Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91


Fizarana 91

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 9 martsa 1833. Tao anatin’ny fandikana ny Testamenta Taloha ny Mpaminany tamin’izay fotoana izay. Rehefa tonga teo amin’ny ampahany nisy ireo soratra tranainy natao hoe Apôkrifa izy dia nanontany ny Tompo ary nandray izao toromarika izao.

1–3, Ny ankabeazan’ny Apôkrifa dia voadika araka ny hitsiny saingy mirakitra soratra mifangaro izay sady nataon’ny tanan’olombelona no tsy marina; 4–6, Mitondra soa izy ho an’ireo izay hazavain’ny Fanahy.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao momba ny aApôkrifa—Misy zavatra maro voarakitra ao anatiny, izay marina sady voadika araka ny hitsiny ny ankabeazany;

2 Misy zavatra maro voarakitra ao anatiny, izay sady tsy marina no soratra mifangaro nataon’ny tanan’olombelona.

3 Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ilaina ny tokony handikana ny Apôkrifa.

4 Koa, na zovy na zovy no mamaky izany, dia aoka izy ahahatakatra fa ny Fanahy no maneho ny fahamarinana;

5 Ary na zovy na zovy no hazavain’ny aFanahy dia hahazo soa amin’izany;

6 Ary na zovy na zovy no tsy mandray ny Fanahy dia tsy afaka ny hahazo soa. Koa tsy ilaina ny tokony handikana izany. Amena.