Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90


Fizarana 90

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 8 martsa 1833. Ity fanambarana ity dia fanohizana ny dingana ho fametrahana ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 81); vokatr’izany, dia natokana ny 18 martsa 1833 ireo mpanolotsaina voalaza etoana.

1–5, Ny fanalahidin’ny fanjakana dia natolotra an’i Joseph Smith ary natolotra ny Fiangonana tamin’ny alalany; 6–7, Tokony hanompo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams; 8–11, Ny filazantsara dia hotoriana amin’ireo firenen’i Isiraely, amin’ny Jentilisa ary amin’ny Jiosy, ka samy handre amin’ny fiteniny avy ny olona tsirairay; 12–18, Tsy maintsy manao ny fandaminana ny Fiangonana i Joseph Smith sy ireo mpanolotsainy; 19–37, Nanarin’ny Tompo ireo olona samihafa mba handeha araka ny hitsiny ary hanompo ao amin’ny fanjakany.

1 Toy izao no lazain’ny Tompo, lazaiko aminao marina dia marina tokoa anaka, avoavela ny fahotana araka ny hatakao, fa ny fivavakao sy ny fivavaky ny rahalahinao dia efa tafakatra hatreo an-tsofiko.

2 Koa hotahina hatramin’izao ianao izay mitondra ny afanalahidin’ny fanjakana nomena anao; dia bfanjakana izay aorina indray mandeha farany.

3 Lazaiko aminao marina tokoa, ny fanalahidin’ity fanjakana ity dia tsy hoesorina na oviana na oviana aminao, na mbola eo amin’izao fiainana izao ianao, na any amin’ny fiainan-ko avy;

4 Kanefa amin’ny alalanao no hanomezana ny iray hafa ny afanambarana, eny, dia ny fiangonana izany.

5 Ary ireo rehetra izay mandray ny fanambaran’ Andriamanitra, aoka ahotandremany ny fomba hiheverany izany fandrao hoheveriny ho zava-maivana izany ka hoentina amin’izany ho eo ambany fanamelohana izy, ary ho solafaka sy hianjera rehefa mitsoka ny tafiotra sy mifofofofo ny rivotra ary milatsaka ny borana ka mamely ny tranony.

6 Ary ankoatra izany, dia lazaiko amin’i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams rahalahinao marina tokoa, voavela koa ny fahotany, ary izy ireo dia heverina ho mitovy aminao amin’ny fihazonana ny fanalahidin’ity fanjakana farany ity;

7 Ary koa, amin’ny fitantananao ny fanalahidin’ny asekolin’ny mpaminany izay efa nodidiako mba hatsangana;

8 Fa amin’izany no ahazoana manao azy ireo ho tanteraka ao amin’ny asa fanompoany ho famonjena an’i Ziona sy ireo firenen’i Isiraely ary ny Jentilisa, izay rehetra hino;

9 Mba ho amin’ny alalan’ny fitantananao no hahazoan’izy ireo mandray ny teny ary amin’ny alalan’ny fitantanan’izy ireo no hahazoan’ny teny mandeha hatrany am-paran’ny tany, any amin’ny aJentilisa baloha, rehefa izany, dia indro ka jereo fa hitodika any amin’ny Jiosy izy ireo.

10 Ary amin’izany no ho avy ny andro izay ahampisehoana amin-kery ny sandrin’ny Tompo ho fandresen-dahatra ny firenena, ny firenena mpanompo sampy, ny mpianakavin’i bJosefa, ny amin’ny filazantsaran’ny famonjena azy ireo.

11 Fa ny zavatra hitranga amin’izany andro izany, dia ahandre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny teniny avy ny olona tsirairay ary amin’ny fiteniny avy, amin’ny alalan’ireo izay bvoatokana ho amin’izany dhery izany amin’ny fitaoman’ny eMpampionona nalatsaka tamin’izy ireo ho fanambarana an’i Jesoa Kristy.

12 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, omeko anareo ny didy mba hitozoanareo ao amin’ny aasa fanompoana sy fiadidiana.

13 Ary rehefa vitanao ny fandikana ireo mpaminany, dia ahiadidy ny raharahan’ny fiangonana sy ny bsekoly ianao hatramin’izao;

14 Ary handray afanambarana ombieny ombieny araka izay hanehoan’ny Mpampionona izany ka hamelabelatra ireo bmisterin’ny fanjakana;

15 Ary hanao ny fandaminana ny fiangonana ary ahandinika sy bhianatra ary hifankazatra amin’ny boky tsara rehetra, ary amin’ny dfiteny sy ny teny ary ny olona.

16 Ary izao no ho raharahanareo sy asa anirahana anareo amin’ny androm-piainanareo rehetra, dia ny hiadidy ao amin’ny filankevitra ary handamin’ny ny raharaha rehetra an’ny fiangonana sy ny fanjakana.

17 Aza amenatra na mangaihay; fa tandremo ny fanambonian-tenanareo sy ny bfiavonavonanareo rehetra, fa izany dia mamelatra fandrika ho an’ny fanahinareo.

18 Alamino ny tranonareo; tano hanalavitra anareo ny afidonanaham-poana sy ny btsy fahadiovana.

19 Ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka hisy toerana homanina haingana araka izay tratra ho an’ny fianakavian’ny mpanolotsaina sady mpitantsoratrao, dia i Frederick G. Williams izany.

20 Ary aoka i aJoseph Smith rainy, lahiantitra, mpanompoko hanohy hiaraka amin’ny fianakaviany eo amin’ny toerana izay onenany ankehitriny; ary aoka tsy hamidy izany mandra-pitenin’ny vavan’ny Tompo.

21 Ary aoka ny mpanolotsaiko, dia i aSidney Rigdon, hitoetra eo amin’izay onenany ankehitriny mandra-pitenin’ny vavan’ny Tompo.

22 Ary aoka ny eveka hitady fatratra tokoa mba hahazo ampandraharaha ary aoka izany ho lehilahy izay bmanana amby ampy—lehilahin’ Andriamanitra sy manana finoana matanjaka—

23 Fa amin’izany no hahafahany manefa ny trosa rehetra; mba tsy hahazoana manala baraka ny trano fitehirizan’ny Tompo eo imason’ny olona.

24 Mitadiava aamim-pahazotoana, bmivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny dzava-drehetra ho tombontsoanareo, raha mandeha araka ny hitsiny ianareo ary mahatsiaro ny efanekempihavanana izay efa nifanaovanareo.

25 Aoka aho vitsy ny ankohonanareo, indrindra fa ny an’i Joseph Smith rainy, lahiantitra, mpanompoko, raha ny momba ireo izay tsy isan’ny ankohonanareo;

26 Mba tsy hanesorana aminareo ireo zavatra izay efa novononina ho anareo hanatontosana ny asako ka hanomezana izany ireo izay tsy mendrika—

27 Ka ho voasakana ianareo amin’izany eo amin’ny fanatontosana ireo zavatra izay efa nandidiako anareo.

28 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, sitrako ny handraisan’i Vienna Jacques mpanompovaviko vola handoavany ny fandaniany ary hiakarany any an-tanin’i Ziona;

29 Ary ny ambim-bola dia azo atokana ho Ahy, ary hahazo valisoa izy amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa mety eo imasoko ny handehanany miakatra any an-tanin’i Ziona sy ny handraisany lova avy eo an-tanan’ny eveka;

31 Mba hahazoany manorim-ponenana amim-piadanana raha mahatoky izy ka tsy midonanaha-poana mandritra ny androny hatrizao.

32 Ary indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa hanoratra ity didy ity ianareo ary hilaza amin’ireo rahalahinareo ao i Ziona amin’ny fiarahabana ombam-pitiavana fa efa niantso anareo koa Aho ahiadidy an’i Ziona amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

33 Koa aoka hatsahany ny fanasarana Ahy momba ity raharaha ity.

34 Indro, lazaiko aminareo fa manomboka mibebaka ireo rahalahinareo ao Ziona, ary miravoravo aminy ny anjely.

35 Kanefa maro ny zavatra tsy ankasitrahako; ary tsy mankasitraka an’i aWilliam E. McLellin mpanompoko Aho na i Sidney Gilbert mpanompoko; ary ny eveka koa, ary ireo hafa dia manana zavatra maro izay tokony hibebahana.

36 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa Izaho Tompo dia hifanditra amin’i aZiona sy hifandahatra amin’ireo olo-maheriny ka bhanafay azy mandra-pahatonga azy ho mpandresy sy ho dmadio eo anoloako.

37 Fa tsy hoesorina eo amin’ny toerany izy. Izaho Tompo no efa niteny izany. Amena.