony izy mbola tao amin’ny fahazazany ary natokan’ny anjelin’ Andriamanitra, tamin’ny fotoana nahafeno valo andro azy, ho amin’ity hery ity mba hanongana ny fanjakan’ny Jiosy sy ahanitsy ny lalan’ny Tompo eo imason’ny vahoakany, ka hanomana azy ireo ho amin’ny fiavian’ny Tompo izay eo an-tanany avokoa no omena ny bhery.

29 Ary ankoatra izany, ny anjara fanompoan’ny loholona sy ny eveka dia afanampiny ilaina ao anatin’ny fisoronana avo.

30 Ary ankoatra izany, ny anjara fanompoan’ny mpampianatra sy ny diakona dia fanampiny ilaina ao anatin’ny fisoronana ambany, dia fisoronana izay nohamafisina tamin’i Aharôna sy ny zanakalahiny.

31 Koa, araka izay nolazaiko momba ireo zanakalahin’i Mosesy—fa ireo zanakalahin’i Mosesy sy ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanatitra afanatitra sy sorona ankasitrahana ao an-tranon’ny Tompo, dia trano izay haorina ho an’ny Tompo ao amin’ity taranaka ity, eo amin’ny bfaritra voatokana izay efa notondroiko—

32 Ary ireo zanakalahin’i Mosesy sy ny an’i Aharôna dia ho henika ny avoninahitry ny Tompo eo ban-tendrombohitr’i Ziona, ao an-tranon’ny Tompo, izay ianareo no zanakalahiny ary koa ireo maro izay efa nantsoiko sy nirahiko hanorina ny dfiangonako.

33 Fa na zovy na zovy no amahatoky ka mahazo ireo bfisoronana roa izay efa noteneniko ireo sy milofo amin’ny antso ananany, dia dhamasinin’ny Fanahy ho fanavaozana ny vatany.

34 Izy dia tonga zanakalahin’i Mosesy sy an’i Aharôna, ary ataranak’i bAbrahama, ary fiangonana sy fanjakana, ary dnofinidin’ Andriamanitra.

35 Ary ireo rehetra, izay mandray ity fisoronana ity koa, dia mandray Ahy, hoy ny Tompo;

36 Fa izay mandray ireo mpanompoko dia amandray Ahy;

37 Ary izay amandray Ahy dia mandray ny Raiko;

38 Ary izay mandray ny Raiko dia mandray ny fanjakan’ny Raiko; koa izay arehetra ananan’ny Raiko dia homena azy.

39 Ary izany dia araka ny afianianana sy ny fanekempihavanana izay an’ny fisoronana.

40 Koa ireo rehetra izay mandray ny fisoronana dia mandray ity fianianana sy fanekempihavanana avy amin’ny Raiko ity, izay tsy azony ravana sady tsy azo foanana.

41 Fa na zovy na zovy no amandrava izao fanekempihavanana izao, rehefa avy nandray izany ary miala tanteraka amin’izany, dia btsy hahazo ny famelana ny fahotany eo amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainan-ko avy.

42 Ary lozan’ireo rehetra izay tsy tonga amin’ity fisoronana izay efa noraisinareo ity, izay amafisiko eto ankehitriny aminareo izay manatrika androany, amin’ny alalan’ny feoko izay avy any an-danitra; ary efa nomeko ny tafiky ny lanitra sy ny aanjeliko aza ny fiandraiketana ny momba anareo.

43 Ary omeko anareo ankehitriny ny didy mba hitandremanareo ny momba ny tenananareo, mba ahitandremanareo fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

44 Fa ianareo dia ahivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.

45 Fa fahamarinana ny atenin’ny Tompo, ary izay rehetra bfahamarinana dia fahazavana, ary izay rehetra fahazavana dia Fanahy, dia ny Fanahin’i Jesoa Kristy.

46 Ary ny Fanahy dia manome afahazavana ho an’ny bolona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao; ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra manerana izao tontolo izao, izay mihaino ny feon’ny Fanahy.

47 Ary ny olona rehetra izay mihaino ny feon’ny Fanahy dia manatona an’ Andriamanitra, dia ny Ray.

48 Ary ny Ray dia amampianatra azy ny momba ny bfanekempihavanana izay efa nohavaoziny sy nohamafisiny taminareo, izay hamafisina aminareo noho ny aminareo, ary tsy noho ny aminareo ihany fa noho ny amin’izao tontolo izao iray manontolo.

49 Ary aizao tontolo izao iray manontolo dia mitoetra ao amin’ny fahotana ary mitoloko eo ambanin’ny bhaizina sy eo ambanin’ny famatoran’ny fahotana.

50 Ary izao no ahafantaranareo fa ao amin’ny afamatoran’ny bfahotana izy ireo, satria tsy manatona Ahy izy ireo.

51 Fa na zovy na zovy no tsy manatona Ahy, dia ao amin’ny famatoran’ny fahotana izy.

52 Ary na zovy na zovy no tsy mandray ny feoko dia tsy mahalala ny afeoko ary tsy avy Amiko.

53 Ary izany no ahaizanareo manavaka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy, fa ny atany iray manontolo dia bmitoloko ao amin’ny dfahotana sy ny haizina, na dia ankehitriny aza.

54 Ary ny sainareo dia nohamaizinina taloha noho ny atsy finoana, ary satria efa nohamaivaninareo ireo zavatra efa noraisinareo—

55 Dia afieboeboana sy tsy finoana izay efa nitondra ny fiangonana iray manontolo ho eo ambany fanamelohana.

56 Ary izany fanamelohana izany dia mitoetra eo amin’ny zanak’i Ziona, izy rehetra.

57 Ary hitoetra eo ambanin’izany fanamelohana izany izy ireo ambara-pibebahany sy ahatsiarovany ny afanekempihavanana vaovao, dia ny bBokin’i Môrmôna sy ireo ddidy teo aloha izay efa nomeko azy ireo, tsy ny hiteny fotsiny fa ny ehanao araka izay efa nosoratako—

58 Mba hahazoany mamokatra voa mendrika ny fanjakan’ny rainy; fa raha tsy izany dia misy antambo sy famaliana hararaka eo amin’ny zanak’i Ziona.

59 Fa moa va handoto ny taniko masina ireo zanaky ny fanjakana? Lazaiko aminareo marina tokoa, Tsia.

60 Lazaiko marina dia marina tokoa aminareo izay mandre ankehitriny ireo ateniko, izay ny feoko, sambatra ianareo raha mandray ireto zavatra ireto;

61 Fa Izaho ahamela anareo amin’ny fahotanareo miaraka amin’izao didy izao—dia ny bhamaharanareo ao amin’ny faharetana ao an-tsainareo, amin’ny fahamaotinana sy ny fanahim-bavaka, amin’ny fijoroana ho vavolombelona eran’izao tontolo izao ny amin’ireo zavatra izay ampitaina aminareo ireo.

62 Koa amandehana ianareo any amin’izao tontolo izao iray manontolo; ary any amin’ny toerana rehetra tsy azonareo aleha no hanirahana anareo, mba hahazoan’ny tenivavolombelona miainga avy aminareo ka maneran’izao tontolo izao, mankamin’ny olombelona rehetra.

63 Ary toy ny nilazako tamin’ireo apostoliko, dia toy izany koa no ilazako aminareo, satria ianareo no aapôstôliko, dia ireo mpisorona avon’ Andriamanitra; ianareo no ireo izay efa bnomen’ny Raiko Ahy; ianareo no dnamako;

64 Koa toy ny nilazako tamin’ny apôstôliko no ilazako aminareo indray fa ny aolona rehetra izay bmino ny teninareo sy atao batisa amin’ny rano ho dfamelana ny fahotana dia handray ny eFanahy Masina.

65 Ary ireto afamantarana ireto no hanaraka ireo izay mino—

66 Amin’ny anarako no hanaovany aasa mahatalanjona maro;

67 Amin’ny aanarako no handroahany ny devoly;

68 Amin’ny anarako no ahanasitranany ny marary;

69 Amin’ny anarako no hampahiratany ny mason’ny jamba sy hampahaladiny ny sofin’ny marenina;

70 Ary hiteny ny lelan’ny moana;

71 Ary raha misy olona manome apoizina azy dia tsy hanimba azy izany;

72 Ary tsy hanan-kery hanimba azy ny poizin’ny menarana.

73 Saingy didy no omeko azy tsy ahireharehan’ny tenany amin’ireo zavatra ireo sady tsy hitenenany ny momba ireo eo anoloan’izao tontolo izao; fa omena ho anareo ireo zavatra ireo ho tombontsoanareo sy ho famonjena.

74 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ireo izay tsy mino ny teninareo ary tsy aatao batisa amin’ny rano amin’ny anarako ho famelana ny fahotany, hahazoany mandray ny Fanahy Masina dia bhohelohina ka tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny raiko izay misy Ahy sy ny Raiko.

75 Ary ity fanambarana sy didy ho anareo ity dia manan-kery hatramin’izao ora izao manerana izao tontolo izao, ary ny filazantsara dia ho an’ireo rehetra tsy nandray izany.

76 Nefa lazaiko marina tokoa amin’ireo rehetra izay efa nomena ny fanjakana—avy eo aminareo no tsy maintsy itoriana izany amin’izy ireo mba hibebahany amin’ny asa ratsiny taloha; fa tokony holevilevena izy ireo noho ny tsy finoan’ny fo ratsiny, ary ireo rahalahinareo ao i Ziona noho ny fikomiany taminareo tamin’ny fotoana nanirahako anareo.

77 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo ry sakaizako, fa hatramin’izao dia hantsoiko hoe sakaiza ianareo, ilaina ny anomezako anareo izao didy izao, mba hahatonga anareo ho tahaka ireo sakaizako tamin’ny andro izay niarahako tamin’izy ireo nandeha nitory ny filazantsara tamin’ny heriko;

78 Fa tsy navelako hanana akitapom-bola na kitapom-batsy na akanjo roa izy ireo.

79 Indro Izaho maniraka anareo hizaha toetra an’izao tontolo izao, ary ny mpiasa dia mendrika ny akaramany.

80 Ary izay olona handeha sy ahitory ity bfilazantsaran’ny fanjakana ity ka tsy mianina amin’ny fitozoana ho mahatoky amin’ny zava-drehetra, dia sady tsy ho reraka ny saina no tsy hohamaizinina, na ny vatana, na ny ratsam-batana, na ny vany; ary na dia dsingam-bolo iray amin’ny lohany aza dia tsy ho latsaka amin’ny tany ka tsy ho hita. Ary tsy ho noana na hangetaheta izy.

81 Koa aza amanahy ny amin’ny ampitso ianareo, ny amin’izay hohaninareo, na izay hosotroinareo, na izay hotafianareo.

82 Fa diniho ny fomba fanirin’ny lilia any an-tsaha, fa tsy miasa na mamoly ireny; ary ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao, ao amin’ny voninahiny rehetra, dia tsy mitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.

83 Fa afantatry ny brainareo izay any an-danitra fa mila ireo zavatra rehetra ireo ianareo.

84 Koa aoka ny ampitso ahanahy ny amin’ny zavatra ao aminy.

85 Aza manahy mialoha koa ny aamin’izay holazainareo; fa braketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana, dia dhomena anareo amin’izany ora izany ny ampahany voafatra ho an’ny olona tsirairay.

86 Koa aoka tsy hisy olona eo anivonareo handeha hitory ity filazantsaran’ny fanjakana ity ka haka kitapom-bola na kitapom-batsy hatramin’izao, fa ity didy ity dia ho an’ny amahatoky rehetra izay voantson’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana ho amin’ny asa fanompoana.

87 Indro, Izaho amaniraka anareo handevilevy izao tontolo izao noho ny asany tsy marina rehetra ary hampianatra azy ny amin’ny fitsarana izay ho avy.

88 Ary na zovy na zovy no amandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny banjeliko mba hanohana anareo.

89 Na zovy na zovy no mandray anareo dia mandray Ahy; ary izy hanome hanina anareo sy hampitafy anareo ary hanome vola anareo.

90 Ary na zovy na zovy no manome hanina anareo, na mampitafy anareo na manome vola anareo dia tsy ahamery ny valisoany mihitsy izy.

91 Ary izay tsy manao ireo zavatra ireo dia tsy mpianatro; amin’izany no ahafantaranareo ny ampianatro.

92 Izay tsy mandray anareo dia mialà aminy, ka mitokàna ianareo dia adiovy ny tongotrareo, amin’ny rano, rano madio, na mafana na mangatsiaka, ary mijoroa ho vavolombelon’izany amin’ny Rainareo izay any an-danitra, ary aza miverina intsony amin’izany olona izany.

93 Ary izay vohitra na tanàna rehetra idiranareo dia ataovy toy izany.

94 Na dia eo aza izany, dia mitadiava fatratra ary aza tsitsinareo ny ainareo; ary lozan’izany trano na vohitra na tanàna izay mitsipaka anareo, na ny teninareo na ny tenivavolombelonareo momba Ahy izany.

95 Lazaiko indray fa lozan’izany trano, na izany vohitra na tanàna izay mitsipaka anareo, na ny teninareo, na ny tenivavolombelonareo momba Ahy izany;

96 Fa Izaho, ny aTsitoha, dia efa naninjitra ny tanako tamin’ireo firenena mba bhikaravasy azy ireo noho ny dfaharatsiany.

97 Dia hivoaka ny areti-mandringana ary tsy hoesorina eto an-tany izany raha tsy efa vitako ny asako izay ahohafohezina ao amin’ny fahamarinana—

98 Raha tsy efa mahalala Ahy ny rehetra izay tafajanona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka ho henika ny fahalalana ny Tompo ary ahahita mifanatri-maso sy hanandratra ny feony ary bhihira amin’ny fampiaraham-peo ity hira vaovao ity, manao hoe:

99 Efa nampody an’i Ziona ny Tompo,Efa ananavotra an’i bIsiraely olony ny Tompo,Araka ny dfifidianana noho ny efahasoavanaIzay notanterahina tamin’ny finoanaSy ny ffanekempihavanan’ireo razany.

100 Efa nanavotra ny olony ny Tompo;Ary avoafatotra i Satana ary tsy ho ela intsony ny fotoana.Efa nanangona ny zavatra rehetra ho biray ny Tompo.Efa nampidina an’i dZiona avy any ambony ny Tompo.Efa enampiakatra an’i Ziona avy any ambany ny Tompo.

101 Efa nihetsi-jaza ny atany ary niteraka ny tanjany;Ary voaorina ao an-kibony ny fahamarinana;Ary efa nitsiky taminy ny lanitra;Ary voatafy ny bvoninahitry ny Andriamaniny izy;Satria mijoro eo anivon’ny olony Izy.

102 Voninahitra sy laza ary hery sy tanjaka.Anie ho an’ Andriamanitsika; fa Izy dia feno afamindram-po syFahitsiana, fahasoavana sy fahamarinana ary bfiadanana,Mandrakizay mandrakizay. Amena.

103 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ny olona rehetra izay handeha hitory ny filazantsarako maharitra mandrakizay ka manana fianakaviana ary mandray vola amin’ny alalan’ny fanomezana, dia ilaina ny handefasany izany any aminy na hampiasany izany ho tombontsoany, araka izay hitarihan’ny Tompo azy ireo, satria izany no heveriko fa tsara.

104 Ary aoka ireo rehetra izay tsy manana fianakaviana, ka mandray avola, handefa izany any amin’ny eveka any Ziona na any amin’ny eveka any Ohio, mba hahazoana manokana izany ho famoahana ireo fanambarana sy ny fanontana izany ary ho fanorenana an’i Ziona.

105 Ary raha misy olona manome ny iray aminareo akanjo na fitafiana, dia alao ilay tonta ary omeo ny amahantra ary tohizo amim-pifaliana ny dianao.

106 Ary raha misy olona matanjaka ao amin’ny Fanahy eo anivonareo, dia aoka izy ahaka izay malemy hiaraka aminy, mba hahazoana mampiorina azy ao amin’ny bfandeferana tanteraka ka hahatonga azy ho matanjaka ihany koa.

107 Koa alao hiaraka aminareo ireo izay voatokana ho amin’ny fisoronana aambany, ary iraho eo alohanareo ireo hamotoana sy hanomana ny lalana ary hanatontosa ny raharaha izay tsy arakareo.

108 Indro izany no fomba izay nanorenan’ireo apôstôliko tamin’ny andro fahiny ho Ahy ny fiangonako.

109 Koa aoka ny olona tsirairay samy hifototra amin’ny anjara fanompoana sy hilofo ao amin’ny antso ananany; ary aoka ny loha tsy hiteny amin’ny tongotra fa tsy mila ny tongotra izy; fa raha tsy eo ny tongotra, ahoana no ahafahan’ny vatana hijoro?

110 Ny vatana koa dia mila ny aratsambatana tsirairay mba hahazoan’izy rehetra mifampandroso, mba hahazoana mitana ny firafetana ho fanaperana.

111 Ary indro, tokony handeha ny ampisorona avo, ary ny loholona, ary koa ny bmpisorona ambany; fa ny ddiakona sy ny empampianatra kosa dia tokony hotendrena mba fhiambina ny fiangonana, ho mpanompo raikitra amin’ny fiangonana.

112 Ary ny eveka Newel K. Whitney koa dia tokony handeha eo amin’ny faritra manodidina sy any anivon’ny fiangonana rehetra, hitady ny mahantra ary ahikarakara izay ilainy amin’ny bfampietrena ny manan-karena sy ny miavonavona.

113 Tokony hampiasa ampandraharaha koa izy hiandraikitra sy hanao ny raharahany andavanandro araka izay toromarika homeny.

114 Na dia eo aza izany, dia aoka ny eveka handeha ho any an-tanànan’i New York, ho any an-tanànan’i Albany koa, ary ho any an-tanànan’i Boston koa ka hampitandrina ny mponin’ireo tanàna miaraka amin’ny fanenon’ny filazantsara, amin’ny feo mahery, ny amin’ny afandravana sy ny famongorana tanteraka izay miandry azy ireo raha mitsipaka ireto zavatra ireto izy ireo.

115 Fa raha mitsipaka ireto zavatra ireto izy ireo, dia antomotra ny ora fitsarana azy ireo ary havela ho aaolo ho azy ireo ny tranony.

116 Aoka izy ahitoky Amiko dia tsy bhangaihay; ary ny dsingam-bolo amin’ny lohany dia tsy ho latsaka amin’ny tany ka tsy ho hita.

117 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, ry mpanompoko sisa, mandehana ianareo araka izay ahafahanareo, amin’ny antso maro anananareo, mankany amin’ireo tanàna sy vohitra lehibe sy malaza, mananatra izao tontolo izao amin’ny fahamarinana noho ireo asany rehetra tsy marina sy tsy araka an’ Andriamanitra, sady mamelabelatra mazava tsara mba ho azo ny amin’ny fandravan’ny fahavetavetana amin’ny andro farany.

118 Fa amin’ny alalanareo hoy ny Tompo Tsitoha no ahanorotoroako ireo fanjakana; tsy bhohozongozoniko fotsiny ny tany, fa ny lanitra feno kintana koa dia hihorohoro.

119 Fa Izaho Tompo dia efa nandroso ny tanako mba hampihetsika ny herin’ny lanitra; tsy hainareo jerena izany ankehitriny, kanefa vetivety foana dia hahita izany ianareo ary hahafantatra fa Izy Aho, fa ho aavy Aho ary bhanjaka amin’ny oloko.

120 Izaho no aAlfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Amena.